2 Makabeo
Toko faha-11
2 dia namory miaramila sahaboho antokon-tafika valopolo mbamin'ny miaramila an-tsoavaly rehetra izy, ka niroso hamely ny Jiosy. Nampoiziny mihitsy ny hahatonga an'i Jerosalema ho tanana fonenan'ny Grika.3 Tiany hampandoavina hetra ny toera-masina, tahaka ny tempoly rehetra any amin'ny hafa firenena any, ary hamidy isan-taona ny andraikitra mahampisorombe.
4 Tsy noheverin'i Lisia akory tamin'izany izay fahefan'Andriamanitra; fa ny miaramilany an-tongotra nisy antokon-tafika ampolony maro sy ny miaramilany an-tsoavaly an'arivony ary ny elefanta ny valopolo no nianteherany fatratra.
5 Nony tafiditra an'i Jodea izy ka nanakaiky an'i Bety-Tsoro , toera-mafy sahabo ho 28 kilaometatra atsimon'i Jerosalema, dia nanomboka nanery azy.
6 Vao ren'i Joda Makabeo sy ny namany fa hoe ataon'i Lisia fahirano ny trano mimanda, dia namory vahoaka izy ka niara-nivavaka ombam-pisentoana sy ranomaso tamin'ny TOMPO mba hanirahany anjely tsara anankiray hamonjy an'i Israely.
7 Avy eo dia ny tenan'i Makabeo no nandray fiadiana voalohany sy nampirisika ny hafa hanao vy very ny ainy miaraka aminy hamonjy ireo mpiray firenena.
8 Indray niroso tamin-kafanampo avokoa izy rehetra; ary mbola tsy lavitra loatra an'i Jerosalema izy no indro nisy mpitaingin-tsoavaly niseho teo alohany sady nampandihy fiadiana volamena.
9 Ka indray nisaotra an'Andriamanitra mpamindrafo izy rehetra, samy nahatsapa ho voaentan-kery lehibe ka vonon-kanagorobaka tsy hoe ny olona ihany fa ny biby faran'izay masiaka koa, ary hamaky manda vy aza.
10 Nandroso nilahatra hiady izy ireo, satria nangorahan'ny TOMPO ka nana-mpanampy avy any an-danitra.
11 Niantoraka toy ny liona tamin'ny fahavalo ireo mpomba an'i Joda Makabeo, ka miaramila an-tongotra nisy antokon-tafika 11 sy miaramila an-tsoavaly 1060 no natsingidiny tamin'ny tany,
12 ary ny sisa nataony vaky nandositra. Efa voaratra sy nanary fiadiana ny ankamaroan'ny mpandositra ary ny tenan'i Lisia aza tsy nahavonjy ny ainy, afa-tsy tamin'ny fandosirana mahamenatra.
13 Kanefa nanan-tsaina i Lisia ka nandinika ity fahareseny, ary nahatsapa fa tsy azo resena ny Jiosy satria Ilay Andriamanitra mahery no miara-miady aminy;
14 dia nandefasany iraka ireo mba hanolotra fihavanana araka izay famarafarana rehetra ara-drariny, ary nanome toky i Lisia fa hampanaiky ny mpanjaka hanjary sakaizan'ny Jiosy.
15 Tsy nikendry afa-tsy ny soa ho an'ny besinimaro koa i Joda Makabeo ka nanaiky ny hevitra rehetra naroson'i Lisia; ny mpanjaka rahateo nankato izay rehetra nalefan'i Joda Makabeo an-tsoratra ny amin'ny famarafaram-pihavanana momba ny Jiosy.
16 Ny taratasy nosoratan'i Lisia ho an'ny Jiosy dia mirakitra izao teny izao: "Avy amiko Lisia ity taratasy ity. Manoratra ho anareo Jiosy mitamba be aho ary miarahaba anareo.
17 "Voatolotr'i Johany sy i Absaloma izay nirahinareo ho aty amiko ity fitakiana vita an-tsoratra ity ka nangatahiny aho hampanan-kery ny andininy voarakitr'izany.
18 Efa nampahafantariko ny mpanjaka izay rehetra tsy maintsy alefa mankany aminy, ka nankatoaviny ny zavatra heveriny fa azo ekena.
19 Raha tazoninareo hatrany ny toetra miandany amin'ny fitondram-panjakana, dia hikely aina koa aho amin'ny ho avy mba hanao izay hiadananareo.
20 Ny amin'ny antsipirian-javatra sasany dia nohazavaiko tamin'ireto irakareo ireto sy ny ahy, ka dia hifampidinika aminareo izy ireo.
21 Veloma finaritra ianareo."" Nosoratana tamin'ny taona faha-148 ,volana Zeosa-Korintianina , andro faha-24."" "
22 Toy izao kosa no raketin'ilay taratasin'ny mpanjaka ho an'i Lisia:" Avy amiko Antiokosa mpanjaka ity taratasy ity. Manoratra ho anao aho, ry Lisia rahalahiko , ary miarahaba anao.
23 "Fony voafindra any amin'ireo andriamanitra ny raiko, ny iriko dia ny hifotoran'izay mponina eto amin'ny fanjakako amin'ny fikarakarana ny raharaha ny tsy hisy mpanelingelina.
24 Reko fa tsy eken'ny Jiosy ny hanaraka ny fomba grika, araka izay notadiavin-draiko; aleony ihany ny fombany manokana, ka mangataka izy havela hiaina araka ny lalanany.
25 Koa iriko tsy hisy tabataba intsony amin'izany firenena izany, ary didiako ny hamerenana ny tempoliny aminy sy ny hamelana azy hanaraka ny fomban-drazany.
26 Tsara ary ny handefasanao iraka ho any aminy hanome antoka azy amin'ny fandraisan-tanana. Izany no hahazoany toky sy hifotorany amin'ny fanatontosana ny raharaha fanaony, rehefa fantany ny zava-kendrenay."
27 Ny taratasin'i Antiokosa mpanjaka ho an'ny firenena jiosy kosa dia toy izao: "Avy amiko Antiokosa mpanjaka ity taratasy ity. Rariko fiadanana ianareo Antenimieran-doholona sy ianareo Jiosy hafa rehetra.
28 "Raha salama tsara ianareo, dia izany no mifanaraka amin'ny faniriako. Ny tenako ihany koa dia salama tsara.
29 Nampahafantarin'i Menela ahy ny fanirianareo hiverina any aminareo sy hanatontosa ny raharaha fanaonareo.
30 Koa izay mody alohan'ny andro faha-30 n'ny volana Ksantika, dia homeko antoka fa hovotsoran-keloka.
31 Aoka ny Jiosy hihinana izay sakafo fihinany sy hanaraka ny lalanany tahaka ny taloha, ka aza misy omena soketa noho izay diso nataony tsy amim-pahalalana.
32 I Menela koa dia nirahiko mba hampatoky anareo.
33 Veloma finaritra ianareo."" Nosoratana tamin'ny taona faha-148 , volana ksantika, andro faha-15."" "
34 Ny Romanina koa dia nandefa taratasy ho an'ny Jiosy mirakitra izao teny izao:" I Kointa Memy sy i Tito Manily ary i Many Serjy, samy iraky ny Romanina, dia miarahaba anareo Jiosy.
35 Ireo zavatra efa neken'i Lisia havan'ny mpanjaka taminareo, dia ankatoavinay tanteraka koa.
36 Ary ny amin'ireo nataony ho tsy maintsy alefa hodinihin'ny mpanjaka dia aoka hotombananareo tsara ary aza angatahana andro fa aniraho olona hilaza ny hevitrareo aty aminay; izany no harosonay eo amin'ny mpanjaka, araka ny mahasoa anareo. Eny, hankany Antiokia izahay,
37 ka alefaso faingana ny irakareo mba hahalalanay izay hevitrareo koa.
38 Veloma finaritra ianareo. Nosoratana tamin'ny taona faha-148, volana Ksantika, andro faha-15."
Toko faha-12
1 Rehefa vita ny fifanekena teo amin'i Lisia sy ny Jiosy, dia niverina nankany amin'ny mpanjaka i Lisia ary ny Jiosy kosa niroso namboly ny sahany.2 Kanefa ireo governora teo an-toerana, izany hoe i Timoty sy i Apolony ilay zanakalahin'i Genea, mbamin'i Hieronima sy i Demofona , niampy an'i Nikanora filohan'ireo miaramilasiprioty, dia tsy namela ny Jiosy handry feizay na hiaina amim-piadanana.
3 Tamin'izay no nanao heloka bevava ny hafa firenena mponina tao Jopa. Mova tsy manam-pankahalana ny Jiosy akory ireto hafa firenena ireo; ka nasainy niakatra teo amin'ny lakan-drafitra voaoman'izy ireo ny Jiosy nonina tao an-tanana ombam-bady aman-janaka.
4 Hevitra niarahan'ny hafa firenena rehetra tao an-tanana izany, ka neken'ny Jiosy araka ny faniriany te hihavana, ary tsy nananany ahiahy velively. Kanjo nony tonga teny afovoan-dranomasina ireto Jiosy, dia nalentika ho faty an-drano avokoa: roanjato no isany raha farafahakeliny.
5 Vao ren'i Joda Makabeo ny halozana nafitsoka tamin'ireo mpiray firenena aminy, dia nomeny teny ireo vatan-dehilahy namany.
6 Ka nony avy niantso ilay Andriamanitra mpitsara ara-drariny i Joda, dia niroso hamely ny mpamono an'ireo mpiray firenena aminy: nodorany alina ireo tranon-tseranana, notsoloany afo koa ny sambo, ary notrobarany sabatra ireo hafa firenena nitady fialofana teo.
7 Nilaozany ny tanana, satria nihidy; kanefa ny hiverina hamongotra ny fitambaran'ny Jopita no fikasany.
8 Ren'i Joda ihany koa fa ny hafa firenena mponina tao Jamnia dia mikasa hanao halozana toy izany nafitsoky ny Jopita izany amin'ireo Jiosy monina ao aminy.
9 Ka tahaka ny natorony tao Jopa koa no namelezan'i Joda tamin'ny alina ireo mponina teo Jamnia: nodorany ny seranana mbamin'ny sambo, ka tazana hatrany Jerosalema ny hazavana vokatry ny fandoroana, nefa nisy 45 kilaometatra ny elanelany.
10 Niala tao Jamnia i Joda, dia niroso hamely an'i Timoty. Efa lasa roa kilaometatra ny dia no nisy Arabo nirotsaka hifanehatra amin'i Joda; antokon-tafika dimy ireo Arabo an-tongotra, ary andian-tafika dimy ireo an-tsoavaly.
11 Mafy tokoa ny ady, kanefa nandresy i Joda sy ny namany noho ny fanampian'Andriamanitra. Rehefa resy ireo Arabo mpifindrafindra lasy ireo, dia nangataka tamin'i Joda hamitram-pihavanana aminy, sady nanome toky hanolotra biby fiompy ho azy sy hanampy amin'ny zavatra sasany.
12 Hitan'i Joda fa maro ny zavatra azon'ireto Arabo ireto anampiana azy, ka dia nekeny ny hanao fihavanana aminy; ary nony avy nifandray tanana ny roa tonta, dia nody ho any an-dainy kosa ny Arabo.
13 Taorian'izany no nianihan'i Joda ilay tanana mafy anankiray atao hoe Kasfao: voahodidina manda izy io sady onenan'olona samihafa firenena.