Matio

Toko faha-26

49 Ary nanatona an'i Jesoa avy hatrany i Jodasy, ka nanao taminy hoe: Mpampianatra o, ho ao aminao anie ny fiadanana! Dia nanoroka Azy i Jodasy.

50 Fa i Jesoa kosa niteny hoe: Ry sakaiza, izany ve no alehanao eto? Tamin'izay dia nohatonin'ireo iraka i Jesoa, ary nohazoniny sady nosamboriny.

51 Indro kosa ny anankiray tamin'ireo nomba an'i Jesoa fa naninjitra tanana ka nanatsoaka sabatra, ary namely ny mpanompon'ny mpisorombe ka nahafaka ny sofiny.

52 Ary dia hoy i Jesoa tamin'io mpianany io: Avereno amin'ny toerany ny sabatrao, fa izay rehetra mamely amin'ny sabatra dia ho fatin'ny sabatra.

53 Heverinao ve fa tsy azoko atao ny mangataka amin'ny Raiko, ary ankehitriny izao ihany Aho dia handefasany anjely marobe mihoatra noho ny andian-tafika 12?

54 Kanefa raha izany, ahoana no hahatanterahan'ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?

55 Tamin'izay fotoana izay i Jesoa dia niteny tamin'ny andian'olona nirahina hoe: Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay hisambotra Ahy! Isan'andro Aho dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo.

56 Fa tonga kosa izany rehetra izany mba hahatanterahan'izay voalazan'ireo mpaminanin'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina. Tamin'izay dia nandao an'i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra.

57 Ary izay efa nisambotra an'i Jesoa dia nitondra Azy ho any an-tranon'i Kaiafa mpisorombe, izay nivorian'ny mpahay lalana sy ny loholona rahateo.

58 Fa i Petera kosa nanaraka an'i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin'ny tranon'ny mpisorombe. Dia niditra tao an-tokotany i Petera ary niara-nipetraka tamin'ny mpiandry raharaha teo mba hahita izay fiafaran-javatra.

59 Nokarohin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan'ny Fitsarana ambony teo amin'ny Jiosy izay mety hiampangana an'i Jesoa, na dia amin'ny lainga aza, mba hanamelohana Azy ho faty;

60 saingy tsy nahita ry zareo na dia tonga maro teo aza ny mpiampanga lainga an'i Jesoa. Nony farany, dia nisy olona roa lahy tonga teo

61 ka nanao hoe: Izao no voalazan'ilay io; azoko ravana ity tempolin'Andriamanitra ity ary haoriko indray ao anatin'ny telo andro.

62 Dia nitsangana ny mpisorombe ary niteny tamin'i Jesoa hoe: Tsy mamaly na inona na inona ve Ianao? Inona no iampangan'ireo Anao?

63 Fa nangina i Jesoa. Dia hoy ny mpisorombe taminy: Mandidy Anao aho, amin'ny anaran'ilay Andriamanitra velona, mba hilaza aminay raha Ianao no ilay Mesia, ilay Zanak'Andriamanitra.

64 Dia novalian'i Jesoa hoe: Anao izany teny izany! Kanefa ambarako aminareo fa tsy ho ela intsony dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ilay Andriamanitra mahery ary koa tamy eo amin'ny rahon'ny habakabaka.

65 Tamin'izay ny mpisorombe dia nandriatra ny fitafiany sady niteny hoe: Nanevateva an'Andriamanitra Izy; ka inona indray no ilantsika vavolombelona hiampanga. Indro renareo teo ny fanevatevany an'Andriamanitra;

66 ka ahoana no hevitrareo? Dia hoy ireo: Mendrika Azy ny ho faty!

67 Tamin'izay dia nandrora ny tavan'i Jesoa ry zareo ary namely totohondry Azy; ny sasany kosa namely tehamaina Azy

68 sady nanao hoe: Vinanio, ry Mesia, lazao izay namely Anao!

69 Nipetraka teo ivelany tao an-tokotany i Petera. Dia nisy vehivavy mpiasa anankiray nanatona an'i Petera ka niteny taminy hoe: Ianao koa niaraka tamin'i Jesoa, Ilay avy any Galilea.

70 Fa nanda teo anatrehan'izy rehetra i Petera ka nanao hoe: Tsy fantatro izay lazainao!

71 Dia lasa nankeo am-bavahady i Petera; kanjo nisy vehivavy mpiasa anankiray hafa nahatazana azy ary niteny tamin'izay teo hoe: Io rangahy io koa niaraka tamin'i Jesoa, Ilay avy any Nazareta.

72 Ary nanda indray i Petera ka nanao hoe: Mianiana aho fa tsy fantatro izany Lehilahy izany.

73 Nony afaka kelikely, dia nanatona an'i Petera ny olona teo ka nanao taminy hoe: Tena anisan'ireny tokoa ianao, sady ny fiteninao rahateo mampiharihary izany.

74 Ary sady niozona sy nianiana i Petera no nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany. Niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno;

75 ary tsaroan'i Petera ny teny voalazan'i Jesoa hoe: Alohan'ny maneno akoho, dia handa Ahy intelo ianao. Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.

Toko faha-27

1 Nony maraina ny andro, dia nikaon-doha avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon'ny vahoaka jiosy hamelezana an'i Jesoa, mba hampanamelohana Azy ho faty.

2 Dia nampamatotra Azy ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an'i Pilato governora romanina.

3 Tamin'izay i Jodasy, ilay nanolotra an'i Jesoa, dia nahita fa voaheloka ho faty i Jesoa. Ary nanenina i Jodasy ka namerina ny sekela volafotsy telopolo tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona

4 sady nilaza hoe: Nanota aho fa nanolotra olona tsy manan-tsiny hovonoina. Fa hoy ireo: Ahoanay inona izany? Raharahanao ny anao!

5 Sady nanipy ny vola tao amin'ny Toeramasina i Jodasy no niala teo, ary dia lasa nananton-tena.

6 Ireo lohandoha-mpisorona kosa naka ny vola ary niteny hoe: Tsy azo alatsaka amin'ny rakitry ny tempoly ireto vola ireto satria vidin-dra.

7 Rehefa nikaon-doha ry zareo, dia nampiasa ny vola hividianana ny sahan'ny mpanefy vilany mba hatao fasam-bahiny.

8 Izany no iantsoana io saha io mandraka androany hoe Sahan-dra.

9 Tamin'izay dia tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan' i Jeremia mpaminany hoe: Nalaiko ny sekela volafotsy telopolo (karaman'ilay nokaramain'ny Israelita sasany)

10 ary nomeko hividianana ny sahan'ny mpanefy vilany, araka ny nandidian'ny Tompo ahy.

11 Dia nijoro teo anatrehan'ny governora i Jesoa ary nanontany Azy ny governora nanao hoe: Ianao ve no Mpanjakan'ny Jiosy? Dia hoy i Jesoa: Anao izany teny izany!

12 Fa raha niampanga Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona, dia tsy novalian'i Jesoa akory.

13 Tamin'izay i Pilato dia niteny tamin'i Jesoa hoe: Tsy renao ve izany zavatra maro iampangany Anao izany?

14 Fa tsy namaly an'i Pilato akory i Jesoa na indraim-bava aza, hany ka gaga mihitsy ny governora.

15 Ary fanaon'ny governora isaky ny fankalazana ny Paska ny mandefa mpigadra anankiray, dia izay tian'ny vahoaka.

16 Nisy mpigadra malaza atao hoe [Jesoa] Barabasy tamin'izay;

17 koa dia ny vahoaka tafavory no nitenenan'i Pilato hoe: Iza no tianareo halefako ho anareo, i [Jesoa] Barabasy sa i Jesoa ilay atao hoe Kristy?

18 Fantatr'i Pilato fa fialonana no nanoloran-dry zareo an'i Jesoa, ilay atao hoe Kristy.

19 Ary raha mbola nipetraka teo amin'ny fitsarana iny i Pilato, dia naniraka olona ny vadiny hilaza aminy hoe: Aza manao na inona na inona amin'io olo-marina io, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy any naraina izay!

20 Ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona kosa dia nitaona ny vahoaka mba hitaky ny handefasana an'i Barabasy ary ny hamonoana an'i Jesoa.

21 Dia niteny tamin'ny vahoaka indray i Pilato nanao hoe: Iza amin'izy roa lahy ireto no tianareo halefako ho anareo? Ka hoy ny vahoaka: I Barabasy!

22 Dia nanontany azy ireo i Pilato hoe: Ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesoa, ilay atao hoe Kristy? Fa novalian'izy rehetra hoe: Aoka Izy hohomboana amin'ny hazofijaliana!

23 Dia hoy ny governora: Fa inona ary no ratsy nataony? Kanjo vao mainka koa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe: Aoka Izy hohomboana amin'ny hazofijaliana!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9568