Matio
Toko faha-15
20 Izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana tsy misasa tanana, tsy mba mahaloto ny olona.21 Dia niala teo i Jesoa ary nankany amin'ny faritanin'i Tiro sy i Sidona.
22 Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin'izany faritany izany, tonga teo amin'i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe: Mamindra fo amiko, ry Tompo, Zanak'i Davida o; fa ampahorin'ny demony mafy loatra ny zanako vavy!
23 Tsy namaly teny azy i Jesoa, ka nohatonin'ny mpianany ary nangatahany hoe: Omeo an-dramatoa io izay tadiaviny, satria miantsoantso mafy manjohy antsika izy.
24 Fa novalian'i Jesoa hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy amin'ireo ondry very, dia ny vahoaka Israely!
25 Tonga niankohoka teo anatrehan'i Jesoa anefa ravehivavy ka nanao hoe: Tompo o, ampio re aho!
26 Dia novalian'i Jesoa hoe: Tsy mety raha mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an'ny amboakely.
27 Fa hoy kosa ravehivavy: Marina izany, Tompoko, kanefa na ny amboakely aza dia mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.
28 Tamin'izay dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe: Lehibe ny finoanao, ramatoa; aoka ho tonga aminao araka izay irinao. Ary nanomboka tamin'io ora io dia sitrana ilay zanany vavy.
29 Niainga avy teo i Jesoa dia lasa nankany amoron'ny farihin'i Galilea, ary niakatra nankeo an-tendrombohitra ka nipetraka teo.
30 Ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy sady nitondra ny mandringa, ny jamba, ny kilemaina, ny moana, mbamin'ny maro hafa koa; napetraka teo an-tongotr'i Jesoa ireo marary ireo ka nositraniny.
31 Gaga ny vahoaka raha nahita ny moana niteny, ny kilemaina nanjary tomady, ny mandringa nandeha tsara sy ny jamba nahiratra, ka dia nanome voninahitra an'ilay Andriamanitr'i Israely.
32 Dia nantsoin'i Jesoa ny mpianany hankeo aminy ka nilazany hoe: Mahonena Ahy ireto vahoaka, satria efa telo andro izao no teto amiko, ka tsy manan-kohanina intsony; ary tsy tiako halefa mody tsy misakafo, fandrao reraka eny an-dalana.
33 Dia hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitantsika mofo hahavoky vahoaka be toy izao aty an-taniefitra aty?
34 Hoy kosa i Jesoa tamin'ny mpianany: Misy mofo firy any aminareo? Dia novaliany hoe: Fito, ary koa trondro madinika vitsivitsy!
35 Dia nasain'i Jesoa nipetraka tamin'ny tany ireto vahoaka.
36 Ary noraisin'i Jesoa ny mofo fito sy ny trondro; ka rehefa avy nisaotra an'Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy ny trondro ary nanome azy ny mpianatra; ny mpianatra kosa nandroso izany tamin'ny vahoaka.
37 Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nangonina ny tapa-mofo aman-trondro ambiny ka nahafeno harona fito.
38 Nefa dia efatra arivo ny vatan-dehilahy nihinana teo, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
39 Dia nalefan'i Jesoa hody ny vahoaka. Avy eo niondrana an-tsambokely Izy ary lasa nankany amin'ny faritany atao hoe Magadana.
Toko faha-16
1 Dia nohatonin'ny Farisianina sy ny Tsadoseanina i Jesoa. Te hamandrika Azy ry zareo ka nangataka Azy hanao famantarana ho porofo fa avy amin'Andriamanitra ny fahefany.2 Izao kosa no tenin'i Jesoa taminy: [ Nony hariva ny andro, dia hoy ianareo hoe: Ho tsara ny andro fa mena midorehitra ny lanitra.
3 Ary nony maraina ny andro, dia hoy ianareo hoe: Ho ratsy ny andro anio fa mena antitra ny lanitra. Hainareo vinavinaina ny toetoetry ny lanitra, ka tsy hainareo vinavinaina ve ireo famantarana momba izao andro diavintsika izao?]
4 Ratsy fanahy sady mpivadika amin'Andriamanitra ny olona ankehitriny: fatra-pitady famantarana nefa tsy homena famantarana afa-tsy ilay momba an'i Jona mpaminany! Dia nandao azy ireo i Jesoa ka lasa nandeha.
5 Raha niainga hiampita ny rano ireo mpianatra, dia nanadino ny nitondra mofo;
6 ary hoy i Jesoa taminy: Mba malina ka mitandrema tsy ho voan'ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina.
7 Fa iretsy mpianany kosa niady hevitra nifampilaza hoe: Noho isika tsy nitondra mofo angaha izany!
8 Tsikaritr'i Jesoa izany ka hoy Izy: Ry kely finoana, nahoana ianareo no miady hevitra ny amin'ny tsy nitondranareo mofo?
9 Mbola tsy takatrareo foana ve? Tsy tsaroanareo ve ny mofo dimy ho an'ny vatan-dehilahy dimy arivo ary ny hamaroan'ireo sobika feno nentinareo nody?
10 Tsy tsaroanareo ve ny mofo fito ho an'ny vatan-dehilahy efatra arivo ary ny hamaroan'ireo harona feno nentinareo nody?
11 Ka ahoana no tsy ahatakaranareo fa tsy mofo no tiako hambara, fony Izaho nilaza taminareo hoe: Mitandrema tsy ho voan'ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina?
12 Izay vao azon'ny mpianatra fa tsy ny leviora fampiasa amin'ny mofo no nasain'i Jesoa hitandremany tena fa ny fampianaran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina.
13 Dia lasa nankany amin'ny faritany manodidina ny tanana atao hoe Kesaria-Filipo ry i Jesoa; ary nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: Iza moa ny Zanak'olona, araka ny filazan'ny olona Azy?
14 Dia novalian'ny mpianany hoe: Misy manao hoe i Johany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elia; ary ny hafa indray manao hoe i Jeremia na anankiray amin'ireo mpaminanin'Andriamanitra. Ary hoy i Jesoa taminy:
15 Fa ianareo kosa, Iza moa Aho aminareo?
16 Dia novalian'i Simona Petera hoe: Ianao no ilay Mesia, ny Zanak'ilay Andriamanitra velona!
17 Ary niteny tamin'i Petera i Jesoa nanao hoe: Sambatra ianao, ry Simona zanakalahin'i Jona, satria tsy olombelona nofo aman-dra no nanambara izany taminao fa ny Raiko Izay any an-danitra.
18 Izaho koa milaza aminao fa ianao no Vato, ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako; ary ny herin'ny fahafatesana tsy hahatohitra ny Fiangonako.
19 Homeko anao ny fanalahidin'ny Fanjakan'ny lanitra: ka na inona na inona hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanao ety an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.
20 Tamin'izay dia nofeperan'i Jesoa ny mpianany mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza fa hoe Izy no ilay Mesia.
21 Hatramin'io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin'ny mpianany hoe: Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon'ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalana mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin'ny andro fahatelo.
22 Fa i Petera kosa nitondra an'i Jesoa hihataka kely sady niteny Azy mafy hoe: Sanatria aminao izany, ry Tompo! Tsy hihatra aminao velively izany!
23 Dia nitodika i Jesoa ary nanao tamin'i Petera hoe: Miala amiko, ry Satana! Ndeha atsy aoriako! Mitarika Ahy amin'ny ratsy ianao, satria tsy hevitr'Andriamanitra no ao an-tsainao fa hevitr'olombelona.
24 Avy eo dia hoy i Jesoa tamin'ireo mpianany: Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.
25 Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy noho ny fitiavany Ahy kosa no hahavonjy azy.
26 Fa inona no soa azon'ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? Ary inona no azon'ny olona omena ho takalon'ny ainy?
27 Eny, rahatrizay ny Zanak'olona ho avy omban'ny voninahitra homen'ny Rainy sady otronin'ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan'olona.
28 Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin'izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak'olona tonga amin'ny maha mpanjaka Azy.
Toko faha-17
1 Enina andro taorian'izay, dia nalain'i Jesoa niaraka taminy ry i Petera mbamin-dry i Jakoba sy i Johany mirahalahy, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray.2 Dia niova tarehy teo anatrehan'izy telo lahy i Jesoa: namirapiratra tahaka ny masoandro ny tavany ary tonga fotsy tahaka ny hazavana ny fitafiany.