Marka
Toko faha-12
1 Ary dia fanoharana indray no nitenenan'i Jesoa tamin'ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalana ary loholona, ka hoy Izy: Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana, dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.2 Nony tonga ny taom-piotazana, dia nanirahany mpiasa ireo mpamboly handray ny ampaham-bokatry ny tanimboaloboka.
3 Fa nosamborin'ireo ilay mpiasa dia nokapohiny ary nalefany nody maina.
4 Dia nanirahany mpiasa iray hafa indray ireo mpamboly; fa io koa nokapohin'ireo ny lohany sady nalany baraka.
5 Dia mbola nanirahany iray hafa indray; fa io kosa novonoiny ho faty. Ary nisy mpiasa maro hafa koa nirahiny, fa ny sasany nokapohin-dry zareo, ary ny sasany novonoiny ho faty.
6 Olona iray sisa teo amin'ilay tompon'ny tanimboaloboka, dia ny zanany malalany; ka nirahiny tany koa io nony farany, fa hoy ilay tompon'ny tanimboaloboka hoe: Hananan'ireo hena-maso ny zanako!
7 Saingy nifampiresaka ireo mpamboly nanao hoe: Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina, dia ho antsika ny lova.
8 Dia nosamborin'ireo mpamboly izy ka novonoiny ho faty ary natsipiny tany ivelan'ny tanimboaloboka.
9 Dia nofaranan'i Jesoa hoe: Inona ary no hataon'ilay tompon'ny tanimboaloboka? Ho avy izy ka ny mpamboly haringany ary ny tanimboaloboka homeny olon-kafa.
10 Tsy novakinareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: Ny vato nolavin'ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro;
11 Avy amin'ny Tompo izao, ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika?
12 Ary nitady hisambotra an'i Jesoa ry zareo, satria nahatsapa ho niantefan'izany fanoharana nataony izany; saingy ny vahoaka no natahorany ka navelany teo i Jesoa fa lasa ry zareo nandeha.
13 Nisy iraka sasantsasany avy amin'ny Farisianina sy ny Herodianina nankeo amin'i Jesoa hamandrika Azy amin'ny fanontaniana;
14 ka nony tonga teo ry zareo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra o, fantatray fa milaza ny marina Ianao sady tsy mampaninona anao izay mety ho hevitry ny hafa, ary tsy mizaha tavan'olona Ianao fa mampianatra tsotra ny lalana soritan'Andriamanitra. Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an'ny amperora romanina sa tsia? Tokony handoa izahay sa tsy handoa?
15 Fantatr'i Jesoa anefa ny fihatsarambelatsihin'ireo, ka hoy Izy taminy: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray vola denary anankiray Aho hojereko.
16 Dia nitondrany, ka hoy i Jesoa taminy: Sarin'iza io ary anaran'iza? Dia novalian'ireo hoe: An'ny amperora romanina!
17 Ka hoy i Jesoa taminy: Avereno amin'ny amperora romanina izay an'ny amperora romanina ary amin'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia gaga tamin'i Jesoa ireto iraka.
18 Ireo Tsadoseanina, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty ho velona, dia mba nisy nanatona an'i Jesoa ka nanontany Azy hoe:
19 Mpampianatra o, izao no didy voasoratra nomen'i Mosesy antsika: Raha misy lehilahy maty namela vady nefa tsy namela taranaka, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy, mba hiteraka hamela solofo ho an'ny maty.
20 Koa nisy ary olona fito mirahalahy. Nampaka-bady ny lahimatoa, kanjo maty tsy namela solofo.
21 Dia nampakatra an-dravehivavy ny faharoa, kanjo maty tsy namela solofo; dia toy izany koa ny fahatelo.
22 Dia samy tsy nisy namela solofo izy fito mirahalahy. Taorian'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
23 Amin'ny fitsanganan'ny maty ary, [raha hitsangana velona tokoa ny maty], mba ho vadin'iza ravehivavy fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?
24 Dia hoy i Jesoa tamin'ireo Tsadoseanina: Tsy izany tokoa ve no mahadiso hevitra anareo, fa tsy misy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra?
25 Rehefa hitsangana velona ny maty, dia tsy hisy olona hampaka-bady na hampakarina intsony, fa samy hitovy amin'ny anjely any an-danitra avokoa.
26 Ary ny amin'ny hoe hitsangana ho velona ny maty, moa tsy novakinareo ao amin'ny bokin'i Mosesy ve ny toko momba ny Roimemy? Fa ao no nitenenan'Andriamanitra tamin'i Mosesy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Itsehaka ary Andriamanitr'i Jakoba!
27 Tsy Andriamanitry ny maty Izy fa Andriamanitry ny velona. Koa tena diso hevitra ianareo.
28 Ary nisy mpahay lalana anankiray nahare izany ady hevitra izany sady nahita fa namaly tsara an'ireo Tsadoseanina i Jesoa. Dia nanatona an'i Jesoa ity mpahay lalana ka nanontany Azy hoe: Inona no voalohany amin'ny didy rehetra?
29 Dia novalian'i Jesoa hoe: Izao no voalohany: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no Tompo tokana.
30 Koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, amin'ny fanahinao manontolo, amin'ny sainao manontolo, ary amin'ny herinao manontolo.
31 Ary izao no faharoa: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
32 Ka hoy ilay mpahay lalana tamin'i Jesoa: Mpampianatra o, tsara izany ary marina ny filazanao fa tokana Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy.
33 Ka ny mitia Azy amin'ny fo manontolo sy amin'ny saina manontolo ary amin'ny hery manontolo, sy ny mitia namana tahaka ny itiavana ny tena dia manoatra lavitra noho ny biby dorana eo amin'ny alitara sy ny sorona isan-karazany.
34 Nony hitan'i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena ilay mpahay lalana, dia nilazany hoe: Tsy lavitra ny Fanjakan'Andriamanitra ianao! Ary dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
35 Raha ilay nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly iny i Jesoa, dia niteny hoe: Ahoana no ilazan'ny mpahay lalana fa hoe Zanak'i Davida ny Mesia?
36 Kanefa tenan'i Davida, rehefa nohazavain'ny Fanahy Masina, no nanao hoe: Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin'ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin'ny sezafiandrianana eto an-kavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
37 Tenan'i Davida izany no manao ny Mesia hoe Tompoko, ka ahoana no maha Zanak'i Davida Azy? Ary faly ny vahoaka maro nihaino an'i Jesoa.
38 Hoy koa i Jesoa tamin'ny fampianarany hoe: Mitandrema amin'ireo mpahay lalana. Ny tiany dia ny mandehandeha eny amin'ny lala-mitafon'ny tempoly sy ny arahabaina eny an-kianja,
39 ny mipetraka eny aloha ao amin'ny sinagoga ary ny maka toeram-boninahitra any amin'ny fanasana.
40 Ataony tapitra ny fananan'ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.
41 Nipetraka nanandrify ny vata fitoeran-drakitra i Jesoa nandinika ny fomba fandrotsahan'ny vahoaka vola tao; ary maro ny mpanankarena nandrotsaka betsaka.
42 Dia tonga ity vehivavy mpitondratena mahantra, nandrotsaka vola madinika roa ankevitry ny ariary anankiroa.
43 Dia nantsoin'i Jesoa ireo mpianany ka nilazany hoe: Lazaiko marina aminareo fa io vehivavy mpitondratena mahantra io no nandrotsaka be indrindra tamin'ny olona nandrotsa-bola tao amin'ny vata fitoeran-drakitra.
44 Satria ireo rehetra ireo dia nandrotsaka ny ambim-bavany; fa ravehivavy io kosa, na fadiranovana toy inona aza, dia nandrotsaka izay rehetra nananany, izany hoe ny fivelomany manontolo.