Lioka

Toko voalohany

62 Nanaovan-dry zareo baiko tanana ny rain'ity zaza hahalalana izay anarana tiany homena azy.

63 Ary nitaky fitaovana hanoratana i Zakaria ka nanoratra hoe: I Johany no anarany. Nahagaga azy rehetra izany.

64 Teo no ho eo ihany dia nahay niteny indray i Zakaria, ary nanezaka nidera an'Andriamanitra.

65 Raiki-tahotra avokoa ny mpiara-monina ka niely eran'ny faritra be havoana any Jodea ny resaka momba izany zava-nitranga rehetra izany.

66 Lasa eritreritra daholo ireo nandre ka velom-panontaniana hoe: Hanao ahoana re io zaza io? Ary nomba azy tokoa ny herin'ny Tompo.

67 Feno ny Fanahy Masina i Zakaria, rain'ny zazakely, ka nilaza faminaniana toy izao:

68 Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr'i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!

69 Mpamonjy mahery ho antsika no najorony avy amin'ny taranak'i Davida mpanompony,

70 araka ny efa nambarany hatramin'ny fahagola tamin'ny alalan'ireo mpaminany masina:

71 dia Mpamonjy hanafaka antsika amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tanan'ireo mpankahala rehetra.

72 Namindra fo tamin'ny razantsika Andriamanitra sady nahatsiaro ilay fanekempihavanana masina

73 mbamin'ilay fianianana izay nataony tamin'i Abrahama razantsika:

74 dia ny hanala antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika, ary ny hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,

75 fa amin-toetra masina sy marina eo anatrehany mandritra ny andro rehetra iainantsika.

76 Ary ianao kosa, anaka, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo ianao mba hamboatra ny lalany;

77 ny vahoakany hampahalalainao ny famonjena, ka hahafantatra fa voavela ny helony.

78 Mangoraka sy mamindra fo ilay Andriamanitsika, koa masoandro miposaka avy any ambony no hamangy antsika

79 mba hanazava an'ireo mihitsoka amin'ny maizina sy amin'ny aloky ny fahafatesana, ary mba hitarika ny diantsika hizotra mankany amin'ny fiadanana.

80 Nitombo sy nihanahery ilay zaza, ary nitoetra tany an-taniefitra mandra-pisehony tamin'ny vahoaka Israely.

Toko faha-2

1 Tamin'izany andro izany, dia namoaka didy ny amperora Aogosta hampanao fanisam-bahoaka eran'ny fanjakana romanina.

2 Izany fanisam-bahoaka voalohany izany dia natao fony i Kireny no filohan'ny faritany Siria.

3 Ary samy namonjy ny tanana fiaviany avy ny olona rehetra mba hisaina.

4 Niainga avy tao Nazareta tanana any Galilea i Josefa hiakatra any Jodea, hankany amin'ilay tanana fiavian'i Davida atao hoe Betlehema, noho izy taranaka sy fokon'i Davida.

5 Mba hoisaina no foto-dian'i Josefa sy i Maria vadiny izay efa bevohoka.

6 Raha tao Betlehema izy roa, dia tonga ny andro hahaveloman'i Maria.

7 Teraka ny lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ary nampandriny teo amina fihinanam-bilona; fa tsy nisy toerana ho azy telo mianaka tao amin'ny trano fivantanam-bahiny.

8 Tany amin'izany faritany izany, dia nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina.

9 Nisy anjelin'ny Tompo niseho tampoka taminy; ary nohodidinin'ny voninahitry ny Tompo ireo mpiandry ondry ka raiki-tahotra izaitsizy.

10 Fa hoy ilay anjely taminy: Aoka izay ny tahotra, fa vaovao mahafaly no entiko ho anareo, dia fifaliana lehibe ho an'ny vahoaka rehetra:

11 Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tananan'i Davida, dia i Kristy Tompo.

12 Izao no hahafantaranareo Azy: hahita zazakely anankiray voahodidina lamban-jaza sady mandry eo amina fihinanam-bilona ianareo.

13 Ary nisy anjely alikisa avy any an-danitra niseho niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:

14 Voninahitra any amin'ny avo indrindra ho an'Andriamanitra; ary fiadanana ety an-tany ho an'ny olombelona fa nanehoany fitia!

15 Rehefa nilaozan'ny anjely niverina any an-danitra ireto mpiandry ondry, dia nifampiresaka hoe: Andao mihitsy ho any Betlehema isika hizaha izany zava-baovao nampahalalain'ny Tompo antsika izany!

16 Dia nandeha faingana izy ireo nankany, ka nahita an'i Maria sy i Josefa ary nahita zazakely mandry eo amin'ny fihinanam-bilona.

17 Nony avy nahita ireto mpamangy, dia nampiely ny teny nolazain'ny anjely taminy momba io zazakely io;

18 ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'ny zavatra voalazan'ireo mpiandry ondry.

19 I Maria kosa nitadidy izany rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.

20 Dia lasa nody ireo mpiandry ondry ka nanome voninahitra sy dera an'Andriamanitra noho izay rehetra reny sy hitany, araka ny voalazan'ny anjely taminy.

21 Tonga ny fotoana hamorana ilay zaza nony afaka herinandro; ary natao hoe Jesoa ny anarany, araka ilay nolazain'ny anjely talohan'ny nahatorontoronina Azy.

22 Tonga ny fotoana tsy maintsy anatanterahana ny fombam-pivavahana fidiovana ho an'i Maria sy i Jesoa zazakely, araka ny lalanan'i Mosesy. Dia nentin'i Maria sy i Josefa tany Jerosalema ny zazakely mba hatolotra ny Tompo,

23 satria voasoratra ao amin'ny lalanan'ny Tompo hoe: Hatokana ho an'ny Tompo ny lahimatoa rehetra.

24 Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin'ny lalanan'ny Tompo ihany koa i Maria sy i Josefa, izany hoe fanatitra domohina roa na voromahailala roa.

25 Tao Jerosalema tamin'izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehona; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an'Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nomban'ny Fanahy Masina izy

26 ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia avy amin'ny Tompo.

27 Nentin'ny Fanahy Masina hankao an-kianjan'ny tempoly i Simehona, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin'i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian'ny lalana ny amin'ny zaza;

28 dia nitrotro Azy i Simehona sady velom-pisaorana an'Andriamanitra nanao hoe:

29 Tompo o, alefaso amim-piadanana amin'izay ity mpanomponao, araka ny teninao!

30 Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao

31 izay nomaninao ho an'ny firenena rehetra:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9784