Marka

Toko faha-15

1 Raha vao maraina ny andro, dia nivory hanapa-kevitra ny lohandoha-mpisorona niaraka tamin'ny loholona sy ny mpahay lalana, izany hoe ny Fitsarana ambony manontolo; dia nampamatotra an'i Jesoa ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an'i Pilato.

2 Dia nanontany an'i Jesoa i Pilato hoe: Ianao ve no Mpanjakan'ny Jiosy? Fa novalian'i Jesoa hoe: Anao izany teny izany!

3 Ary nisy zavatra maro niampangan'ireo lohandoha-mpisorona Azy;

4 ka nanontany Azy indray i Pilato nanao hoe: Tsy mamaly akory ve Ianao? He ireto zavatra maro iampangany Anao!

5 Fa tsy namaly na inona na inona intsony i Jesoa, ka gaga i Pilato.

6 Isaky ny fankalazana ny Paska dia fomban'i Pilato ny mandefa mpigadra anankiray, izay angatahin'ny olona.

7 Ary nisy lehilahy atao hoe Barabasy, niara-nigadra tamin'ireo mpikomy nahafaty olona tamin'ny fikomiana nataony.

8 Dia niakatra ny vahoaka, nangataka an'i Pilato hanao araka ny fanaony aminy.

9 Fa novalian'i Pilato hoe: Tianareo ve raha ny Mpanjakan'ny Jiosy no alefako ho anareo?

10 Fantatr'i Pilato manko fa fialonana no nanoloran'ireo lohandoha-mpisorona an'i Jesoa,

11 kanefa nampirisihin'ireo lohandoha-mpisorona ny vahoaka hangataka ny handefasana an'i Barabasy toy izay i Jesoa.

12 Ary dia niteny tamin'ny vahoaka indray i Pilato nanao hoe: Inona ary no tianareo hataoko an'Ilay antsoinareo hoe Mpanjakan'ny Jiosy?

13 Fa hoy indray ny antsoantson'ny vahoaka hoe: Homboy amin'ny hazofijaliana ilay iny!

14 Dia hoy i Pilato tamin'ny vahoaka: Fa inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka koa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe: Homboy amin'ny hazofijaliana ilay iny!

15 Te hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato, ka dia i Barabasy no nalefany ho azy; fa i Jesoa kosa nasainy nokapohina sy natolony hohomboana amin'ny hazofijaliana.

16 Nentin'ireo miaramila teo an-tokotany i Jesoa, izany hoe tao amin'ny lapan'ny governora, ary nantsoiny hankeo ny miaramila tarika iray manontolo.

17 Dia nampitafin-dry zareo lamba jaky Izy ary nasiany fehiloha tsilo norandranina ny lohany,

18 dia noarahabainy Izy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!

19 Ary nokapohiny tamin'ny volotara ny lohany sady nororany Izy, dia nandohalihany sy niankohofany teo anatrehany.

20 Rehefa avy nanao Azy toy izany ry zareo, dia nesoriny ilay lamba jaky teny aminy ary nampanaoviny Azy indray ny akanjony; dia nentiny nivoaka ny lapa Izy hohomboana amin'ny hazofijaliana.

21 Sendra nandalo avy any an-tsaha ity olona atao hoe Simona, lehilahy sireneanina, rain-dry i Aleksandra sy i Rofosy, ka noteren'ireo miaramila hitondra ny hazofijalian'i Jesoa.

22 Tao amin'ny toerana atao hoe Golgota, izay midika hoe toerana sahala amin'ny karandoha, no nitondrany an'i Jesoa.

23 Nomeny divay mifangaro miora i Jesoa fa tsy nety nisotro.

24 Dia nohomboany tamin'ny hazofijaliana Izy; ary nifampizarany ny fitafiany, ka nanaovany loka hahitana izay anjaran'ny tsirairay.

25 Tamin'ny sivy maraina no nanomboana an'i Jesoa tamin'ny hazofijaliana.

26 Ary ny soratra napetraka hilaza ny nanamelohana Azy dia ny hoe: Mpanjakan'ny Jiosy.

27 Nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazofijaliana niaraka tamin'i Jesoa, ka ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. [

28 Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Natao ho isan'ny mpanao ratsy Izy.]

29 Dia nanevateva an'i Jesoa ny mpandalo sady nanifikifi-doha ka nanao hoe: Sakoizay, ry Ilay hoe mandrava ny tempolin'Andriamanitra ary manangana azy ao anatin'ny telo andro!

30 Vonjeo ny tenanao, ka midina avy eo amin'ny hazofijaliana!

31 Naneso Azy toy izany koa ireo lohandoha-mpisorona mbamin'ny mpahay lalana ka nifampilaza hoe: Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena!

32 Aoka ilay Mesia, Mpanjakan'i Israely, hidina avy eo amin'ny hazofijaliana ankehitriny, mba ho hitantsika ka hinoantsika! Dia naneso an'i Jesoa koa ireo niara-nohomboana taminy.

33 Tamin'ny mitataovovonana, dia rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany.

34 Ary tamin'ny telo tolakandro i Jesoa dia niantso tamin'ny feo mahery nanao hoe: Eloy, Eloy, lema sabaktany? (izany hoe raha adika: Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no dia nilaozanao Aho?)

35 Ny sasany tamin'ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe: Indro fa niantso an'i Elia ny anao!

36 Tamin'izay dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatsoboka spaonjy tao anaty vinaingitra; dia notohiziny volotara ilay spaonjy ka natohony an'i Jesoa mba hotsentsefiny, sady hoy izy: Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hampidina Azy tokoa i Elia!

37 Fa i Jesoa kosa niantso tamin'ny feo mahery, dia niala aina.

38 Ary nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina.

39 Fa ilay kapiteny nijoro tandrifin'i Jesoa, raha nahita Azy niala aina toy izany, dia loa-bolana hoe: Tena Zanak'Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!

40 Nisy vehivavy maromaro koa nitazana avy eny lavidavitra teny ka anisan'ireo i Maria avy any Magdala, sy i Salome ary i Maria renin-dry i Jakoba kely sy i Joseta mirahalahy.

41 Niaraka tamin'i Jesoa tany Galilea ireo vehivavy ireo, nanampy Azy tamin'izay nilainy; ary nisy vehivavy maro hafa koa izay niara-niakatra tamin'i Jesoa tany Jerosalema.

42 Efa hariva ny andro no tonga i Josefa avy any amin'ny tanana atao hoe Harimatia. Lehilahy manan-kaja tao amin'ny Fitsarana ambony izy sady fatra-piandry ny Fanjakan'Andriamanitra. Andro fiomanana tamin'io, izany hoe andro mialoha ny sabata; koa lasa i Josefa niditra tamim-pahasahiana tao an-tranon'i Pilato ary nangataka ny vatan'i Jesoa.

44 Fa gaga i Pilato raha hoe maty sahady i Jesoa, ka dia nampiantso ny kapiteny ary nanontany azy raha efa ela no nahafatesany.

45 Nony reny ny filazan'ilay kapiteny, dia navelany homena an'i Josefa ny faty.

46 Dia nividy lamba sarobidy i Josefa, ary nampidininy avy teo amin'ny hazofijaliana ny vatan'i Jesoa ka nofonosiny lamba sarobidy ary napetrany tao amin'ny fasana nolavahana tamin'ny vatolampy; dia nanakodiavany vato teo amin'ny vavafasana.

47 Ary nataon'i Maria avy any Magdala sy i Maria renin'i Joseta tsara jery ny toerana nametrahan'i Josefa an'i Jesoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569