2 Makabeo

Toko faha-8

5 Rehefa nitarika miaramila betsaka i Joda Makabeo, dia tsy azon'ny hafa firenena noresena intsony, satria efa niova ho famindrampo ny hatezeran'ny TOMPO.

6 Nosovohiny tampoka na tanan-dehibe na tanana kely, dia nodorany; ary nametrahany miaramila ireo toerana tokony ho bahanana, ka fahavalo betsaka no nataony vaky nandositra.

7 Ny alina indrindra no tena nohararaotiny sy nofidiny hamelezana; ka niely hatraiza hatraiza ny herimpony.

8 Hitan'i Filipo, mpandraharahan'ny mpanjaka, fa mahazo vahana miandalana i Joda Makabeo ary mihamatetika ny fahombiazany; ka nanoratan'i Filipo i Ptolemeo, governoran'i Koila-Siria mbamin'i Fenisia, mba ho avy hanampy azy amin'ny fitandroana ny tombontsoam-panjakana.

9 Tsy niandriandry i Ptolemeo fa naniraka an'i Nikanora zanakalahin'i Patrokla izay anisan'ny lohandohany amin'ireo "sakaizan'ny mpanjaka ?". Tafika nisy antokony roapolo farafahakeliny sady avy amin'ny firenen-tsamihafa no nasaina nentin'i Nikanora mba handringanany ny firenena jiosy manontolo; nomen'i Ptolemeo ho mpanampy azy koa i Gorjia jeneraly za-draharaha tokoa amin'ny zavatra momba ny ady.

10 I Antiokosa dia nananan'ny Romanina trosa mitentina volafotsy 54 taonina. I Nikanora no nanome toky ny mpanjaka fa hanefa izany amin'ny fivarotana ireo Jiosy voababo,

11 Dodona ery izy nandefa fiantsoana amin'ireo tanana amoron-dranomasina mba ho tonga hividy andevo jiosy sady nampanantena fa halefany volafotsy 27 kilao ny sivifolo aminy. Tsy voavinaniny akory izay famaliana efa hataon'ilay Andriamanitr'izao rehetra izao hiantonta aminy.

12 Vao tafapaka tamin'i Joda Makabeo fa niainga tokoa i Nikanora, dia nampandrenesiny an'ireo namany fa efa akaiky ny fahavalo.

13 Ka ny sasany, raiki-tahotra sy tsy natoky ny fanafahan'Andriamanitra, dia nitsoaka nandositra any an-toeran-kafa,

14 ny hafa kosa nivarotra izay sisa rehetra mba fananany ary nivavaka tamin'ny Tompo mba hanafaka ny Jiosy tsy ho azon'i Nikanora mpankahala fivavahana sady efa nivarotra azy alohan'ny haharaiketan'ny ady.

15 Na dia tsy noho ny amin'ireo Jiosy ankehitriny aza no hanafahan'Andriamanitra azy, dia noho ny fanekem-pihavanana nataony tamin'ny razany ahay ary noho Izy Andriamanitra masina sy lehibe efa voaantso hiaro azy.

16 Novorin'i Joda Makabeo ny miaramila sisa tafajanona homba azy, ka nisy antokon-tafika enina; dia nampirisihiny kosa ireo mba tsy hatahotra na hihorohoro amin'izay hamaroan'ny hafa firenena tamy hamely azy tsy an-drariny, fa hiady amin-kerimpo.

17 Hany hatrehi-maso an'eritreritra, dia ny fandoroana mamoafady nafitsoka ny Toeramasina, ny fanimbazimbana ny tanana Jerosalema izay noravana, ary ny fanafoanana ny fomba amam-panao jiosy nentim-paharazana.

18 Dia hoy koa i Joda: "Ireo fahavalo ireo dia mitoky amin'ny fitaovam-piadiany sy amin'ny hasahiany mikatroka; isika kosa mametra-pitokiana amin'ilay Andriamanitr'izao rehetra izao , dia Ilay mahay manakorontana ireo tamy hamely antsika sy izao tontolo izao mihitsy aza amin'ny baiko iray monja."

19 Dia mbola novisavisain'i Joda teo anatrehan'ny miaramilany ihany koa ireo sehon-javatra niarovan'Andriamanitra ny razany faha taloha: tamin'ny andron'i Saneheriba, fony naringan'ny TOMPO ireo miaramila nisy antokon-tafika 180 ;

20 na koa tamin'ny ady nanoherana ny Galatianina, tao Babilonia , antokon-tafika valo monja no nikatroka nampian'ny Masedonianina antokon-tafika efatra; voasokera mafy dia mafy ireto Masedonianina, kanefa iretsy antokon-tafika valo noho ny vonjy azony tamin'Andriamanitra dia nandripaka fahavalo antokon-tafika 120 sady namabo zavatra betsaka.

21 Nampisy toky an'ireo miaramilany izany tenin'i Joda izany ary nahavonombonona azy ho faty ho an'ny lalanan'Andriamanitra sy ho an'ny tanindrazana. Dia nozarainy ho ampahany efatra ny tafiny;

22 ka ankoatra ny tenany, samy napetrany hitarika ampahany anankiray avy i Simona sy i Josefa ary i Jonatana rahalahiny, dia ampahany nisy miaramila 1500 isa.

23 Fanampin'izany, nandidy an'i Elehazara i Joda hanao famakiana ny boky masina ; avy eo, dia nomeny ho teny haikan'ady ny hoe "Andriamanitra no vonjy" ary notarihiny ny ampahany voalohany hamely an'i Nikanora.

24 Nomban'ilay Andriamanitr'izao rehetra izao ny Jiosy ka namono nahafaty ny fahavalo mihoatra ny antokon-tafika sivy; noratrainy sy noboriny kosa ny ankabeazan'ny miaramilan'i Nikanora ary nataony vaky nandositra ny sisa.

25 Nalain'ny Jiosy ny volan'ireo tonga mba hividy azy ho andevo. Ireo mpandositra kosa nenjehiny lavitra ihany; kanefa voatery niverina ireo mpanenjika satria voasakan'ny fotoana tratra aoriana.

26 Efa hisantatra ny sabata manko tamin'izay, ka tsy afa-nanohy ny fanenjehana azy intsony ireo.

27 Nangoniny ny fiadian'ny fahavalo, ary nobaboiny ny zavatra teny an-kodiny; dia nankalazainy ny sabata, ary noderainy sy nisaorany fatratra ny TOMPO Izay nampisy izany andro nanehoany indray ny famindrampony izany.

28 Rehefa lasa ny sabata, dia nizarany tamin'ny babo ireo Jiosy niharan'ny fanenjehana sy kamboty ary mpitondra tena, vao nozarainy tamin'izy samy izy mbamin'ny zanany ny sisa.

29 Vita izany, dia niara-nivavaka ireo Jiosy nitalaho tamin'ny TOMPO mba hihavana tanteraka amin'ny mpanompony indray.

30 Tamin'izay i Joda sy ny mpomba azy dia niady tamin'ny miaramila fehezin'i Timoty sy i Bakida; ka nahafatesany mihoatra ny antokon-tafika roapolo ireto fahavalo, ary azony tamim-kerimpo ireo trano mimanda avo. Nozarainy roa mitovy ny babo betsaka voaangony: ny toko iray ho azy mpiantafika, ary ny toko iray ho an'ireo niharan-panenjehana ara-pivavahana sy ho an'ireo kamboty ama-mpitondratena ary koa ny antitra.

31 Nataony tsara angona ny fiadian'ireo fahavalo ka natobiny tamin'ny toerana ilana azy; ary nentiny ho any Jerosalema ny zavatra hafa azo teny an-kodiny.

32 Novonoiny ho faty ilay mpifehy tafika nikambana tamin'i Timoty; lehilahy tsy mifaditrovana loatra izy io ka nahavita ratsy be tamin'ny Jiosy.

33 Fony nankalazaina tao Jerosalema renivohitra iny ny fandresena, dia nodorana velona ireo nandoro ny varavaran'ny tempoly ; natao toy izany koa i Kalistena izay toa nandositra tao aminatrano bitika anankiray, ka nahazo sazy tandrifin'ny fanimbazimbany zavatra masina.

34 I Nikanora, ilay jiolahy tsy misy toa azy, dia nampiavy mpandranto arivo mba hividy ny Jiosy aminy,

35 nefa, noho ny vonjy avy amin'ny TOMPO, dia nandresy azy kosa ireo noheveriny ho kanosa tokoa. Ka nendahan'i Nikanora ny fanamiam-boninahitra teny aminy; dia nandositra namakivaky saha izy, tahaka ny andevo nitsoaka. Honjohonjon'izy irery no niditra tao Antiokia, ka nambinina manokana izy na dia voa mafy aza ny tafiny.

36 Nampanantena hanefa ny sisan-trosa haloa amin'ny Romanina izy, kanjo ankehitriny dia nanambara fa tsy azo resena ny Jiosy; manana an'Andriamanitra ho mpiaro ireo, satria mankato ny lalana nandidiany azy.

Toko faha-9

1 Tamin'izay fotoana izay eo ho eo no tafaverina tamin-kenatra avy any Persia i Antiokosa.

2 Niditra tao amin'ny tanana Persepoly manko izy, dia nanandrana ny handroba ny tempoly sy hampahory ny tanana; kanjo niroatra ny vahoaka mponina sady nandray fiadiana, dia indro i Antiokosa fa nataony vaky nandositra, ka voatery niala afa-baraka.

3 Fony izy teo akaikin'i Ekbatana no nandre ny nanjo an'i Nikanora sy ny tafik'i Timoty.

4 Nirehi-pahatezerana i Antiokosa ka nihevitra fa ny famelezana ny Jiosy no hamaliany faty ny fanalam-baraka nafitsoky ny Persianina izay nanery azy handositra; ary nobaikoiny handefa ny kalesiny tsy an-kijanona ilay mpitondra mba hahafaingana ny dia. Kanjo ny famaizan'Andriamanitra no efa miandry azy, noho izy nentanim-piavonavonana ka nilaza hoe: "Rehefa tonga any Jerosalema aho, dia hataoko fasan'ny Jiosy io tanana io!"

5 Vao nahavoatonona ireo teny ireo i Antiokosa, dia indro ny TOMPO mahita ny zava-drehetra, ilay Andriamanitr'i Israely, fa namely azy tamin'aretina tsy hita maso sady tsy laitram-panafody; fanaintainana lozan-tany sy fangirifiriana nanotikotika notsapany tao amin'ny tsinainy tao.

6 Famaizana ara-drariny izany, satria nandrotika ny kibon'ny hafa tamin'ny fampijaliana maro sy mafy mihoa-pampana io mpanjaka io !

7 Kanefa tsy nampihena ny fiavonavonany akory izany; mbola feno rehaka ihany izy, ka nisefosefo nirehi-pahatezerana tamin'ny Jiosy sady nibaiko ny hanafainganana ny diany. Kanjo injay i Antiokosa fa nidaboka tampoka avy amin'ny kalesy izay nikotrokotroka faingam-pandeha; mafy dia mafy ny fianjerany ka nifandrirotra avokoa ny rantsam-batany rehetra.

8 Vao teo ilay mpanjaka no nentanim-piavonavonana mihoa-pampana ka nihevi-tena ho mpandidy ny onjan-dranomasina sy ho mpandanja amin'ny mizana ireo tendrombohitra avo; kanefa izao izy tafatsingidina amin'ny tany ka voatery nentina tamin'ny filanjana: izany no naneho miharihary teo imason'ny olon-drehetra ny fahatezeran'Andriamanitra.

9 Mbola velona ihany ny tenan'ilay mpankahala fivavahana; kanefa kankana be dia be no nivoaka ny masony, ary nijaly tokoa izy satria nirarak'ompana ny nofony. Fofom-pahalovana no mihanaka avy aminy ka nampaloiloy ny tafika manontolo.

10 Ilay toa hanakatra ny kintana eny ana habakabaka teo iny , dia tsy nisy afaka nitondra azy intsony ankehitriny satria tsy tanty mihitsy izany fofona maimbo izany.

11 Ketraka dia ketraka i Antiokosa tamin'izay, satria azon'ny kapok'Andriamanitra izy ka nianjadiam-panaintainana nihamafy hatrany. Izay vao nihintsana ny fiavonavonany tafahoatra, ka tsapany ny toe-javatra.

12 Hatramin'ny tenany avy no tsy nahatanty ny hamaimbony intsony, ka hoy izy: "Rariny mihitsy raha olona mety maty toa ahy no manaiky an'Andriamanitra ka tsy hirehareha hihambo hitovy aminy!"

13 Ny vavak'ilay tsy nisoro-doza io dia tara fiantefa tamin'ny TOMPO izay tsy afa-namindrafo taminy intsony, na dia nataon'i Antiokosa aza izao fampanantenana izao:

14 "Nidodododoho any Jerosalema tanana masina aho mba handrava azy tanteraka sy hanao azy ho fasan'ny mponina. Ankehitriny kosa hambarako ho tanana afaka izy.

15 Notombanako ho tsy mendrika halevina ny Jiosy ary nokendreko hatao sakafon'ny vorona mpihaza amam-bibidia ny tenany mbamin-janany. Ankehitriny kosa hampitoviko zo amin'ny Atenianina avokoa ny Jiosy rehetra.

16 Namabo ny tempoly masina aho taloha; ankehitriny kosa dia ho ravahako amin'ny fanomezana kanto izy ary haveriko aminy sy hampiako aza ny fanaka masina rehetra voaroba; ary ny amin'ny lany rehetra momba ny fanaovan-tsorona, dia hiantohako amin'ny vola miditra ho an'ny tenako.

17 Fanampin'izany, hilatsa ka ho mpanaraka ny fivavahana jiosy aho sady hitety ny tany rehetra misy mponina mba hanambara ny fahefan'Andriamanitra."

18 Tsy nitony anefa ny fijalian'i Antiokosa; ny fitsara-marin'Andriamanitra manko no nihatra taminy. Ka rehefa hitany fa tsy hantenaina intsony ny amin'ny toe-pahasalamany, dia nanoratra taratasy ho an'ny Jiosy izy, ka fitarainana no fomba nandaharany azy araka izao rijan-teny izao:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0248