Marka
Toko faha-4
1 Dia nampianatra teo moron'ny farihin'i Galilea indray i Jesoa; ary vahoaka be no nitangorona teo akaikiny, ka voatery niondrana an-tsambokely Izy, dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa tery an-tanety amoron'ny farihy.2 Fanoharana no nampianaran'i Jesoa zavatra maro azy; ary nandritra ny fampianarany no nitenenany taminy hoe:
3 Henoy ange: indro niainga ity mpamafy hamafy voa.
4 Nony namafy izy, ny voa sasany latsaka teny amoron-dalana, ka tonga ny voro-manidina nitsindroka azy rehetra.
5 Ny voa sasany latsaka tamin'ny toerana be vato sady manify nofon-tany, ka vetivety dia nitsimoka satria tsy lalina ny tany nilentehany;
6 saingy nony nipoaka ny andro, dia nalazon'ny hafanana ireo tsimoka ireo ka maina satria tsy namaka lalina.
7 Ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo; ary nitombo ny tsilo ka nangeja ny tsimoka, dia tsy namoa izy.
8 Ny voa sasany kosa latsaka tamin'ny tany lonaka, dia naniry sy nitombo ary namoa: ny iray namokatra telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny.
9 Dia nofaranan'i Jesoa hoe: Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!
10 Rehefa nitokana lavitra ny vahoaka i Jesoa, dia nanontany Azy ny hevitry ny fanoharana ireo mpomba Azy mbamin'ny 12 lahy,
11 ka novaliany hoe: Ianareo no efa nomena ny tsiambaratelo momba ny Fanjakan'Andriamanitra; fa ho an'ireo any ivelany kosa dia manjary ankamantatra saro-pantarina ny zavatra rehetra,
12 hany ka hijery dia hijery izy fa tsy hahita ary hihaino dia hihaino fa tsy hahafantatra, afa-tsy raha miverina amin'Andriamanitra izy ka ho voavela heloka.
13 Dia hoy i Jesoa tamin'ireo mpomba Azy sy tamin'ny 12 lahy: Tsy azonareo ve ilay fanoharana teo? Ka hataonareo ahoana no fahazo ny fanoharana hafa rehetra?
14 Ny mpamafy dia mamafy ny tenin'Andriamanitra.
15 Ao ny amafazana ny teny eo amoron-dalana: vao mahaheno izy, dia tonga i Satana manaisotra ny teny voafafy tao aminy.
16 Ao koa ny amafazana an-tany be vato: vao mahaheno ny teny izy, dia mandray azy an-kafaliana,
17 saingy tsy alatsany lalina ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao mitranga ny fahoriana na fanenjehana noho ny tenin'Andriamanitra, dia very finoana izy.
18 Ao indray ny amafazana anaty tsilo: mahaheno ny teny izy,
19 saingy ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan'ny harena ary ny fitsiriritana hafa rehetra, samy miditra ao aminy, ka mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa.
20 Ao koa ny amafazana an-tany lonaka, dia ireo mahaheno ny teny sy mandray azy ka mamokatra: ny iray telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny.
21 Hoy koa i Jesoa tamin'ireo mpomba Azy sy tamin'ny 12 lahy: Inona moa no angalana ny jiro, ny hametrahana azy ao ambany vata famarana na ao ambany farafara ve sa ny hametrahana azy eo ambony fitoeran-jiro?
22 Satria tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haharihary.
23 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!
24 Ary hoy koa i Jesoa taminy: Diniho izao teny renareo izao: izay famarana amaranareo ihany no hamaran'Andriamanitra ho anareo koa, ary hasiany fanampiny aza ny anareo.
25 Satria izay manana no homena; ary izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy.
26 Hoy koa i Jesoa: Ny Fanjakan'Andriamanitra dia tahaka ny amin'ity olona namafy voa amin'ny tany;
27 fa na matory izy ny alina, na mahatsiaro izy ny antoandro, dia mitsimoka sy mitombo ny voa amin'ny fomba tsy fantany akory.
28 Fa mamokatra fotsiny amin'izao ny tany: tahony aloha, dia salohiny maitso, ary farany dia voany matoy eny amin'ny salohiny.
29 Ary raha vao azo jinjaina, dia jinjain'ilay olona fa tonga ny fotoana fijinjana.
30 Dia hoy koa i Jesoa hoe: Inona no hampitahantsika ny Fanjakan'Andriamanitra sa fanoharana inona no hoentintsika manazava azy?
31 Tahaka ny voan-tsinapy, ka raha ilay afafy amin'ny tany iny, dia madinika indrindra izy amin'ny voa famafy rehetra ety ambonin'ny tany;
32 saingy rehefa voafafy, dia mitombo, ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, sady misy rantsana vaventy ahafahan'ny voro-manidina manao akany honenana.
33 Dia fanoharana maro tahatahaka izany no nanambaran'i Jesoa ny tenin'Andriamanitra tamin'ny olona, araka izay mety ho takatry ny sain'ny mpihaino.
34 Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin'ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin'ireo mpianany ny zava-drehetra.
35 Ny harivan'iny andro iny ihany dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Andeha isika hankery ampita!
36 Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an'i Jesoa tamin'ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy.
37 Ary indro nisy tafio-drivotra mahery ka tafiditry ny alon-drano hatrany anaty sambokely, ary efa nila ho feno rano ny sambokely.
38 I Jesoa anefa natory teo amin'ny zoron-tsambo tery aoriana fa nisy ondana niondanany teo; ary nofohazin'ny mpianany Izy ka nilazany hoe: Mpampianatra o, tsy mampaninona Anao ve na ho faty aza isika?
39 Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra ary nanao tamin'ny farihy hoe: Mangina! Mitonia! Dia nitsahatra ny rivotra ary nanjary tony dia tony ny andro.
40 Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana angaha ianareo?
41 Ary natahotra dia natahotra tokoa iretsy mpianany, ka nifampilaza hoe: Fa iza ary io no manaiky Azy hatramin'ny rivotra sy ny farihy?