Marka
Toko voalohany
1 Manomboka eto ny Vaovao Mahafaly momba an'i Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra.2 Izao no voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny bokin'i Isaia mpaminany: Indro alefako hialoha Anao ny irako, hoy Andriamanitra, mba hanomana ny lalanao.
3 Injany misy feon'olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe: Amboary ny lalan'ny Tompo; ahitsio ny hizorany!
4 Araka izany, dia niseho i Johany ka nanao batisa tany an-taniefitra sy nanao antso avo hoe: Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan'Andriamanitra ny helokareo.
5 Nirohotra nankeo amin'i Johany avokoa ny olona avy any Jodea lafy valo sy avy any Jerosalema; ary niaiky heloka ireo ka dia nataon'i Johany batisa tao amin'ny ony Jordana.
6 Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan'i Johany; valala sy tantely remby no fihinany.
7 Ary hoy ny antso avo nataony: Tamy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehikapany akory aho.
8 Ny ahy, rano no nanaovako batisa anareo; ny Azy kosa, ny Fanahy Masina no hanaovany batisa anareo.
9 Tamin'izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanana any Galilea i Jesoa ary nataon'i Johany batisa tao Jordana.
10 Vantany vao niakatra avy ao anaty rano i Jesoa, dia nahita ny lanitra nitriatra sy ny Fanahy Masina nidina teo aminy tahaka ny voromahailala.
11 Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako.
12 Ary niaraka tamin'izay dia nasesiky ny Fanahy Masina hankany an-taniefitra i Jesoa
13 ka nijanona efapolo andro tany, nalain'i Satana fanahy, niara-nonina tamin'ny bibidia, ary notompoin'ny anjely.
14 Ary naiditra am-ponja i Johany. Taorian'izay, dia nankany Galilea i Jesoa, nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra
15 ka nilaza hoe: Tonga ny fotoanandro; efa akaiky ny Fanjakan'Andriamanitra, ialao ny toe-dratsy ary minoa ny Vaovao Mahafaly.
16 Ary nandalo teo amoron'ny farihin'i Galilea i Jesoa ka nahita an'i Simona sy i Andrea mirahalahy; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany.
17 Dia hoy i Jesoa taminy: Andao hiaraka amiko fa hataoko mpanarato olona ianareo.
18 Dia nilaozany avy hatrany ny haratony, ka lasa izy roa lahy niaraka tamin'i Jesoa.
19 Ary nony nandroso kelikely i Jesoa, dia nahita an'i Jakoba sy i Johany mirahalahy, zanak'i Zebedeo. Nanamboatra ny haratony tao an-tsambokely izy roa lahy tamin'izay.
20 Ary nantsoin'i Jesoa avy hatrany izy mirahalahy; dia nilaozany teo an-tsambokely i Zebedeo rainy mbamin'ireo mpikarama, fa lasa izy roa lahy niaraka tamin'i Jesoa.
21 Dia nankany an-tanana atao hoe Kafarnahoma i Jesoa mbamin'ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin'ny sinagoga i Jesoa ka nampianatra tao.
22 Talanjona ny olona nihaino ny fampianarany, satria nampianatra azy tamin-pahefana i Jesoa, fa tsy tahaka ireo mpahay lalana.
23 Tamin'izay indrindra, tao amin'ny sinagogan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon'ny fanahy maloto
24 ka niantsoantso mafy hoe: Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin'Andriamanitra e!
25 Notenenin'i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: Mangina, ary miala amin-dralehilahy io.
26 Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy.
27 Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombam-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon'ity olona ity ka manaiky Azy!
28 Ary poatoizay dia niely eran'ny faritany Galilea manontolo ny lazan'i Jesoa.
29 Vantany vao nivoaka ny sinagoga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry i Simona sy i Andrea; niaraka taminy koa i Jakoba sy i Johany.
30 Ary nandry teo am-pandriana ny rafozambavin'i Simona fa voan'ny tazo, ka nampahafantarina an'i Jesoa avy hatrany.
31 Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan'ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an'ireo vahiny.
32 Nony hariva efa maty masoandro, dia nentin'ny olona teo amin'i Jesoa avokoa izay mety ho marary sy azon'ny demony.
33 Ka dia vory teo anoloan'ny varavarana ny vahoaka rehetra tao an-tanana.
34 Olona maro ianjadian'ny aretina isan-karazany no sitran'i Jesoa, ary demony maro no voaroakany; tsy navelany hiteniteny kosa ireo demony ireo, satria nahalala Azy.
35 Ny ampitso maraina mbola maizina, dia nifoha i Jesoa ka niala tao an-tanana ary lasa nivavaka tany amin'ny toerana mangina.
36 Dia nitotototo nizaha Azy ry i Simona sy ireo namany telo lahy;
37 ka nony nahita an'i Jesoa izy efa-dahy, dia nilaza taminy hoe: Mitady Anao ny olona rehetra.
38 Fa hoy ny navaliny azy efa-dahy: Andeha isika ho any an-toeran-kafa, any amin'ny tanana akaiky manodidina, mba hitoriako teny any koa; izany manko no nialako tao an-tanana.
39 Dia lasa i Jesoa nitety an'i Galilea manontolo, nitoriteny tany amin'ny sinagogan-dry zareo Jiosy sady nandroaka ny demony.
40 Ary nanatona an'i Jesoa ity lehilahy marary hoditra ka nitalaho taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha sitrakao, dia hainao diovina aho.
41 Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: Sitrako, madiova ianao.
42 Avy hatrany dia nialan'ny aretin-koditra nahazo azy ralehilahy ka nadio.
43 Dia nasain'i Jesoa nandeha niaraka tamin'izay izy sady nofeperany mafy
44 nataony hoe: Tandremo mihitsy ny milaza izao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana miseho amin'ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin'i Mosesy mba ho vavolombelona amin'ny olona fa madio ianao.
45 Kanjo raha vao niala teo ralehilahy, dia nanao antso avo izay nitranga taminy ary nampiely izany. Koa tsy afa-niditra an-tanana tamin'ny fomba miharihary intsony i Jesoa; fa dia any amin'ny toerana mangina ivelan-tanana any foana Izy, kanefa mbola nohatonin'ny olona avy eny rehetra eny.