Lioka

Toko faha-14

3 Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin'ireo mpahay lalana sy Farisianina hoe: Azo atao ve sa tsia ny manasitrana amin'ny andro sabata?

4 Fa tsy niteny tsy nivolana ry zareo. Nokasihin'i Jesoa kosa ilay marary, dia sitrana ary nalefany nody.

5 Dia hoy i Jesoa tamin-dry zareo: Iza moa aminareo no manana zanaka na omby sendra latsaka anaty lavaka fantsakana, ka tsy hisintona azy faingana, na dia sabata aza ny andro?

6 Fa tsy nanan-kavaly ry zareo.

7 Tsikaritr'i Jesoa kosa fa samy nifidy ny toerana voalohandohany ireo olona nasaina. Ka ho azy ireo indrindra no nanaovany ity fanoharana ity:

8 Raha asain'olona hisakafo amin'ny fampakaram-bady ianao, dia aza mipetraka amin'ny toerana voalohany. Mety misy manko olona nasaina manan-kaja kokoa noho ianao,

9 ka ny nanasa anareo ihany no ho avy hiteny aminao hoe: Omeo an'ity olona ity ny toerana misy anao io; izay ianao vao hangaihay hamonjy ny toerana farany indrindra.

10 Fa raha nasaina ianao, ny toerana farany indrindra no vonjeo ipetrahana; ka rehefa avy ilay nanasa anao, dia hiteny aminao hoe: Mandrosoa etsy alohaloha kokoa, tompoko; izay ianao vao heni-kaja heni-boninahitra amin'ny mpiara-misakafo rehetra.

11 Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.

12 Avy eo dia ilay nanasa Azy indray no nilazan'i Jesoa hoe: Raha manasa olona hisakafo antoandro na hisakafo hariva ianao, aza mba ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanankarena iray tanana aminao no asaina, fandrao hasainy koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy.

13 Fa raha misy fanasana ataonao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa mbamin'ny jamba kosa asaina;

14 dia ho sambatra ianao, satria tsy mba mahavaly ny vitanao ireo. Ary Andriamanitra hamaly soa anao rehefa mby amin'ny fitsanganan'ny olo-marina ho velona.

15 Nandre izany ny anankiray tamin'ireo mpiara-misakafo teo ka niteny tamin'i Jesoa hoe: Sambatra izay handray anjara amin'ilay fanasambe any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra!

16 Dia hoy i Jesoa taminy: Nanao fanasambe ity olona anankiray ka maro no nasainy.

17 Nony fotoana fisakafoana, dia nirahiny ny mpiasany hilaza amin'ireo nasaina hoe: Tongava, tompoko, fa efa vonona ny sakafo.

18 Samy rafitra niala tsiny avokoa anefa izy rehetra. Ka hoy ny voalohany tamin'ilay mpiasa: Misy saha vao novidiko izay, ka tsy maintsy handeha hijery azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!

19 Hoy kosa ny faharoa: Misy omby folo vao novidiko izay, ka handeha hizaha azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!

20 Ary hoy indray ny fahatelo: Vao avy nampaka-bady aho, ka noho izany tsy afaka mankany.

21 Dia niverina ilay mpiasa ka nanambara izany tamin'ny tompony. Nisafoaka ilay tompom-panasana ka nanao tamin'ilay mpiasa hoe: Mandehana faingana ianao mankeny amin'ireo kianja sy araben'ny tanana, ka ampandrosoy aty ny mahantra sy ny kilemaina mbamin'ny jamba sy ny mandringa.

22 Tsy ampy toy inona, dia hoy ilay mpiasa hoe: Vita, tompoko, izay nodidianao hatao, kanefa mbola misy toerana ihany.

23 Ary hoy ny tompom-panasana tamin'ilay mpiasany: Ny lalan-kely sy ny sisim-boly indray ary aleha, ka ataovy izay hidiran'ny olona aty mba ho feno ny tranoko!

24 Dia ireo nasaina tonga no nitenenan'ny tompom-panasana hoe: Eny, lazaiko aminareo fa tsy hisy hanandrana ny sakafoko ireo olona nasaina voalohany ireo na dia iray aza!

25 Nisy vahoaka marobe niara-dia tamin'i Jesoa. Dia nitodika niatrika azy ireo i Jesoa ka nanao hoe:

26 Raha misy manatona Ahy, aoka ho tia Ahy mihoatra noho ny ray aman-dreniny sy ny vady aman-janany mbamin'ny mpiray tampo aminy, ary mihoatra noho ny tenany aza; fa raha tsy izany, tsy afaka ho mpianatro.

27 Izay tsy mizaka ny hazofijaliany ary tsy miaraka amiko, dia tsy afaka ho mpianatro.

28 Raha misy aminareo te hanorina tilikambo, dia hipetraka izy aloha hitetika tsara izay ho lany, hahitany raha misy vola hanefana izany.

29 Sao vita manko ny fototra vao tsy afa-manohy, ka holatsain'ny mpitazana rehetra

30 hoe: Mba nanomboka nanorina rangahy io, nefa tsy nahatody!

31 Ary raha misy mpanjaka handeha hanafika mpanjaka hafa, dia hipetraka izy aloha handinika tsara, hahitany raha azony atao amin'ny miaramila iray alina ny hifanandrina amin'ny fahavalony manana miaramila roa alina.

32 Raha tsy azony atao manko, dieny mbola lavitra ilay fahavalo, dia handefasany iraka hanao raharaham-pihavanana.

33 Ary nofaranan'i Jesoa hoe: Dia toy izany koa ary, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany, dia tsy afaka ho mpianatro!

34 - Zavatra tsara ny sira; kanefa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no hanome hasina azy?

35 Fa sady tsy mahasoa tany no tsy mahasoa zezika intsony ka dia ariam-potsiny. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

Toko faha-15

1 Fatra-panatona an'i Jesoa avokoa ny mpamory hetra sy ny mpanota mba hihaino Azy.

2 Hany ka nimonomonona ny Farisianina sy ny mpahay lalana nanao hoe: Rangahy io ny mpanota no ifandraisany sy iarahany misakafo!

3 Koa ho azy Farisianina sy mpahay lalana no nanaovan'i Jesoa ity fanoharana ity:

4 Lehilahy iza moa, araka ny hevitrareo, no manana ondry zato nahaverezana anankiray, ka tsy hamela eny an-kijana ny 99 ary hiezaka hitady ilay tokana very mandra-pahitany azy?

5 Ary rehefa hitany, dia entiny eo an-tsoroka an-kafaliana.

6 Dia lasa izy mody any an-trano ary voriny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: Miaraha mifaly amiko fa ilay ondriko very dia hitako indray!

7 Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana any an-danitra amin'ny mpanota anankiray monja miala amin'ny toe-dratsiny fa tsy amin'ny olo-marina 99 tsy mila fialana amin'ny toe-dratsy.

8 Sa vehivavy iza moa no manana vola firavaka folo nahaverezana anankiray, ka tsy hampirehitra jiro sy hamafa trano ary hikaroka tsara mandra-pahitany azy?

9 Ary rehefa hitany, dia voriny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: Miaraha mifaly amiko fa ilay vola firavako very dia hitako indray!

10 Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana ho an'ny anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota anankiray monja miala amin'ny toetra ratsiny.

11 Dia hoy indray i Jesoa: Nanan-janaka mirahalahy ity lehilahy anankiray.

12 Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Omeo ahy, ry dada, ny anjara fananana tandrify ahy. Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany.

13 Nony afaka andro vitsivitsy, dia nivarotra ny anjarany manontolo ilay zandriny, ary lasa nitondra ny vola azony nankany an-tany lavitra ka nandanilany foana ny fananany tamin'ny filibana.

14 Rehefa tapitra avokoa izay teo am-pelatanany, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ary tsy nanan-koraisina intsony ny anao.

15 Lasa izy niasa tamin'ny tompon-tany anankiray ka nalefan'ilay niasany hiandry kisoa tany an-tsahany.

16 Satrin'ity zatovo hameno kibo amin'ny voan-javatra fihinan'ny kisoa, saingy tsy nisy nanome azy.

17 Izay vao nody ny sainy ka hoy izy anakampo: Ireo mpikaraman'i dada rehetra any izao manan-tsakafo be dia be daholo, fa izaho kosa ity maty mosary aty!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9931