Matio
Toko faha-27
24 Nony hitan'i Pilato fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan'ny vahoaka sady nanao hoe: Afa-tsiny amin'ny hahafatesan'io Lehilahy io aho! Raharahanareo ny anareo.25 Dia izao no navalin'ny vahoaka rehetra: Aoka ho zakainay sy ny taranakay ny fahafatesany!
26 Tamin'izay dia nalefan'i Pilato ho azy ireo i Barabasy; fa i Jesoa kosa nasain'i Pilato nokapohina ary natolony mba hohomboana amin'ny hazofijaliana.
27 Tamin'izay dia nentin'ny miaramilan'i Pilato ho any amin'ny lapan'ny governora i Jesoa ary novorin'ireo hankeo amin'i Jesoa ny tarika miaramila iray manontolo.
28 Dia nendahin'ireto miaramila ny fitafian'i Jesoa, ary akanjobe jaky no nampitafiny Azy;
29 avy eo dia nandrandrana fehiloha tsilo ry zareo ka nasatrony teo an-dohany, ary nampitazona volotara ny tanany ankavanana. Dia nandohalika teo anatrehan'i Jesoa ireto miaramila sady naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
30 Dia nororan-dry zareo Izy ary nalainy ilay volotara ka nikapohany ny lohany.
31 Nony avy naneso Azy toy izany ireo miaramila, dia nesorin'ireo ny akanjobe teny aminy ka nampanaoviny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny Izy hohomboana amin'ny hazofijaliana.
32 Vao tafavoaka ny tanana ireo miaramila, dia tojo lehilahy sireneanina atao hoe Simona, ka nanery azy hitondra ny hazofijalian'i Jesoa.
33 Rehefa tonga teo amin'ny toerana atao hoe Golgota (izay midika hoe Ikarandoha),
34 dia nomen-dry zareo divay miharo zava-mangidy i Jesoa hosotroiny; fa nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
35 Dia nohomboan'ny miaramila tamin'ny hazofijaliana Izy, ary nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
36 Vita izay, dia nipetraka niambina Azy teo ry zareo.
37 Ary teo ambonin'ny lohan'i Jesoa dia nasiany soratra milaza ny nanamelohana Azy hoe: Ity no Jesoa, ilay Mpanjakan'ny Jiosy.
38 Tamin'izay dia nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazofijaliana niaraka tamin'i Jesoa, ka ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
39 Ireo mpandalo kosa dia nanevateva an'i Jesoa sady nihifikifi-doha
40 ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manorina azy anatin'ny telo andro ity, vonjeo ny tenanao, raha Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao, ary midina avy eo amin'ny hazofijaliana!
41 Naneso an'i Jesoa toy izany koa ny lohandoha-mpisorona mbamin'ny mpahay lalana sy ny loholona ka nanao hoe:
42 Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan'i Israely hono Izy, koa ankehitriny aoka hidina avy eo amin'ny hazofijaliana, dia hinoanay.
43 Andriamanitra no itokiany; koa ankehitriny, raha tia Azy Andriamanitra, dia aoka hanafaka Azy, fa hoy Izy manko hoe: Zanak'Andriamanitra Aho.
44 Dia nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy nohomboana tamin'ny hazofijaliana niaraka taminy.
45 Hatramin'ny mitataovovonana dia nanomboka rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany.
46 Ary tamin'ny telo tolakandro teo ho eo i Jesoa dia niantso tamin'ny feo mahery nanao hoe: Ely, Ely, lama sabaktany? (izany hoe: Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no dia nilaozanao Aho?)
47 Ny sasany tamin'ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe: Miantso an'i Elia ny anao!
48 Niaraka tamin'izay dia nihazakazaka ny anankiray tamin-dry zareo naka spaonjy; dia novontosany vinaingitra ilay spaonjy ary notohiziny volotara ka natohony an'i Jesoa mba hotsentsefiny.
49 Fa ny sasany kosa nanao hoe: Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hamonjy Azy tokoa i Elia!
50 Fa niantso tamin'ny feo mahery indray i Jesoa, dia niala aina.
51 Ary indro ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina fa nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. Dia nihorohoro ny tany; nitresaka ny vatolampy;
52 ary nisokatra ny fasana ka maro ny olona anisan'ny vahoakan'Andriamanitra efa nodimandry no velona indray.
53 Dia niala tao am-pasana ireo olona ireo rehefa nitsangana velona i Jesoa ary niditra tao Jerosalema tanana masina izy ireo, ka niseho tamin'olona maro.
54 Ary ilay kapiteny sy ireo miaramila niambina an'i Jesoa niaraka taminy kosa, raha vao nahita ny horohorontany sy ny zava-nitranga, dia raiki-tahotra mafy sady loa-bolana hoe: Tena Zanak'Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!
55 Nisy vehivavy maro koa teo, nitazana avy teny lavidavitra teny: dia ireo niaraka tamin'i Jesoa hatrany Galilea ka nanampy Azy.
56 Anisan'ireo i Maria avy any Magdala, sy i Maria renin-dry i Jakoba sy i Josefa mirahalahy, ary ny vadin'i Zebedeo.
57 Nony hariva ny andro, dia tonga ity lehilahy mpanankarena avy any amin'ny tanana atao hoe Harimatia; i Josefa no anarany ary mpianatr'i Jesoa ihany koa izy.
58 Nanatona an'i Pilato izy nangataka ny vatan'i Jesoa; ary dia nasain'i Pilato nomena azy izany.
59 Nalain'i Josefa ny vatan'i Jesoa, dia nofonosiny lamba sarobidy madio
60 ary napetrany tao amin'ny fasana vaovao izay nampandavahany ho an'ny tenany tamin'ny vatolampy. Rehefa avy nanakodia vato makadiry teo amin'ny vavafasana i Josefa, dia lasa nandeha.
61 Ary teo i Maria avy any Magdala sy ilay Maria anankiray hafa ka nipetraka tandrifin'ny fasana.
62 Ny ampitson'iny andro fiomanana amin'ny sabata iny, dia niara-nivory tany amin'i Pilato ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina
63 ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona iny mpamitaka iny dia izao no teniny: Amin'ny andro fahatelo, dia hitsangana velona Aho.
64 Koa asaovy ambenana ny fasany ambara-pahafaky ny andro fahatelo, fandrao avy ireo mpianany hangalatra ny fatiny ka hilaza amin'ny vahoaka hoe: Nitsangana velona avy tany amin'ny maty Izy; ka ho ratsy kokoa ny fitaka farany noho ny voalohany.
65 Dia hoy i Pilato tamin-dry zareo: Manana mpiambina ianareo, koa ndeha ataovy tsara antoka ny fasana araka izay fantatrareo fa mety.
66 Dia lasa izy ireo ka nataony tsara antoka ny fasana: nasiany tombokase ny vato hidim-pasana sady nametrahany mpiambina.
Toko faha-28
1 Taorian'ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdala sy i Maria anankiray hafa.2 Ary injay nisy horohorontany mahery vaika, fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra tonga nanakodia ny vato hidim-pasana ary nipetraka teo amboniny.
3 Namiratra tahaka ny tselatra ny tarehiny ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany.
4 Azon'ny tahotra ireo mpiambina raha nahita azy ka nivadi-po ary nody maty.
5 Dia niteny tamin'ireto vehivavy ilay anjely nanao hoe: Aoka tsy hatahotra ianareo! Fantatro fa i Jesoa, Ilay nohomboana tamin'ny hazofijaliana, no tadiavinareo.
6 Tsy ato Izy, satria efa nitsangana velona araka ny voalazany. Avia ka jereo ny toerana nametrahana Azy.
7 Ndeha haingana lazao amin'ny mpianany hoe: Efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty Izy, ary indro mialoha anareo any Galilea, ka any no hahitanareo Azy. Izany ary, fa efa nilazako ianareo.