Matio
Toko faha-14
6 Nony tonga anefa ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehan'ny olona nasaina ny zanakavavin'i Herodiada ka nahafaly an'i Heroda.7 Noho izany, dia niozonozona mihitsy ity mpanjaka fa hanome an-drazazavavy ny zavatra hangatahiny na inona na inona.
8 Rehefa nomen-dreniny hevitra razazavavy, dia niteny hoe: Omeo ahy etoana an-dovia ny lohan'i Johany Mpanao batisa!
9 Nalahelo ny mpanjaka; saingy noho izy niozonozona teo anatrehan'ny olona niara-nisakafo taminy, dia nasainy homena an-drazazavavy izany.
10 Ary naniraka olona i Heroda hanapa-doha an'i Johany tany am-ponja.
11 Dia nentina an-dovia ny lohan'i Johany; ka nomena an-drazazavavy, ary nentina tany amin-dreniny.
12 Tonga kosa ny mpianatr'i Johany, ka naka ny faty sy nandevina azy, ary lasa nilaza tamin'i Jesoa ny zava-nitranga.
13 Nony nahare izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambokely mba hitokana any an-taniefitra. Vao nandre ny foto-dian'i Jesoa ny vahoaka, dia niainga avy amin'ny tanana samihafa ka nizotra ny moron-drano nanaraka Azy.
14 Rehefa nidina avy ao an-tsambokely i Jesoa, dia nahita vahoaka marobe, ka onena azy ka nanasitrana ny marary teo aminy.
15 Nony hariva ny andro, dia nanatona an'i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: Taniefitra ity toerana ity ary ny andro efa hariva; koa ravao ny vahoaka mba hamonjy tanana hividy sakafo.
16 Fa novalian'i Jesoa hoe: Tsy tokony handeha izy; ianareo no aoka hanome hanina azy.
17 Dia hoy ny mpianatra taminy: Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa aty aminay.
18 Ary hoy i Jesoa: Ento aty amiko izany.
19 Dia nasain'i Jesoa nipetraka teny amin'ny ahitra ny vahoaka. Noraisin'i Jesoa tamin'izay ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra ka nisaotra an'Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianatra; ny mpianatra kosa nandroso izany tamin'ny vahoaka.
20 Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nentin'ireo mpianatra ny tapa-mofo aman-trondro ambiny ka nahafeno sobika 12.
21 Nefa dia tokony ho dimy arivo ny vatan-dehilahy nihinana teo, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
22 Vetivety foana taorian'izay, dia noteren'i Jesoa hiditra tao an-tsambokely ireo mpianatra ary nasainy hialoha Azy eny ampita; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody.
23 Rehefa avy nandefa ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka. Nony maizina ny andro, dia i Jesoa irery sisa teo.
24 Ny sambokely tamin'izay dia efa kilaometatra vitsivitsy avy eny amorona ary natopatopan'ny alon-drano, satria notohain'ny rivotra.
25 Ary tamin'ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony rano.
26 Kanjo nahatazana an'i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ka raiki-tahotra sady nanao hoe: Matoatoa io! Niantsoantso mafy ny mpianatra noho ny tahotra.
27 Avy hatrany anefa dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe: Mahereza, fa Izaho ity; aoka izay ny tahotra!
28 Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa: Tompo o, raha Ianao tokoa, dia asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho.
29 Dia novalian'i Jesoa hoe: Avia! Ary niala tao an-tsambokely i Petera ka nandeha teny ambony rano hankeny amin'i Jesoa.
30 Kanjo nony hitan'i Petera fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary raha nanomboka nilentika izy, dia niantsoantso mafy hoe: Tompo o, vonjeo aho!
31 Avy hatrany i Jesoa dia nanatsotra tanana ka nandray an'i Petera ary nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?
32 Ary rehefa tafakatra tao an-tsambokely i Jesoa sy i Petera, dia nitsahatra ny rivotra.
33 Ry zareo tao an-tsambokely kosa niankohoka teo anatrehan'i Jesoa sady niteny hoe: Tena Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao!
34 Nony tafita ny rano i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia tonga teo amin'ny faritanin'i Genesareta.
35 Nahafantatra an'i Jesoa ny tompon-tany tao, ka nandefa iraka teny amin'ny tany rehetra manodidina hilaza ny fahatongavany; ary dia nentin'ny olona teo amin'i Jesoa ny marary rehetra.
36 Niangavian'ny olona Izy mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary izay rehetra nikasika dia sitrana avokoa.
Toko faha-15
1 Tamin'izay dia nisy Farisianina sy mpahay lalana avy tany Jerosalema, nanatona an'i Jesoa ary nanontany Azy hoe:2 Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fomba amam-panao nampitain'ny razantsika? Tsy mba manasa tanana araka ny fomba ara-pivavahana manko ny mpianatrao raha hihinan-kanina!
3 Dia novalian'i Jesoa hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra mba hifikiranareo amin'ny fomba amam-panaonareo?
4 Fa hoy Andriamanitra hoe: Hajao ny rainao sy ny reninao, ary koa hoe: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia aoka hovonoin-ko faty.
5 Ianareo kosa manao hoe: Na iza na iza hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa nataoko fanatitra ho an'Andriamanitra ny zavatra tokony hanasoavako anao,
6 dia tsy mahazo manolotra mari-panajana ho an'ny rainy na ny reniny intsony. Koa ny fomba amam-panaonareo no nanafoananareo ny tenin'Andriamanitra.
7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina tokoa ny naminanian'i Isaia anareo hoe:
8 Ity vahoaka ity, hoy Andriamanitra, tendro-molotra no anajany Ahy fa ny fony kosa lavitra Ahy mihitsy;
9 ka poaka aty ny fivavahana ataony amiko, satria didin'olombelona no ambarany ho fampianarako.
10 Dia nantsoin'i Jesoa hankeo aminy kosa ny vahoaka sady nilazany hoe: Mihainoa ka mahafantara:
11 Tsy izay miditra ao ambavan'ny olona no mahaloto azy; fa izay aloaky ny vavan'ny olona no mahaloto azy.
12 Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa ny mpianany, ka nanao taminy hoe: Fantatrao ve fa tezitra mafy ny Farisianina raha nandre izany teny izany?
13 Fa novalian'i Jesoa hoe: Ny voly rehetra tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.
14 Avelao any ireo, fa jamba mitantana jamba; ary raha misy jamba mifampitantana, dia hifamarina an-kady.
15 Dia niteny i Petera ka nanao taminy hoe: Hazavao aminay ny hevitr'ilay fanoharana teo.
16 Dia hoy i Jesoa: Ianareo koa ve tsy mahafantatra mandrak'izao?
17 Tsy takatrareo ve fa izay rehetra miditra ao am-bava dia lasa any an-kibo ka alefa any amin'ny fanariana azy.
18 Fa izay aloaky ny vava kosa dia mipoitra avy ao am-po, ary izany no mahaloto ny olona.
19 Satria avy ao am-pon'ny olona no ipoiran'ny sain-dratsy mahatonga azy hamono olona, haka vadin'olona, hijangajanga, hangalatra, hanao vavolombelona tsy marina, ary hanao vava ratsy.