Marka
Toko faha-7
1 Dia tafavory teo amin'i Jesoa ny Farisianina sy ny sasantsasany tamin'ireo mpahay lalana avy any Jerosalema,2 ary nahatsikaritra fa ny sasany tamin'ny mpianatr'i Jesoa dia nihinan-kanina tamin'ny tanana maloto, izany hoe tsy voasasa araka ny fombam-pivavahana.
3 Fa ny Farisianina ary koa ny Jiosy rehetra dia tsy mihinan-kanina raha tsy avy misasa tanana amin'ny fomba manokana, satria nifikitra tamin'ny fanao nampitain'ny razany.
4 Ary rehefa avy any an-tsena ry zareo, dia tsy mihinan-kanina raha tsy avy midio tsara araka ny fombam-pivavahana. Maro koa ny fanao hafa nolovany ka nifikirany, toy ny manasa ny zinga fisotroana, ny siny, ny fanaka varahina ary ny farafara fisakafoana.
5 Dia nanontany an'i Jesoa ny Farisianina sy ny mpahay lalana nanao hoe: Nahoana ireto mpianatrao no tsy manaraka ny fanao nampitain'ny razantsika, fa tanana maloto izao no ihinanany hanina?
6 Fa hoy i Jesoa taminy: Marina tokoa ny naminanian'i Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe:
7 Ity vahoaka ity, hoy Andriamanitra, tendro-molotra no anajany Ahy fa ny fony kosa lavitra Ahy mihitsy; ka poaka aty ny fivavahana ataony amiko, satria didin'olombelona no ambarany ho fampianarako.
8 Ny didin'Andriamanitra avelanareo, fa ny fomba amam-panao nampitain'olombelona kosa tananareo.
9 Ary hoy koa i Jesoa taminy: Dia arianareo tsotra izao ny didin'Andriamanitra, mba hitandremanareo ny fomba amam-panaonareo.
10 Fa hoy i Mosesy: Hajao ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
11 Fa ianareo kosa manambara fa raha misy olona milaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa nataoko korbana, izany hoe fanatitra ho an'Andriamanitra, ny zavatra tokony hanasoavako anao,
12 dia tsy avelanareo hanao na inona na inona intsony amin'ny rainy na amin'ny reniny izy.
13 Koa ny fomba amam-panao ifandovanareo no anafoananareo ny tenin'Andriamanitra; ary mbola maro koa ny zavatra tahatahaka izany ataonareo.
14 Dia nantsoin'i Jesoa hankeo aminy indray ny vahoaka sady nilazany hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra ka mahafantara.
15 Tsy misy zavatra avy ety ivelany miditra ao anatin'ny olona ka mahaloto azy, fa izay mipoitra avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy. [
16 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!]
17 Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka i Jesoa ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy momba io fanoharana io ny mpianany;
18 ka hoy i Jesoa taminy: Hay ve ianareo koa mba tsy mahafantatra? Tsy takatrareo ve fa izay rehetra avy ety ivelany ka miditra ao amin'ny olona dia tsy mahaloto azy,
19 satria tsy miditra ao am-pony fa ao an-kibony ihany, ka alefa any amin'ny fanariana azy. (Izany no nentin'i Jesoa nanambara fa madio avokoa ny hanina rehetra).
20 Dia hoy koa i Jesoa: Ny zavatra mipoitra avy ao amin'ny olona, izany no mahaloto ny olona;
21 satria avy ao anaty, avy ao am-pon'ny olona no ipoiran'ny sain-dratsy mahatonga azy hijangajanga, hangalatra, hamono olona,
22 haka vadin'olona, ho tia harena, hasiaka, hanambaka, haloto fitondrantena, hialona, hanao vava ratsy, hiavonavona, ho adala toetra.
23 Ireo zava-dratsy rehetra ireo no mipoitra avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
24 Dia niala teo i Jesoa ary lasa nankany amin'ny faritany akaikin'ny tanana atao hoe Tiro; ary niditra tao an-trano anankiray Izy fa tsy te ho fantatry ny olona, kanefa tsy afa-niafina.
25 Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon'ny fanahy maloto; vao nandre momba an'i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony.
26 Miteny grika ravehivavy sady Sirofenisianina firazanana; ary niangavy an'i Jesoa izy handroaka ny demony hiala tao amin-janany.
27 Fa hoy i Jesoa taminy: Avelao aloha ho voky ny zanaka nateraka, fa tsy tsara raha ny mofon-janaka no alaina ka atsipy ho an'ny amboa kely.
28 Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe: Nefa, Tompoko, na ny amboakely ao ambany latabatra aza, dia mba mihinana ny sombintsombiny avy amin'ny mofon'ny ankizy ihany.
29 Dia hoy i Jesoa taminy: Izany no teninao, ka dia modia fa efa niala tamin'ny zanakao ny demony.
30 Ary rehefa niala teo ravehivavy ka tonga tany an-tranony, dia nahita ny zanany matory tsara eo am-pandriana, efa nialan'ny demony.
31 Dia niala tao amin'ny faritanin'i Tiro i Jesoa ka nandalo tany Sidona ary niverina teo amin'ny farihin'i Galilea, rehefa avy namakivaky ny faritany atao hoe Dekapoly.
32 Dia nisy lehilahy sady marenina no raiki-dela, nentin'ny olona ho eo aminy ary niangaviany Azy hametrahany tanana.
33 Dia nentin'i Jesoa nihataka irery lavitra ny vahoaka ralehilahy ka noharoniny tamin'ny rantsan-tanana ny sofiny, ary nokasihiny sady nasiany rora ny lelany.
34 Dia niandrandra ny lanitra i Jesoa sady nisento ary niteny tamin-dralehilahy hoe: Efata! (izany hoe: misokafa!).
35 Ary niaraka tamin'izay dia nisokatra ny sofin-dralehilahy ary nivaha ny fatoran'ny lelany, ka afaka niteny tsara izy.
36 Dia namepetra ny olona teo i Jesoa tsy hitantara na amin'iza na amin'iza; kanefa arakaraka ny nameperan'i Jesoa azy no vao mainka koa nampielezany izany.
37 Ary dia talanjona izaitsizy ny olona ka vaky vava hoe: Tsara avokoa no nanaovany ny zavatra rehetra, fa sady nampalady ny marenina Izy no nampiteny ny moana.