Matio

Toko faha-6

21 Fa izay misy ny harenao no hisy ny fonao koa.

22 Ny maso no toy ny jiron'ny tena: koa amin'izany raha mahiratra ny masonao, dia mazava ny tenanao manontolo;

23 raha jamba kosa ny masonao, dia maizina ny tenanao manontolo. Eny, raha maizina ilay fahazavana ao anatinao, dia vao mainka haizim-pito no hisy anao!

24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; satria na ny anankiray ho halany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an'Andriamanitra no manompo ny harena.

25 Noho izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin'ny hanina sy fisotro izay tohan'ainareo, na ny amin'ny fitafiana izay ilain'ny tenanareo; moa tsy mihoatra ny hanina ve ny aina, ary tsy mihoatra ny fitafiana ve ny tena?

26 Jereo ange ny voro-manidina: tsy mamafy na mijinja na manangona an-tsompitra manko izy ireny, kanefa fahanan'ny Rainareo Izay any an-danitra. Moa tsy sarobidy lavitra noho ireny ve ianareo?

27 Fa iza aminareo, na dia be fanahiana toy inona aza, no mahay manalava kely monja ny andro iainany?

28 Ary ahoana no anahianareo ny amin'ny fitafiana? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo eny an-tsaha:

29 tsy misasatra na mamoly izy ireny, kanefa lazaiko aminareo fa na i Salomona, teo amin'ny voninahiny rehetra aza, dia tsy tsara fitafiana tahaka ny anankiray amin'izy ireny.

30 Tafin'Andriamanitra toy izany ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa atsipy any am-patana rahampitso; tsy mainka ve ianareo no hampitafiny, ry kely finoana?

31 Noho izany, aza manahy ianareo ka manao hoe: inona no hohaninay? na hoe: inona no hosotroinay? na hoe: inona no hitafianay?

32 Ireo mpanompo sampy manko no fatra-pikatsaka ireny rehetra ireny; fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra kosa fa ilainareo avokoa izany.

33 Nefa katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny hanao ny marina nosoritany, dia homeny anareo ho fanampiny ireny rehetra ireny.

34 Noho izany, aza manahy ny ho ampitso ianareo; satria ny ampitso hanahy ny ho azy, fa ampy ho an'ny andro anio ny fahoriana mitranga eo aminy.

Toko faha-7

1 Aza mitsara olona, dia tsy hotsarain'Andriamanitra ianareo;

2 fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran'Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an'ny olona ihany no hamaran'Andriamanitra ho anareo koa.

3 Nahoana moa ianao no mahita ny tapak'ahitra eo amin'ny mason'ny havana iray finoana, nefa ny vatan-kazo eo amin'ny masonao tsy tandrinao akory?

4 Ary ahoana no hilazanao amin'ny havanao hoe: Etsy hoesoriko ny tapak'ahitra eo amin'ny masonao, nefa jereo ange ity vatan-kazo eo amin'ny anao?

5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo eo amin'ny masonao; izay ianao vao hahiratra tsara ka hahaisotra ny tapak'ahitra eo amin'ny mason-kavana.

6 Ny zava-masina, aza omena ny alika, fandrao hifoteran'ny alika ianareo ka hoviravirainy; ary ny vatosoanareo, aza atsipy amin'ny kisoa, fandrao voahosihosiny.

7 Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondony dia hovohana ianareo.

8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana.

9 Araka ny hevitrareo, iza no olona hangatahan-janany mofo ka hanome vato azy?

10 Na hangatahany trondro ka hanome bibilava azy?

11 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy!

12 Noho izany ary, ataovy amin'ny olona izay rehetra tianareo hataon'ny olona aminareo; fa izany no vontoatin'ny lalanan'i Mosesy mbamin'ny fampianaran'ny mpaminany.

13 Midira amin'ny vavahady ety ianareo! Fa lehibe ny vavahady mankany amin'ny fahaverezana ary malalaka ny lalana, ka maro no miditra any;

14 tena ety kosa ny vavahady mankany amin'ny fiainana ary tena tery ny lalana, ka vitsy no mahita azy.

15 Mitandrema amin'ny mpaminany sandoka: malemy paika toy ny ondry izy manatona anareo; kanefa ao anatiny, toy ny amboadia mandramatra.

16 Ny asany no hahafantaranareo ny mpaminany sandoka: fa foto-tsilo tsy ahazoana voaloboka; ary songosongo tsy ahazoana voanaviavy.

17 Dia toy izany: ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy.

18 Tsy mba hazo tsara no mety hamoa voa ratsy, na hazo ratsy no mety hamoa voa tsara.

19 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy ao anaty afo.

20 Koa dia ny asany no hahafantaranareo ny mpaminany sandoka.

21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo o! Tompo o!, no hiditra any amin'ny Fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.

22 Amin'izany andro izany, dia maro no hanao amiko hoe: Tompo o, Tompo o, tsy efa nilaza hafatra tamin'ny anaranao ve izahay? tsy efa nandroaka demony tamin'ny anaranao ve izahay? tsy efa nanao asa mahagaga maro tamin'ny anaranao ve izahay?

23 Ary amin'izay no hanambarako aminy hoe: Tsy fantatro na oviana na oviana ianareo; miala amiko, ianareo mpanao ratsy!

24 Koa amin'izany, na zovy na zovy mihaino ireo teniko ireo ka manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy:

25 latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria niorina teo ambony vatolampy.

26 Fa izay rehetra mihaino ireo teniko ireo ka tsy manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy tsy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony fasika:

27 latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny faharavany.

28 Rehefa vitan'i Jesoa izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fomba fampianarany;

29 nampianatra azy tamim-pahefana manko i Jesoa fa tsy mba tahaka ireo mpahay lalana jiosy.

Toko faha-8

1 Raha nidina avy teo an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahina vahoaka maro.

2 Ary indro nisy lehilahy marary hoditra nanatona Azy, dia niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe: Tompo o, raha sitrakao, dia hainao diovina aho!

3 Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe: Sitrako, madiova ianao! Avy hatrany dia nadio ny aretin-koditra nahazo an-dralehilahy.

4 Ary hoy i Jesoa taminy: Tandremo ny milaza izao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana miseho amin'ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin'i Mosesy mba ho vavolombelona amin'ny olona fa madio ianao.

5 Rehefa niditra tao Kafarnahoma i Jesoa, dia nisy kapitenin-tafika nanatona Azy sady nitaraina taminy

6 hoe: Tompo o, milamaka ao an-tranoko ao re ny mpanompoko, fa malemy sady mijaly mafy dia mafy.

7 Ary hoy i Jesoa taminy: Ho avy Aho hanasitrana azy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9738