Matio

Toko faha-17

3 Ary indreo koa hitan'izy telo lahy i Mosesy sy i Elia niresaka tamin'i Jesoa.

4 Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa: Tompo o, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa raha sitrakao, dia hanao lay telo eto aho: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.

5 Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin'io rahona io nanao hoe: Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!

6 Nony nandre izany ireto mpianatra telo lahy, dia natahotra mafy ka lavo niankohoka tamin'ny tany.

7 Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy sady niteny hoe: Miarena! Aoka izay ny tahotra!

8 Dia niandrandra hijery izy telo lahy, ka tsy nahita olona afa-tsy i Jesoa irery ihany.

9 Tamin'izy efa-mianaka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen'i Jesoa azy telo lahy: Aza lazaina na amin'iza na amin'iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona ho velona avy any amin'ny maty.

10 Dia nanontany an'i Jesoa izy telo lahy nanao hoe: Nahoana ary no lazain'ny mpahay lalana fa tsy maintsy ho avy i Elia, alohan'ny hahatongavan'ny Mesia?

11 Ary novalian'i Jesoa hoe: Tsy maintsy ho avy i Elia hampody ny zavatra rehetra amin'ny laoniny.

12 Nefa izao no lazaiko aminareo: Efa tonga tokoa i Elia, saingy tsy fantatry ny olona sasany ka nanaovany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy; dia tahaka izany koa no hampijalian-dry zareo ny Zanak'olona.

13 Tamin'izay dia azon'ireto mpianatra telo lahy an-tsaina fa i Johany Mpanao batisa no voalazan'i Jesoa taminy.

14 Nony tafaverina teo amin'ny vahoaka ry i Jesoa efa-mianaka, dia nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesoa ary nandohalika teo anatrehany

15 sady nanao hoe: Tompo o, mamindra fo amin'ny zanako lahy! Mararin'ny androbe izy ka mijaly tokoa, fa matetika mianjera any anaty afo na any anaty rano.

16 Efa nentiko teo amin'ireo mpianatrao, saingy tsy nahasitrana azy ry zareo.

17 Dia hoy i Jesoa: Karazan'olona tsy mino sady be siasia ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento aty amiko ny zaza!

18 Dia notenenin'i Jesoa mafy ny demony ka niala tamin'ilay zaza; ary sitrana razazalahy nanomboka hatramin'io ora io.

19 Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa manokana ireto mpianatra ka nanontany Azy hoe: Nahoana izahay no tsy naharoaka iny demony iny?

20 Dia hoy i Jesoa taminy: Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindra ery, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.

21 Iny karazan-demony iny anefa dia tsy tafavoaka, raha tsy amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina.]

22 Raha mbola tafaraka tany Galilea ry i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy: Efa hatolotra eo an-tanan'ny olona ny Zanak'olona

23 ka hovonoiny ho faty, ary hitsangana velona amin'ny andro fahatelo. Dia nalahelo mafy ireo mpianatra.

24 Nony tonga tao Kafarnahoma i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia nanatona an'i Petera ireo mpandray ny denary anankiroa hetran'ny tempoly, ary nanontany azy hoe: Moa tsy mandoa ny denary anankiroa hetran'ny tempoly ve ny Mpampianatrareo?

25 Dia novalian'i Petera hoe: Mandoa izany Izy! Vao niditra tao an-trano i Petera, dia notsenain'i Jesoa nilazany hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Iza no andraisan'ny mpanjaka ety an-tany fadintseranana sy hetra, ny ankohonany sa ny olon-kafa?

26 Dia novalian'i Petera hoe: Ny olon-kafa! Ary hoy i Jesoa taminy: Raha izany ary, dia afaka ny ankohonany.

27 Kanefa aoka isika tsy hanao izay hampisafoaka ireo olona ireo! Noho izany, ndeha ianao manjono eny am-parihy, dia raiso izay trondro voalohany azonao; ary sokafy ny vavany fa hahitanao vola mitetina denary efatra. Ento izany ka omeo ireo olona ireo hanefana ny hetrako sy ny anao!

Toko faha-18

1 Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa ny mpianatra ka nanontany Azy hoe; Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra?

2 Dia niantso zazakely i Jesoa napetrany teo afovoan'izy rehetra

3 ka hoy Izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra mihitsy ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra.

4 Koa izay hanetry tena tahaka ity zazakely ity no ho lehibe indrindra ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra.

5 Ary na iza na iza handray zazakely anankiray tahaka ity amin'ny anarako dia Izaho no raisiny.

6 Na iza na iza mitarika ny anankiray amin'itony madinika mino Ahy itony hanao ratsy, dia aleo izy anantonana vatobe fikoseham-bary eo amin'ny vozony, ka halentika any anaty ranomasina mangitsokitsoka.

7 Tataovan-doza izao tontolo izao satria betsaka ny toe-javatra mitarika amin'ny ratsy! Eny, tsy maintsy hisy ny toe-javatra mitarika amin'ny ratsy, kanefa mampalahelo izay olona hahatonga izany!

8 Raha mitarika anao amin'ny ratsy ny tananao ila na ny tongotrao ila, dia tapaho ka ario lavitra anao; fa aleo ianao tokan-tanana na tokan-tongotra nefa tafiditra any amin'ny fiainana toy izay ary tanan-droa na tongotra roa nefa atsipy any amin'ny afo maharitra mandrakizay.

9 Ary raha mitarika anao amin'ny ratsy ny masonao ila, dia esory ka ario lavitra anao; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin'ny fiainana toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin'ny lohasahan'afo.

10 Tandremo fandrao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin'itony madinika itony aza. Eny, lazaiko aminareo fa ny anjelin'izy ireny, any an-danitra, dia manatrika lalandava ny Raiko Izay any an-danitra.

11 [Satria ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'olona.]

12 Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato ka mania ny anankiray, moa tsy hamela ny 99 eo an-tampon-kavoana ve izy ary hiezaka hitady ilay nania?

13 Ary raha tahiny ilay nania ka hitan'ny tompony, dia lazaiko marina aminareo fa hifaliany bebe kokoa noho ny 99 tsy nania.

14 Toy izany koa, tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin'itony madinika itony aza!

15 Raha diso taminao ny havana iray finoana, dia hatony; ary ianao sy izy mitokana iny no asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny havanao.

16 Fa raha tsy mihaino anao izy, dia maka olona iray na roa hiaraka aminao mba hitombenan'ny raharaha rehetra noho ny tenin'ny vavolombelona roa na telo, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.

17 Fa raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin'ny iray Fiangonana; ary raha tsy mihaino ny iray Fiangonana koa izy, dia ataovy toy ny hafa firenena sy toy ny mpamory hetra.

18 Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo ety an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.

19 Lazaiko marina aminareo koa fa raha misy roa aminareo mifanaiky ety an-tany fa hangataka zavatra na inona na inona am-bavaka, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany.

20 Satria na aiza na aiza iangonan'olona roa na telo amin'ny anarako, dia eo afovoany Aho.

21 Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa i Petera ka nanontany Azy hoe: Tompo o, impiry moa aho no tokony hamela ny havana iray finoana raha diso amiko izy? Hatramin'ny impito ve?

22 Dia hoy i Jesoa taminy: Tsy hatramin'ny impito ihany no lazaiko aminao fa hatramin'ny impitopolo impito!

23 Koa amin'izany, ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny amin'ny mpanjaka anankiray izay te hampamoaka ireo mpanompony momba ny kaontim-bolany.

24 Raha vao natomboka ny fampamoahana, dia nentina teo anatrehan'ny mpanjaka ity mpanompo izay nananany trosa denary enimpolo tapitrisa.

25 Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain'ny tompony hamidy ho andevo ny tenan'ilay mpanompo mbamin'ny vady aman-janany ary hamidy koa ny fananany rehetra, mba handoavana ny trosa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9486