Lioka
Toko faha-2
32 dia fahazavana hampahalala Anao amin'ny hafa firenena ary hanome voninahitra an'i Israely vahoakanao.33 Gaga ny ray aman-drenin'i Jesoa noho izao tenin'i Simehona momba ny zanany izao.
34 Ary nitsodrano azy telo mianaka i Simehona; avy eo izy dia niteny tamin'i Maria renin'i Jesoa hoe: Indro ity zaza ity fa voatendry mba hahatonga ny maro amin'i Israely homelohin'Andriamanitra ary koa hahatonga ny maro amin'i Israely hankatoavin'Andriamanitra. Ho famantarana hifanoheran'ny olona ity zaza ity,
35 mba hampiharihary ny fisainan'ny besinimaro. Ary ianao kosa, ramatoa, hotsatohan-tsabatra ny fanahinao!
36 Nisy koa vehivavy mpaminany natao hoe Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy amin'ny fokon'i Asera. Tena antitra izy. Fito taona ihany no nanambadiany taorian'ny nahatovovavy azy.
37 Dia nipetraka ho mpitondratena izy ary feno 84 taona izao ny andro niainany. Tsy niala tao amin'ny tempoly mihitsy izy, fa nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina, ka nifady hanina sy nivavaka.
38 Tonga koa i Ana tamin'io fotoana io ka nisaotra an'Andriamanitra ary nilazalaza momba ity zaza ity tamin'izay rehetra fatra-piandry ny hanavotan'Andriamanitra an'i Jerosalema.
39 Rehefa avy nanatontosa ny zavatra rehetra araka ny lalanan'ny Tompo ny ray aman-drenin'i Jesoa, dia niverina nankany Galilea izy telo mianaka ho ao Nazareta tananany.
40 Nitombo sy nihatanjaka ilay zaza sady feno fahendrena; ary tao aminy ny fahasoavan'Andriamanitra.
41 Mpankany Jerosalema isan-taona ny ray aman-drenin'i Jesoa amin'ny fankalazana ny Paska.
42 Nony feno 12 taona i Jesoa, dia lasa izy telo mianaka niara-niakatra araka ny fanao amin'izany fankalazana izany.
43 Nody i Maria sy i Josefa nony tapitra ny andro fankalazana, fa i Jesoa tovolahikely dia mbola nijanona tao Jerosalema, saingy tsy tsikaritr'ireo ray aman-dreniny izany.
44 Nihevitra moa izy roa fa tafaraka tamin'ny mpiara-dia ity zanany; ka efa lasa lalana indray andro, izay vao nitady Azy, nanontany ny havana sy olom-pantatra,
45 nefa tsy nahita Azy. Dia niverina ilalana izy roa nitady Azy tany Jerosalema.
46 Tamin'ny andro fahatelo vao hitany tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa mipetraka teo afovoan'ireo mpampianatra jiosy ka mihaino sady manontany an-dry zareo.
47 Talanjona daholo ny olona nandre ity tovolahikely fa saina matotra no nasehony isak'izay niteny Izy.
48 Gaga dia gaga ny ray aman-dreniny nahita Azy, ka hoy ny reniny taminy: Nahoana, anaka, no nanao toy izao taminay Ianao? Endrey izany tebitebinay sy ny rainao nitady Anao!
49 Dia hoy i Jesoa tamin'izy mivady: Nahoana kosa no mitady Ahy ianareo? Hay tsy mbola fantatrareo fa tsy maintsy ato amin'ny tranon'ny Raiko Aho?
50 Tsy azon'izy roa anefa izay nolazain-janany taminy.
51 Dia niara-nody taminy tany Nazareta i Jesoa ary nanoa azy. Ny reniny kosa nitadidy izany rehetra izany tao am-pony.
52 Ary nitombo fahendrena sy taona i Jesoa sady nandroso nahatehotia tamin'Andriamanitra sy ny olona.
Toko faha-3
1 Tamin'ny taona faha-15 nanjakan'ny amperora Tibery fony i Ponty Pilato no nifehy an'i Jodea, i Heroda no nanjaka tao Galilea, i Filipo rahalahiny no nanjaka tao Itorea sy Trakonitida, i Lisania no nanjaka tao Abilena,2 ary i Hana mbamin'i Kaiafa no mpisorombe dia tonga tamin'i Johany zanakalahin'i Zakaria tany an-taniefitra ny tenin'Andriamanitra.
3 Dia lasa i Johany nitety ny faritany rehetra amoron'ny ony Jordana sady nanao antso avo hoe: Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan'Andriamanitra ny helokareo.
4 Izany dia araka ny voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny boky mirakitra ny tenin'i Isaia mpaminany hoe: Injany misy feon'olona miantso mafy any an-taniefitra hoe: Amboary ny lalan'ny Tompo; ahitsio ny hizorany.
5 Ny lohasaha rehetra hototofana; ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry. Ny miolakolaka hahitsy ary ny mikitoantoana harenina:
6 dia ho hitan'ny olombelona rehetra ny famonjena avy amin'Andriamanitra!
7 Toy izao ary no tenin'i Johany tamin'ny vahoaka nidodododo hataony batisa: Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran'Andriamanitra izay efa antomotra?
8 Asehoy amin'ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho razambenay izahay! Satria lazaiko aminareo fa hain'Andriamanitra ny manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
9 Indro efa eo am-potokazo rahateo ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
10 Ary hoy ny vahoaka nanontany an'i Johany hoe: Inona ary no tokony hataonay?
11 Dia novaliany hoe: Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin'izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa.
12 Mba nisy koa mpamory hetra tonga hatao batisa ka niteny tamin'i Johany hoe: Mpampianatra o, inona no tokony hataonay?
13 Dia novaliany hoe: Aza mitaky mihoatra noho izay voafetra halainareo.
14 Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe: Mba inona kosa no tokony hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza maka zavatr'olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin'ny karamanareo.
15 Velom-panantenana tokoa ny vahoaka ary samy nieritreritra tao am-pony hoe: I Johany va re sa tsia no Mesia?
16 Fa i Johany kosa niteny tamin'izy rehetra hoe: Ny ahy, rano no anaovako batisa anareo. Indro tamy kosa ilay Mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho; ny Azy, ao amin'ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo.
17 Eny an-tanany ny fikororohana hanadiovany tanteraka ny vary eo am-pamoloana: ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mitsaha-mirehitra.
18 Fananarana maro samihafa koa no nanambaran'i Johany ny Vaovao Mahafaly tamin'ny olona.
19 Notsinin'i Johany hatrany kosa i Heroda mpanjaka noho izy naka an'i Herodiada vadin-drahalahiny ary noho ny ratsy hafa rehetra vitan'ity mpanjaka.
20 Kanjo vao mainka nanampy heloka indray i Heroda, fa nanidy an'i Johany tao am-ponja.
21 Indray andro, raha mbola natao batisa ny vahoaka rehetra, dia mba natao batisa koa i Jesoa. Ary nivavaka Izy nandritra izany, ka nisokatra ny lanitra.
22 Dia nidina teo ambonin'i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako!
23 Tokony ho telopolo taona i Jesoa fony nanomboka ny asany, ka noheverin'ny olona fa zanak'i Josefa, zafin'i Hely,
24 zafiafin'i Matata, zafin-dohalik'i Levy, zafin-kitrokelin'i Melky, zafim-paladian'i Janay, ary zafin-dorian'i Josefa;
25 dia i Josefa zanakalahin'i Matatia, zafin'i Amosa, zafiafin'i Nahoma, zafin-dohalik'i Jesly, zafin-kitrokelin'i Nagay,
26 zafim-paladian'i Mahata, ary zafin-dorian'i Matatia; dia i Matatia zanakalahin'i Semehy, zafin'i Joseka, zafiafin'i Joda,
27 zafin-dohalik'i Johanana, zafin-kitrokelin'i Resa, zafim-paladian'i Zerobabela ary zafin-dorian'i Sealtiela; dia i Sealtiela zanakalahin'i Nery,
28 zafin'i Melky, zafiafin'i Ady, zafin-dohalik'i Kosama, zafin-kitrokelin'i Elmadama, zafim-paladian'i Era,
29 ary zafin-dorian'i Josoa; dia i Josoa zanakalahin'i Eliezera, zafin'i Jorima, zafiafin'i Matata, zafin-dohalik'i Levy,