Matio
Toko faha-10
36 koa ny ankohonan'ny olona ihany no ho fahavalony.37 Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy.
38 Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy miaraka amiko dia tsy mendrika Ahy.
39 Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay mahafoy ny ainy noho ny fitiavana Ahy no hahavonjy azy.
40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.
41 Izay mandray mpaminanin'Andriamanitra noho izy mpaminanin'Andriamanitra dia hahazo valisoana mpaminanin'Andriamanitra; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina dia hahazo valisoan'olo-marina;
42 ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran'ny kaopy ihany aza, hosotroin'ny anankiray amin'ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.
Toko faha-11
1 Nony vitan'i Jesoa ny hafatrafatra ho an'ireo mpianany 12 lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin'ny tananan-dry zareo Jiosy.2 Ren'i Johany Mpanao batisa tao am-ponja ny asa nataon'i Jesoa, ka nisy nirahin'i Johany ny mpianany
3 hanontany azy hoe: Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?
4 Dia hoy i Jesoa namaly ireto iraka: Ndeha ambarao an'i Johany ny zavatra hitanareo sy renareo:
5 mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra.
6 Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!
7 Nony lasa ireto iraka, dia niteny momba an'i Johany tamin'ny vahoaka i Jesoa nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-taniefitra? Volotara hetsiketsehin-drivotra ve? Tsia!
8 Fa hizaha inona ary no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana dia any amin'ny lapan'ny mpanjaka!
9 Koa hizaha inona ary no nalehanareo tany? Mpaminany ve? Izany tokoa, hoy Aho aminareo, ary mihoatra noho ny mpaminany aza.
10 Fa i Johany no ilay voalazan'ny Soratra Masina hoe: Indro alefako hialoha Anao ny irako, hoy Andriamanitra, mba hamboatra ny lalan-kalehanao!
11 Tsy mbola nisy lehibe noho i Johany tamin'ny olombelona rehetra; kanefa lazaiko marina aminareo fa izay kely indrindra ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy.
12 Hatramin'ny andro nitorian'i Johany Mpanao batisa no mankaty, ny Fanjakan'ny lanitra dia toherina amin'ny alalan'ny herisetra ka ny mpanao herisetra no mitady handrombaka azy.
13 Eny, ny mpaminany rehetra sy ny lalanan'i Mosesy ka miafara amin'ny andron'i Johany dia nanambara mialoha ny Fanjakan'ny lanitra.
14 Ary raha mety mandray ianareo, dia i Johany no Elia voalaza fa ho avy.
15 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!
16 Iza no hanoharako ny olona ankehitriny? Tahaka ny ankizy mipetra-potsiny eny an-kianja ka omen'ny namany tsiny hoe:
17 Ianareo itsofany sodina, tsy mandihy; ianareo anaovanay hira fisaonana, tsy mitomany!
18 Fa tonga i Johany Mpanao batisa, tsy mihinana sady tsy misotro, nefa lazaina hoe: Ondranondranana!
19 Tonga indray ny Zanak'olona, mihinana sy misotro, nefa lazaina hoe: Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota! Andriamanitra kosa, araka ny fahendreny, dia asehon'ny asany ho marina.
20 Tamin'izay i Jesoa dia niteny mafy ireo tanana nahavitana ny ankamaroan'ny asa mahagaga nataony, satria tsy niala tamin'ny toetra ratsiny ireo mponina ao aminy; ka hoy i Jesoa:
21 Mampalahelo ianao, ry Korazina! Mampalahelo ianao, ry Betsaida! Raha i Tiro sy i Sidona no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminareo, dia efa ela ireo no nitafy lamba fisaonana ary nihosin-davenona hanambarany fa nialany ny toetra ratsiny.
22 Ka hoy Aho aminareo hoe: amin'ny andro fitsarana, dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Tiro sy i Sidona noho ny hihatra amin'i Korazina sy i Betsaida!
23 Ary ianao, ry Kafarnahoma, heverinao ve fa hasandratra hatrany an-danitra ianao? Tsia, haetry hatrany amin'ny toeran'ny maty ianao! Raha i Sodoma manko no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminao, dia ho naharitra mandraka androany izany tanana izany.
24 Ka hoy Aho aminareo hoe: amin'ny andro fitsarana dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Sodoma noho ny hihatra amin'i Kafarnahoma!
25 Tamin'izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe: Ray o, Tompon'ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin'ny madinika.
26 Eny, Ray o, izany tokoa no sitrakao!
27 Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala tsara ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin'izay tian'ny Zanaka hanehoana azy!
28 Mankanesa aty amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran'ny lalana, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo.
29 Raiso ny fampianarako ary mianara amiko fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; ary dia hahita fialan-tsasatra ao anatinareo ianareo.
30 Eny, mora raisina ny fampianarako ary mora arahina ny lalanako.
Toko faha-12
1 Taoriana kelin'izany, dia nandeha namaky tanimbary tamin'ny andro sabata ry i Jesoa. Noana ireto mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana.2 Nahita izany ny Farisianina ka nanao tamin'i Jesoa hoe: Jereo ny mpianatrao fa manao zavatra tsy fanao amin'ny andro sabata!
3 Dia novalian'i Jesoa hoe: Tsy novakinareo tao amin'ny Soratra Masina angaha izay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'ireo olona niaraka taminy?
4 Niditra tao an-tranon'Andriamanitra ry i Davida, ka nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan'Andriamanitra izy mbamin'ny olona niaraka taminy; kanefa izany mofo izany tsy azon'izy ireo hanina fa natao ho an'ny mpisorona irery ihany!
5 Sa tsy novakinareo tao amin'ny lalanan'i Mosesy angaha fa amin'ny andro sabata dia mandika ny fepetran'ny sabata ireo mpisorona manao fanompoana ao an-tempoly, kanefa tsy manan-tsiny?
6 Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
7 Raha fantatrareo ny dikan'ity tenin'ny Soratra Masina ity hoe: Ny hamindranareo fo amin'ny namana no sitrako, hoy Andriamanitra, fa tsy ny hanateranareo sorona, dia tsy hanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.
8 Eny, ananan'ny Zanak'olona fahefana ny sabata.
9 Nony niala teo i Jesoa, dia niditra tao amin'ny sinagogan-dry zareo Jiosy.
10 Nisy lehilahy maty tanana anila tao; ary te hiampanga an'i Jesoa ny olona ka nanontany Azy hoe: Azo atao ve ny manasitrana amin'ny andro sabata?
11 Dia hoy i Jesoa taminy: Aoka hatao hoe misy tsy manana afa-tsy ondry anankiray monja aminareo. Raha sendra latsaka any an-kady amin'ny andro sabata ilay ondry, moa tsy handeha ve ny tompony haka sy hanatsoaka azy tao androtr'iny ihany?
12 Mihoatra lavitra noho ny ondry anefa ny olona; koa amin'izany, azo atao ny manao soa olona amin'ny andro sabata.
13 Tamin'izay i Jesoa dia niteny tamin-dralehilahy hoe: Atsory ny tananao! Dia natsotran'ilay marary ny tanany ka sitrana, nanjary salama tahaka ny ilany.