Matio
Toko faha-3
11 Hoy koa i Johany: Ny ahy, ao amin'ny rano no anaovako batisa anareo ho mariky ny fialana amin'ny toetra ratsy. Fa Ilay tamy aoriako dia mahery noho izaho ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; ny Azy dia ao amin'ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo.12 Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin'ny afo tsy mitsaha-mirehitra.
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa.
14 Nanda mafy i Johany ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray ve no mankaty amiko?
15 Fa novalian'i Jesoa hoe: Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr'Andriamanitra. Izay vao nanaiky i Johany.
16 Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin'i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny.
17 Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!
Toko faha-4
1 Ary dia notarihin'ny Fanahin'Andriamanitra hankany an-taniefitra i Jesoa, mba halain'ny devoly fanahy.2 Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina i Jesoa, dia noana;
3 ary nohatonin'ny mpaka fanahy Izy ka nataony hoe: Raha Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao, teneno ireo vato ireo hanjary mofo.
4 Fa novalian'i Jesoa hoe: Izao no voalazan'ny Soratra Masina: Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.
5 Avy eo dia nentin'ny devoly ho any Jerosalema tanana masina i Jesoa, ka najorony teo an-tendron'ny zoron'ny tempoly
6 sady nataony hoe: Raha Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao, mianjera any ambany any, fa izao no voalazan'ny Soratra Masina: Homen'ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao, ka ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.
7 Fa hoy i Jesoa taminy: Izao koa no voalazan'ny Soratra Masina: Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao.
8 Ary nentin'ny devoly ho any amin'ny tendrombohitra avo dia avo indray i Jesoa, ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra eo amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny
9 sady nataony hoe: Homeko Anao avokoa ireo, raha miankohoka eto anoloako Ianao ho fanajana ahy!
10 Tamin'izay dia hoy i Jesoa taminy: Miala, ry Satana, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery no hivavahanao!
11 Izay vao nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy anjely tonga teo amin'i Jesoa ka nanompo Azy.
12 Nony ren'i Jesoa fa naiditra am-ponja i Johany, dia lasa nankany Galilea Izy.
13 Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahoma, tanana amoron'ny farihin'i Galilea, anatin'ny faritanin'i Zebolona sy i Naftaly.
14 Ka tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Isaia mpaminany hoe:
15 Ry tanin'i Zebolona sy i Naftaly, ry lalana amoron'ny farihy, ry faritra ampitan'i Jordana, ry Galilea onenan'ny hafa firenena,
16 ny vahoaka izay mihitsoka amin'ny maizina dia nahita hazavana lehibe, ary ny olona izay mihitsoka amin'ny toerana alofan'ny fahafatesana dia niposahan'ny hazavana.
17 Hatramin'izay i Jesoa dia nanomboka nitoriteny ka nanao hoe: Ialao ny toe-d ratsy, fa efa akaiky ny Fanjakan'ny lanitra.
18 Nitsangantsangana teny amoron'ny farihin'i Galilea i Jesoa ka nahita olona mirahalahy, dia i Simona ilay atao hoe Petera sy i Andrea rahalahiny; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany.
19 Dia hoy i Jesoa taminy: Andao hiaraka amiko fa hataoko mpanarato olona ianareo!
20 Dia nilaozany avy hatrany ny haratony ka lasa izy roa lahy niaraka tamin'i Jesoa.
21 Ary nandroso ihany i Jesoa ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakoba sy i Johany zanak'i Zebedeo; tafaraka tamin'i Zebedeo rainy teo an-tsambokely izy roa lahy ary nanamboatra harato.
22 Nantsoin'i Jesoa izy mirahalahy; ary nilaozany avy hatrany ny sambokely sy ny rainy fa lasa izy roa lahy niaraka tamin'i Jesoa.
23 Ary nitety an'i Galilea manontolo i Jesoa, ka nampianatra tany amin'ny sinagogan-dry zareo ary nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakan'ny lanitra sady nanasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra teo amin'ny vahoaka.
24 Ary niely eran'i Siria manontolo ny lazany, ka nentin'ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian'ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon'ny demony sy ny mararin'ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.
25 Vahoaka marobe no nanaraka Azy avy any Galilea sy Dekapoly, avy tany Jerosalema sy Jodea ary avy any andafin'i Jordana.
Toko faha-5
1 Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin'ny mpianany.2 Dia niteny i Jesoa ka nampianatra azy rehetra hoe:
3 Sambatra izay miaiky ao am-po ho mahantra, fa azy ny Fanjakan'ny lanitra!
4 Sambatra izay mitomany, fa izy no hampiononin'Andriamanitra!
5 Sambatra izay malemy fanahy, fa izy no handova ny tany nampanantenain'Andriamanitra!
6 Sambatra izay maniry mafy hanao ny marina nosoritan'Andriamanitra, fa izy no homen'Andriamanitra fahafaham-po!
7 Sambatra izay mamindra fo, fa izy no hamindran'Andriamanitra fo!
8 Sambatra izay mahitsy fo, fa izy no hahita an'Andriamanitra!
9 Sambatra izay mpampihavana, fa izy no hantsoin'Andriamanitra hoe zanany!
10 Sambatra izay enjehina noho izy manao ny marina nosoritan'Andriamanitra, fa azy ny Fanjakan'ny lanitra!
11 Sambatra ianareo raha tevatevain'ny olona sy enjehiny ary ampangaina lainga amin'ny ratsy isan-karazany noho ny maha mpianatro anareo.
12 Mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoa miandry anareo any an-danitra, satria toy izany no nanenjehany ireo mpaminanin'Andriamanitra talohanareo!
13 Ianareo no sira hanasoa ny tany; fa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no fanome hasina azy? Tsy misy antony intsony izy fa dia ariam-potsiny any ivelany hohitsakitsahin'ny olona.
14 Ianareo no fahazavana ho an'izao tontolo izao; tsy azo afenina ny tanana miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
15 Ary tsy misy mampirehitra jiro ka hametraka azy ao ambany vata famarana; fa eo ambony fitoeran-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano.
16 Aoka hamiratra eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo Izay any an-danitra.
17 Aza heverinareo fa hanafoana ny lalanan'i Mosesy mbamin'ny fampianaran'ny mpaminany no nahatongavako. Tsy hanafoana no nahatongavako fa handavorary.
18 Eny, lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon'ny tany amana habakabaka dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalana, na dia ny zavatra antsipiriany sy zavatra faran'izay madinika indrindra aza, fa ho tanteraka avokoa.