Matio

Toko faha-20

11 Teo am-pandraisana izany, dia nimonomonona tamin'ny tompon'ilay tanimboaloboka ireto mpiasa ireto

12 nanao hoe: Ireo nilatsaka farany ireo dia ora iray monja no niasany, kanefa nampitovinao karama aminay nisasatra nandritra ny andro sady niaritra ny hafanana.

13 Dia novalian'ilay tompon'ny tanimboaloboka ny anankiray tamin'ireo ka nilazany hoe: Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy an-drariny aminao aho. Moa tsy denary anankiray ve no nifanekenao tamiko?

14 Raiso ny anao, dia mandehana; fa ilay nilatsaka farany dia tiako homena toraka ny anao koa.

15 Tsy azoko anaovana izay tiako ve ny fananako? Sa mialona ianao satria mazava fo aho?

16 Dia nofaranan'i Jesoa hoe: Dia toy izany, ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany!

17 Tamin'i Jesoa niakatra ho any Jerosalema dia nalainy nitokana ny mpianatra 12 lahy ka teny am-pandehanana no nilazany hoe:

18 Indro miakatra ho any Jerosalema isika. Ary ny Zanak'olona dia hatolotra an'ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalana ka hohelohiny ho faty;

19 ry zareo kosa hanolotra Azy amin'ny hafa firenena mba hoesoiny sy hokapohiny ary hohomboany amin'ny hazofijaliana. Kanefa hitsangana velona Izy amin'ny andro fahatelo.

20 Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa ny vadin'i Zebedeo mbamin'ireo zanany lahy. Sady niankohoka nanoloana Azy ravehivavy no nangata-javatra taminy.

21 Ka hoy i Jesoa tamin-dravehivavy: Inona no irinao? Dia novaliany hoe: Omeo teny ireto zanako roa lahy ireto fa hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, rehefa tonga mpanjaka Ianao.

22 Fa hoy i Jesoa: Tsy fantatrareo mirahalahy izay angatahinareo; vitanareo ve ny hiaritra fijaliana tahaka ny hiaretako? Dia novalian'izy mirahalahy hoe: Vitanay!

23 Ary hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy: Ny fijaliana hiaretako, dia hiaretanareo tokoa; fa izany hoe hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako izany kosa dia tsy miankina amiko, fa ho an'izay nanomanan'ny Raiko azy!

24 Nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin'i Jakoba sy i Johany.

25 Fa nantsoin'i Jesoa izy rehetra ka nilazany hoe: Fantatrareo fa, eo amin'ny hafa firenena, ny filoha dia manjakazaka; ary ny lehibe dia manampatra fahefana.

26 Tsy mba toy izany kosa eo aminareo; fa na iza na iza te ho lehibe eo aminareo dia ho mpanomponareo;

27 ary na iza na iza te ho voalohany eo aminareo dia ho mpiasanareo.

28 Dia tahaka ny Zanak'olona izany: tsy hotompoina manko no nahatongavany fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!

29 Nony niala tao Jerikao i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesoa.

30 Ary indreo nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana. Reny fa hoe i Jesoa no nandalo, ka niantsoantso mafy izy roa lahy nanao hoe: Ry Tompo, Zanak'i Davida o, mamindra fo aminay!

31 Norahonan'ny vahoaka izy roa lahy hangina, kanefa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe: Ry Tompo, Zanak'i Davida o, mamindra fo aminay!

32 Dia nijanona i Jesoa sady niantso azy roa lahy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?

33 Ary hoy ireo taminy: Tompo o, ny mba hampahiratra ny masonay!

34 Onena i Jesoa ary nikasika ny mason'ireto jamba. Dia nahiratra niaraka tamin'izay izy roa lahy, ka lasa nanaraka an'i Jesoa.

Toko faha-21

1 Ary nanakaiky an'i Jerosalema i Jesoa mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka tonga teo anilan'ny tanana Betifage, eo amin'ny tendrombohitra atao hoe Analanoliva. Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:

2 Mankanesa amin'itsy tanana manoloana anareo itsy. Vantany vao migadona ao ianareo, dia hahita boriky vavy mifatotra sy ny zanany miaraka aminy: vahao ilay boriky vavy dia ento aty amiko omban-janany.

3 Ary raha misy olona manontany anareo, dia valio hoe: Misy ilan'ny Tompo azy! Dia havelany hoentinareo miaraka amin'izay ny boriky vavy sy ny zanany.

4 Izany dia tonga mba ho tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe:

5 Izao lazaina amin'ny mponina ao Tsiona: Indro ny mpanjakanareo fa tonga eo aminareo, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky vavy dia boriky vavy omban-janany, zanaky ny mitondra zioga.

6 Dia nandeha ireto mpianatra ka nanao araka ny nandidian'i Jesoa azy.

7 Nentin'izy roa lahy ny boriky vavy omban-janany; ary ny mpianatra rehetra dia samy nametraka ny lambany teo ambonin'ny boriky vavy omban-janany, ka tambony lamba i Jesoa no nitaingina.

8 Be tokoa ny vahoaka namelatra ny lambany teny amin'ny lalan'i Jesoa; ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka no naparitany teny amin'ny lalan'i Jesoa.

9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe: Dera anie ho an'ny Zanak'i Davida! Hombam-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie Ilay avy! Dera anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra!

10 Ary nony efa tafiditra tao Jerosalema i Jesoa, dia nihotakotaka avokoa ny iray tanana ka nanontany hoe: Iza moa io lehilahy io?

11 Dia novalian'ny vahoaka hoe: Io no Jesoa mpaminany, Izay avy any Nazareta tananan'i Galilea!

12 Dia namantana tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo dia noroahiny avokoa, ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sezan'ireo mpivaro-boromahailala nazerany;

13 ary hoy i Jesoa tamin'ireo olona ireo: Izao no voalazan'ny Soratra Masina: Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana. Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren'ny mpangalatra!

14 Ary nisy jamba sy mandringa nanatona an'i Jesoa tao an-kianjan'ny tempoly ka dia nositraniny.

15 Fa tezitra mafy kosa ireo lohandoha-mpisorona sy ireo mpahay lalana nony nahita ny zava-mahagaga nataony sy nahita ny ankizy madinika niantsoantso tao an-kianjan'ny tempoly hoe: Dera anie ho an'ny Zanak'i Davida!

16 Ka hoy ry zareo tamin'i Jesoa: Renao ve izay lazain'ireo? Dia novaliany hoe: Eny, reko tokoa! Sady tsy mbola novakinareo ve ny andinin'ny Soratra Masina hoe: Ny vavan'ny ankizy madinika aman-jaza minono avy no nataonao hahazoan-dera?

17 Dia nilaozan'i Jesoa ry zareo; ary niala tao an-tanana Izy hankany Betania, ka nandry tany.

18 Dia niverina maraina ho any an-tanana i Jesoa ary nahatsiaro noana.

19 Nahatazana aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia lasa nankeo; kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy afa-tsy raviny fotsiny. Dia hoy i Jesoa tamin'ilay aviavy: Tsy hamoa intsony ianao na oviana na oviana! Ary vetivety foana dia maina ilay aviavy.

20 Gaga ny mpianatra nahita izany ka vaky vava hoe: Ahoana re no nahamaina vetivety io aviavy io?

21 Dia novalian'i Jesoa hoe: Izao no lazaiko marina aminareo; raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy izao nataoko tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hitenenanareo hoe: Miala eo ary mianjera any an-dranomasina, dia ho tonga izany.

22 Raha mino ianareo, na inona na inona hangatahinareo amin'ny fivavahana dia ho azonareo avokoa.

23 Nony tafiditra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa, dia nampianatra. Ary nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon'ny vahoaka jiosy ka nanontany Azy hoe: Fahefana ahoana moa no anaovanao an'izao? Ary iza no nanome anao izany fahefana izany?

24 Dia novalian'i Jesoa hoe: Izaho koa mba hanontany anareo zavatra anankiray monja; ka raha omenareo valiny Aho, dia holazaiko anareo koa ny fahefana anaovako an'izao zavatra izao.

25 Iza no naniraka an'i Johany hanao batisa, Andriamanitra sa olombelona? Dia velona ady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe: Raha lazaintsika hoe: Andriamanitra no naniraka azy, dia isika no hataony hoe: Koa nahoana no tsy ninoanareo i Johany?

26 Raha lazaintsika hoe: Olombelona no naniraka azy, dia ny vahoaka no atahorantsika satria nankatoavin'izy rehetra ho mpaminanin'Andriamanitra i Johany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9551