Matio

Toko faha-5

19 Koa na iza na iza handika ny anankiray amin'ny didy madinika indrindra sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia ho kely indrindra ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra; fa na iza na iza hanatanteraka ny didy sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia izy no ho lehibe ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra!

20 Eny, lazaiko aminareo fa raha toa tsy tsara kokoa noho ny an'ny mpahay lalana sy ny Farisianina no anaovanareo ny marina voasoritr'Andriamanitra, dia tsy hiditra any amin'ny Fanjakan'ny lanitra ianareo.

21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona; ary izay mamono olona dia mendrika hatolotra ny fitsarana!

22 Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin'ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanana; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin'ny lohasahan'afo.

23 Koa raha manolotra ny fanatitrao amin'Andriamanitra eo amin'ny alitara ianao ary eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny namanao iray finoana,

24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha mihavana amin'ilay namanao; izay vao miverina manolotra ny fanatitrao.

25 Mihavana faingana amin'izay manana ady aminao dieny samy mbola eny an-dalana ho any amin'ny fitsarana ianareo; fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara; ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny miaramila, ka hatao am-ponja ianao.

26 Lazaiko marina aminao fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao ambara-panefanao ny iraimbilanja farany.

27 Efa renareo fa voalaza hoe: Aza maka vadin'olona!

28 Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay lehilahy mijery vehivavy vadin'olona ka mitsiriritra azy dia efa naka azy sahady tao am-pony.

29 Koa raha mitarika anao amin'ny ratsy ny masonao ankavanana, dia esory ka ario lavitra anao; fa aleonao zavatra anankiray monja anisan'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no arian'Andriamanitra any amin'ny lohasahan'afo.

30 Ary raha mitarika anao amin'ny ratsy ny tananao ankavanana, dia tapaho ka ario lavitra anao; fa aleonao zavatra anankiray monja anisan'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no halefa any amin'ny lohasahan'afo.

31 Efa voalaza koa hoe: Izay lehilahy manary ny vadiny dia aoka hanome taratasy fisarahana!

32 Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay lehilahy manary ny vadiny, afa-tsy noho ny fifandraisana mamoafady, dia mandrisika azy hanitsakitsa-bady; ary izay lehilahy hampakatra vehivavy nariana dia maka vadin'olona.

33 Efa renareo koa fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mivadika amin'ny teny napetrakao tamin'ny Tompo fa tanteraho ny teny napetrakao!

34 Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mianiana mihitsy! Aza mianiana: na amin'ny lanitra, satria sezafiandrianan'Andriamanitra izany;

35 na amin'ny tany, satria fitoeran-tongotr'Andriamanitra izany; na amin'i Jerosalema, satria tananan'ny mpanjaka lehibe izany;

36 na amin'ny lohanao, satria tsy hainao ny mahafotsy na mahamainty singam-bolo iray akory.

37 Fa aoka ny teninareo, rehefa eny, dia ho eny; rehefa tsia, dia ho tsia; ny ankoatra izany kosa dia avy amin'ilay Ratsy.

38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify!

39 Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mamaly ratsy izay manisy ratsy anao; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny ilany!

40 Raha misy mila ady aminao any amin'ny fitsarana mba hahazoany ny akanjonao, avelao ho azy koa ny lambanao.

41 Raha misy manery anao hitondra entana mandritra ny lalana iray kilaometatra, miaraha aminy mandritra ny lalana roa kilaometatra.

42 Omeo izay mangataka aminao ary aza andosirana izay te hisambotra aminao.

43 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiavo ny namanao ary ankahalao ny fahavalonao!

44 Izaho kosa milaza aminareo hoe: tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,

45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mandatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.

46 Fa raha izay manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no valisoa manokana azonareo andrandraina avy amin'Andriamanitra? Na dia ny mpamory hetra aza ve tsy manao toraka izany koa?

47 Ary raha ny namana iray finoana ihany no arahabainareo, inona no tombony amin'ny ataonareo? Na dia ny hafa firenena aza ve tsy manao toraka izany koa?

48 Tanteraka ny Rainareo Izay any an-danitra: noho izany ary, aoka ianareo ho tanteraka tahaka Azy koa.

Toko faha-6

1 Tandremo ny manao adidy ara-pivavahana eo imason'ny olona mba ho hitany, sao ianareo tsy mahazo valisoa avy amin'ny Rainareo Izay any an-danitra.

2 Koa rehefa manao fiantrana ianao, aza dia antsoantsoina ho ren'ny tany ama-monina, sahala amin'ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy any amin'ny sinagoga sy eny an-dalambe, mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.

3 Fa ianao kosa, rehefa manao fiantrana, aoka na dia ny olona sakaizanao indrindra aza tsy hahalala izay ataonao,

4 hany ka miafina no anaovanao ny fiantranao; ary ny Rainao Izay mahita ao amin'ny miafina no hamaly soa anao.

5 Rehefa mivavaka ianareo, aza mba manahaka ny mpihatsaravelatsihy. Tian-dry zareo ny maka toerana ao amin'ny sinagoga sy eny amin'ny fihaonan-dalana raha mivavaka, mba hahitan'ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.

6 Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, midira ao amin'ny efitranonao, hidio ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainao Izay ao amin'ny miafina; ary ny Rainao Izay mahita ao amin'ny miafina no hamaly soa anao.

7 Rehefa mivavaka ianareo, aza mba maro teny tahaka ny mpanompo sampy. Heverin'izy ireny fa rehefa maro teny izy, vao henon'Andriamanitra.

8 Koa aza mba manahaka azy ianareo, satria fantatry ny Rainareo rahateo ny zavatra ilainareo, alohan'ny hangatahanareo izany aminy.

9 Koa mivavaha toy izao ary ianareo: Ry Rainay any an-danitra o, hohamasinina anie ny anaranao;

10 ho tonga anie ny Fanjakanao; hatao anie ny sitraponao, eto an-tany tahaka ny any an-danitra.

11 Omeo anay anio ny hanina sahaza anay,

12 avelao ny helokay, ary tahaka izany koa no amelanay izay meloka taminay;

13 aza avela ho azon'ny fakampanahy izahay, fa manafaha anay amin' ilay Ratsy! [Anao ny fanjakana sy ny hery, Anao ny voninahitra mandrakizay! Amen.]

14 Eny, raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela anareo koa ny Rainareo Izay any an-danitra;

15 fa raha tsy mamela ny olona kosa ianareo, dia mba tsy hamela ny fahadisoanareo koa ny Rainareo Izay any an-danitra.

16 Rehefa mifady hanina ianareo, aza mba manahaka ny mpihatsaravelatsihy ka malahelo endrika. Ataon-dry zareo manjonitra ny tarehiny mba hahitan'ny olona azy hoe mifady hanina. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.

17 Fa ianao kosa, rehefa mifady hanina, dia sasao ny tavanao ary amboary tsara ny volonao,

18 hany ka tsy ny olona no hahita anao hoe mifady hanina fa ny Rainao Izay ao amin'ny miafina; ary ny Rainao Izay mahita ao amin'ny miafina no hamaly soa anao.

19 Aza mangorona harena ho anareo ety an-tany, izay misy kadradraka sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra;

20 fa manangona harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kadradraka na harafesina manimba sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9598