Matio
Toko faha-22
31 Ary momba ny hoe fitsanganan'ny maty ho velona, moa tsy novakinareo ao amin'ny bokin'i Mosesy ve ilay voalazan'Andriamanitra taminareo hoe:32 Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, sy Andriamanitr'i Itsehaka ary Andriamanitr'i Jakoba? Tsy Andriamanitry ny maty Izy fa Andriamanitry ny velona.
33 Gaga dia gaga ny vahoaka nony nandre izany fampianaran'i Jesoa izany.
34 Vao ren'ny Farisianina fa nataon'i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Tsadoseanina, dia vory teo amin'io toerana io ry zareo.
35 Ary mpahay lalana ny anankiray tamin'ireto Farisianina, ka mba hamandrihany an'i Jesoa no nanontaniany Azy hoe:
36 Mpampianatra o, inona no didy lehibe indrindra ao amin'ny lalana?
37 Dia hoy i Jesoa taminy: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, amin'ny fanahinao manontolo, ary amin'ny sainao manontolo.
38 Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany.
39 Ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany, dia izao: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.
40 Ireo didy anankiroa ireo no ifaharan'ny lalanan'i Mosesy manontolo sy ny fampianaran'ny mpaminany.
41 Raha mbola vory teo iny kosa ny Farisianina, dia nanontany azy ireo i Jesoa
42 nanao hoe: Ahoana no hevitrareo ny amin'ny Mesia, Zanak'iza moa Izy? Dia novalian'ireo hoe: Zanak'i Davida!
43 Ary hoy i Jesoa taminy: Nahoana ary i Davida, rehefa nohazavain'ny Fanahy Masina, no miantso ny Mesia hoe: Tompoko? Fa izao no tenin'i Davida:
44 Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin'ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin'ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!
45 Koa raha i Davida ary miantso ny Mesia hoe Tompoko, ahoana no maha Zanany Azy?
46 Dia tsy nisy nahavaly an'i Jesoa na dia teny iray akory aza ry zareo; ary nanomboka hatramin'io andro io dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
Toko faha-23
1 Tamin'izay dia niteny tamin'ny vahoaka sy ny mpianany i Jesoa2 nanao hoe: Nomena fahefana hivaofy ny lalanan'i Mosesy ny mpahay lalana sy ny Farisianina.
3 Koa amin'izany, ataovy sy araho izay rehetra lazainy; fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny ry zareo fa tsy manao.
4 Entam-be sady tsy zaka no feheziny ka atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa na dia ny rantsan-tanan-dry zareo aza tsy tiany hanetsika izany.
5 Ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny olona; ka dia lehibe ny azy ny boaty mirakitra tenin'ny lalana fitondra eny an-kandrina na eny an-tsandry, ary vaventy ny somotraviavy eny amin'ny lambany.
6 Ny ankamamiany dia ny maka ny toeram-boninahitra amin'ny fanasana sy ny mipetraka eny aloha ao amin'ny sinagoga
7 ary ny arahabaina eny an-kianja sy ny antsoin'ny olona hoe Raby na hoe Mpampianatra.
8 Ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby na hoe Mpampianatra, satria iray ihany no Mpampianatra anareo ary mpiray tampo avokoa ianareo rehetra.
9 Ary aza miantso olona ety an-tany hoe Rainareo fa iray ihany no Rainareo, dia Ilay any an-danitra.
10 Ary aza mba mety hantsoina hoe Mpitarika fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia ny Mesia.
11 Izay lehibe kokoa aminareo no ho mpanomponareo.
12 Fa izay hanandra-tena dia haetry; ary izay hanetry tena dia hasandratra.
13 Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalana sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan'ny olona ny vavahady mankao amin'ny Fanjakan'ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra.
14 Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalana sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa tapitrareo ny fananan'ny mpitondratena ary vavaka lavareny no mody ataonareo hisehosehoana; noho izany, dia hohelohina mafimafy kokoa ianareo.]
15 Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalana sy Farisianina! Fa tetezinareo ny tany sy ny ranomasina mba hahazoanareo olona hafa firenena iray monja hanaraka ny fivavahanareo; ary rehefa manaraka ny fivavahanareo izy, dia ataonareo mendrika ny lohasahan'afo indroa mihoatra anareo.
16 Mampalahelo ianareo, ry mpitari-dalana jamba! Fa hoy ianareo hoe: Raha misy mianiana amin'ny Toeramasina, dia tsy voafehin'ny fianianany velively; fa raha misy mianiana amin'ny volamena raketin'ny Toeramasina, dia voafehin'ny fianianany.
17 Tsy misaina sady jamba ianareo! Inona no mendri-kaja kokoa, ny volamena sa ny Toeramasina izay mahamasina ny volamena?
18 Ary hoy koa ianareo hoe: Raha misy mianiana amin'ny alitara, dia tsy voafehin'ny fianianany velively; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo ambony alitara, dia voafehin'ny fianianany.
19 Tsy misaina sady jamba ianareo! Inona no mendri-kaja kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
20 Koa amin'izany, izay mianiana amin'ny alitara dia mianiana amin'ny alitara sy amin'izay rehetra eo amboniny;
21 ary izay mianiana amin'ny Toeramasina dia mianiana amin'ny Toeramasina sy amin'Andriamanitra Izay monina ao;
22 ary izay mianiana amin'ny lanitra dia mianiana amin'ny sezafiandrianan'Andriamanitra sy amin'Andriamanitra Izay mipetraka eo.
23 Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalana sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa voaloanareo ny ampahafolon'ny ana-madinika toy ny karaotimanitra sy ny solila ary ny komina; nefa navelanareo ny zavatra mavesa-danja kokoa ao amin'ny lalana, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny hitsimpo; ireto indrindra no tsy maintsy tontosaina, na tsy azo avela aza ireroa!
24 Ry mpitari-dalana jamba, tantavaninareo ny moka amin'ny zava-pisotronareo, nefa ny rameva atelinareo.
25 Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalana sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny vohon'ny kaopy sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno ireo vokatry ny halatrareo sy ny tsy fahalalanareo onona.
26 Ianao, ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin'ny kaopy sy ny lovia, ary dia hanjary madio koa ny vohony.
27 Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalana sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo ka madio eto ivelany nefa ao anatiny feno taolam-paty sy henika fahalovana.
28 Toy izany koa ianareo: eto ivelany miseho ho marina imason'ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy fandikan-dalana.
29 Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalana sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa amboarinareo ny fasan'ny mpaminanin'Andriamanitra ary ravahanareo rarivato ny fasan'ny olo-marina,
30 ka hoy ianareo hoe: Raha velona tamin'ny andron'ny razanay izahay, dia tsy ho niray tetika taminy handatsa-dra ny mpaminanin'Andriamanitra.
31 Koa ny tenanareo no vavolombelona fa taranak'ireo mpamono ny mpaminany ianareo;
32 ary dia tohizo hatramin'ny farany izay efa natomboky ny razanareo!
33 Ry bibilava, tarana-menarana, hataonareo ahoana no fandositra tsy ho voaheloka any amin'ny lohasahan'afo?
34 Noho izany, indro Aho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpahay lalana ho aty aminareo; ka ny sasany amin'ireny hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazofijaliana, ary ny sasany hokapohinareo any amin'ny sinagoganareo sy hoenjehinareo isan-tanana.