Marka
Toko voalohany
38 Fa hoy ny navaliny azy efa-dahy: Andeha isika ho any an-toeran-kafa, any amin'ny tanana akaiky manodidina, mba hitoriako teny any koa; izany manko no nialako tao an-tanana.39 Dia lasa i Jesoa nitety an'i Galilea manontolo, nitoriteny tany amin'ny sinagogan-dry zareo Jiosy sady nandroaka ny demony.
40 Ary nanatona an'i Jesoa ity lehilahy marary hoditra ka nitalaho taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha sitrakao, dia hainao diovina aho.
41 Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: Sitrako, madiova ianao.
42 Avy hatrany dia nialan'ny aretin-koditra nahazo azy ralehilahy ka nadio.
43 Dia nasain'i Jesoa nandeha niaraka tamin'izay izy sady nofeperany mafy
44 nataony hoe: Tandremo mihitsy ny milaza izao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana miseho amin'ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin'i Mosesy mba ho vavolombelona amin'ny olona fa madio ianao.
45 Kanjo raha vao niala teo ralehilahy, dia nanao antso avo izay nitranga taminy ary nampiely izany. Koa tsy afa-niditra an-tanana tamin'ny fomba miharihary intsony i Jesoa; fa dia any amin'ny toerana mangina ivelan-tanana any foana Izy, kanefa mbola nohatonin'ny olona avy eny rehetra eny.
Toko faha-2
1 Tafaverina tao Kafarnahoma indray i Jesoa rehefa afaka andro vitsivitsy, ary ren'ny olona fa hoe tao an-trano Izy.2 Dia vory marobe ny olona ka tsy nisy hitoerana intsony na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary i Jesoa nanambara ny tenin'Andriamanitra taminy.
3 Dia nisy olona tamy, nitondra lehilahy malemy nolanjain'olona efa-dahy hankeo amin'i Jesoa.
4 Tsy afaka nanatona an'i Jesoa ry zareo noho ny habetsahan'ny vahoaka. Ary dia ny tafon-trano, tandrifin'izay nitoeran'i Jesoa, no nanesorany; ka rehefa voasokatra, dia nampidinany ny fandriana niamparan'ilay malemy.
5 Hitan'i Jesoa ny finoan'ireto olona ka hoy Izy tamin'ilay malemy: Voavela ny helokao, anaka!
6 Fa nisy nipetraka teo kosa ireo mpahay lalana ka nieritreritra tao am-pony hoe:
7 Nahoana no miteny toy izany ilay ity? Manevateva an'Andriamanitra! Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany?
8 Takatr'i Jesoa avy hatrany ny eritreritr'iretsy mpahay lalana ka hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany ao am-ponareo?
9 Inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza amin'ity malemy ity hoe: Voavela ny helokao, sa ny milaza aminy hoe: Mitsangana, ka batao ny fandrianao ary mandehana?
10 Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak'olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka! Dia hoy i Jesoa tamin'ilay malemy:
11 Mandidy anao aho, mitsangana, batao ny fandrianao ka modia any an-tranonao!
12 Dia nitsangana ilay malemy ka nibata ny fandriany avy hatrany ary lasa nandeha teo imason'ny olona rehetra. Dia talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an'Andriamanitra sady vaky vava hoe: Tsy mbola nahita zavatra toy izao na oviana na oviana isika!
13 Dia nankany amoron'ny farihin'i Galilea indray i Jesoa ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra ka nampianariny.
14 Raha nandalo i Jesoa, dia nahita an'i Levy zanakalahin'i Halfeo nipetraka teo amin'ny birao famorian-ketra ary hoy i Jesoa taminy: Avia hiaraka amiko! Dia nitsangana i Levy ka nandeha niaraka taminy.
15 Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Levy i Jesoa, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no tonga niara-nihinana tamin'Izy sy ny mpianany; fa maro ireo karazan'olona ireo no fatra-panaraka Azy.
16 Rehefa nahita an'i Jesoa niara-nisakafo tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra ireo mpahay lalana anisan'ny antokom-pivavahana Farisianina, dia nilaza tamin'ny mpianatr'i Jesoa hoe: Dia miara-misakafo amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota ve Izy io?
17 Henon'i Jesoa izany ka hoy Izy tamin'ny mpahay lalana: Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary! Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota!
18 Nifady hanina ny mpianatr'i Johany Mpanao batisa sy ny Farisianina tamin'izay; ka nisy olona tonga teo amin'i Jesoa hanontany Azy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Johany sy ny mpianatry ny Farisianina no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
19 Dia izao no navalin'i Jesoa: Moa azon'ireo mpanotrona ny mpampaka-bady atao ve ny mifady hanina raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra? Tsia, tsy azony atao ny mifady hanina raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra!
20 Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy, ka amin'izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona.
21 Tsy misy olona manampina fitafiana tonta amin'ny tapa-damba vaovao; fa raha izany, dia handrirotra ny fitafiana tonta ilay tapa-damba vaovao izay natampina, ary dia mainka koa hitatra ny rovitra.
22 Toy izany koa, tsy misy olona mitahiry divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tranainy; raha izany, dia ho rotiky ny divay ny siny hoditra ka hafoy ny divay mbamin'ny siny hoditra. Fa siny hoditra vaovao no fitahirizana divay vaovao.
23 Raha nandeha namaky tanimbary tamin'ny andro sabata ry i Jesoa, dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany.
24 Ka hoy ny Farisianina tamin'i Jesoa: Jereo, nahoana ireto mpianatrao no manao zavatra tsy fanao amin'ny andro sabata?
25 Dia novalian'i Jesoa hoe: Tsy mbola novakinareo tao amin'ny Soratra Masina angaha izay nataon'i Davida raha tsy nanan-kohanina ka noana izy mbamin'ireo olona niaraka taminy?
26 Niditra tao an-tranon'Andriamanitra i Davida tamin'ny andron'i Abiatara mpisorombe, ary nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan'Andriamanitra; kanefa izany mofo izany tsy azon'iza na iza hanina afa-tsy ny mpisorona ihany. Dia nomen'i Davida koa ireo olona niaraka taminy.
27 Ary hoy i Jesoa tamin'ny Farisianina: Ny sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona no natao ho an'ny sabata.
28 Araka izany, na dia ny sabata aza dia ananan'ny Zanak'olona fahefana!
Toko faha-3
1 Niditra tao amin'ny sinagoga indray i Jesoa ary nisy lehilahy maty tanana anila tao.2 Dia nizaha taratra an'i Jesoa ny olona raha hanasitrana an'io marary io amin'ny andro sabata Izy, mba hahazoany miampanga Azy.
3 Fa hoy i Jesoa tamin'ilay lehilahy maty tanana: Ndeha mijoro etsy afovoan'ny olona.
4 Dia hoy i Jesoa tamin'ny olona nizaha taratra Azy: Inona moa no azo atao amin'ny andro sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy? ny mamonjy ain'olona sa ny mamono olona? Fa tsy nisy niteny ny olona.
5 Dia tezitra i Jesoa nanopy maso manodidina nijery azy ireo, sady nalahelo tokoa noho ny hamafin'ny fony, ka niteny tamin-dralehilahy hoe: Atsory ny tananao! Dia natsotran'ilay marary ny tanany ka sitrana.
6 Fa lasa nivoaka ny sinagoga avy hatrany kosa ny Farisianina, ary niara-nioko tamin'ny Herodianina ny amin'izay hamonoana an'i Jesoa.
7 Dia lasa i Jesoa nihataka teny amoron'ny farihin'i Galilea niaraka tamin'ny mpianany. Vahoaka maro no nanaraka Azy avy ao Galilea; toy izany koa ny avy any Jodea
8 sy avy any Jerosalema, avy any Idomea sy andafin'ny ony Jordana, ary avy amin'ny faritra manodidina an'i Tiro sy i Sidona. Samy nandre izay nataon'i Jesoa izy rehetra ka nanatona Azy.
9 Ary dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Anomany sambokely eto akaikiko Aho fandrao hifanosehan'ny vahoaka.
10 Fa maro tokoa ny olona nositraniny, ka nifanesika mba hikasika Azy izay rehetra nanana aretina.
11 Ary ireo fanahy maloto, isaky ny mahita an'i Jesoa, dia niankohoka teo anatrehany sady niantsoantso hoe: Ianao no ilay Zanak'Andriamanitra!
12 Fa i Jesoa niteny mafy azy ireo hoe: Aza manao izay hahafantarana Ahy!
13 Ary niakatra teo an-tendrombohitra i Jesoa, ka niantso izay tiany hantsoina; ary niala teo amin'ny vahoaka ireo ka nanatona Azy.
14 Ary nanendry 12 lahy izay nomeny anarana hoe apostoly Izy, mba hiaraka aminy sy hirahiny hitoriteny