Marka
Toko faha-3
1 Niditra tao amin'ny sinagoga indray i Jesoa ary nisy lehilahy maty tanana anila tao.2 Dia nizaha taratra an'i Jesoa ny olona raha hanasitrana an'io marary io amin'ny andro sabata Izy, mba hahazoany miampanga Azy.
3 Fa hoy i Jesoa tamin'ilay lehilahy maty tanana: Ndeha mijoro etsy afovoan'ny olona.
4 Dia hoy i Jesoa tamin'ny olona nizaha taratra Azy: Inona moa no azo atao amin'ny andro sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy? ny mamonjy ain'olona sa ny mamono olona? Fa tsy nisy niteny ny olona.
5 Dia tezitra i Jesoa nanopy maso manodidina nijery azy ireo, sady nalahelo tokoa noho ny hamafin'ny fony, ka niteny tamin-dralehilahy hoe: Atsory ny tananao! Dia natsotran'ilay marary ny tanany ka sitrana.
6 Fa lasa nivoaka ny sinagoga avy hatrany kosa ny Farisianina, ary niara-nioko tamin'ny Herodianina ny amin'izay hamonoana an'i Jesoa.
7 Dia lasa i Jesoa nihataka teny amoron'ny farihin'i Galilea niaraka tamin'ny mpianany. Vahoaka maro no nanaraka Azy avy ao Galilea; toy izany koa ny avy any Jodea
8 sy avy any Jerosalema, avy any Idomea sy andafin'ny ony Jordana, ary avy amin'ny faritra manodidina an'i Tiro sy i Sidona. Samy nandre izay nataon'i Jesoa izy rehetra ka nanatona Azy.
9 Ary dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Anomany sambokely eto akaikiko Aho fandrao hifanosehan'ny vahoaka.
10 Fa maro tokoa ny olona nositraniny, ka nifanesika mba hikasika Azy izay rehetra nanana aretina.
11 Ary ireo fanahy maloto, isaky ny mahita an'i Jesoa, dia niankohoka teo anatrehany sady niantsoantso hoe: Ianao no ilay Zanak'Andriamanitra!
12 Fa i Jesoa niteny mafy azy ireo hoe: Aza manao izay hahafantarana Ahy!
13 Ary niakatra teo an-tendrombohitra i Jesoa, ka niantso izay tiany hantsoina; ary niala teo amin'ny vahoaka ireo ka nanatona Azy.
14 Ary nanendry 12 lahy izay nomeny anarana hoe apostoly Izy, mba hiaraka aminy sy hirahiny hitoriteny
15 ka hanam-pahefana handroaka ny demony.
16 Ireto no voatendriny ho isan'ny 12 lahy: i Simona izay nampian'i Jesoa anarana hoe Petera;
17 i Jakoba sy i Johany mirahalahy zanak'i Zebedeo ary nampian'i Jesoa anarana hoe Boanerjesy, izany hoe olona mahery setra tahaka ny varatra;
18 i Andrea, i Filipo, i Bartolomeo, i Matio, i Toma, i Jakoba zanak'i Halfeo, i Tadeo, i Simona Kananeanina,
19 ary i Jodasy Iskariota ilay nanolotra an'i Jesoa.
20 Dia niverina tao an-trano i Jesoa; ary vory maro teo indray ny vahoaka, hany ka tsy afaka nisakafo Izy sy ny mpianany.
21 Ren'ny fianakavian'i Jesoa izany ka niainga ireo mba haka Azy an-keriny satria hoe lasa adala Izy.
22 Ary hoy ireo mpahay lalana nidina avy tany Jerosalema hoe: I Belzeboba no ao amin'ilay io ary fahefana avy amin'ny filohan'ny demony no androahany ny demony.
23 Fa nantsoin'i Jesoa iretsy mpahay lalana ka fanoharana no nitenenany taminy hoe: Ahoana no hahafahan'i Satana mandroaka an'i Satana?
24 Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany;
25 ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany.
26 Koa raha i Satana no mitsangana hanohitra ny tenany sy miady an-trano, dia tsy haharitra izy fa ho vita eo ny aminy.
27 Kanefa tsy misy olona afaka hiditra ao an-tranon'olona matanjaka mba handroba ny fananany, raha tsy voafatony aloha ilay olona matanjaka; dia izay izy vao mandroba ny ao an-trano.
28 Ary lazaiko marina aminareo fa havelan'Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan'ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an'Andriamanitra;
29 fa na iza na iza manevateva ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, satria fahotana raiki-tampisaka aminy mandrakizay no mahameloka azy.
30 Nilaza manko ireo mpahay lalana fa hoe fanahy maloto no ao amin'i Jesoa.
31 Tamin'izay dia tonga ny renin'i Jesoa sy ireo rahalahiny, nijanona teo alatrano ary naniraka olona hiantso Azy.
32 Vahoaka be no nipetraka nanodidina an'i Jesoa; ary nisy nilaza taminy hoe: Indreo mitady Anao ao alatrano ao ny reninao sy ny rahalahinao.
33 Fa hoy ny navalin'i Jesoa: Iza moa no reniko sy rahalahiko?
34 Dia natopiny tamin'ireo olona nipetraka nanodidina Azy ny masony ka hoy Izy: Ireto no reniko sy rahalahiko.
35 Fa na iza na iza manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izany no rahalahiko, anabaviko na reniko.