Bena-Siràka
Toko faha-51
4 Nafahanao aho tsy ho sempotry ny arina mivaivay nanodidina ahy ary tsy ho main'ny afo izay tsy narehitro akory.5 Notsoahanao tamin'ny hantsan-dalin'ny toeran'ny maty aho, dia tamin'ny resaka maloto sy teny mandainga
6 ary tamin'ny zana-tsipika avoaky ny mpanao vava ratsy. Efa teo ambavahaonan'ny fahafatesana aho ary efa nikasika ny toeran'ny maty ny aiko ;
7 nanodidina ahy hatraiza hatraiza ny fahavaloko sady tsy nisy olona hanampy ahy; niandrandra vonjy avy amin'ny olombelona aho, kanefa tsy nisy velively akory.
8 Izay aho, TOMPO o, vao nahatsiaro ny indrafonao sy ny fanasoavanao hatrizay hatrizay; tsaroako fa afahanao ireo fatra-piandry Anao ary vonjenao tsy ho azon'ny fahavalo.
9 Koa hatreto an-tany aho no nanandra-bavaka sy nitalaho taminao hanafaka ahy tsy ho faty.
10 Niantso Anao aho hoe: "TOMPO o, Raiko Ianao, aza ilaozanao aho amin'ny androm-pahoriako, dia amin'ny andro anjakan'ny mpiavonavona ka tsy ahitako fanampiana velively.
11 Tsy hitsahatra ny hidera Anao aho ary hihira Anao amin'ny hiram-pisaorana. "Dia nohenoinao tokoa ny fivavahako,
12 fa novonjenao tsy hiharan'ny faharavana aho ary nafahanao tamin'ny andron-doza nanjo ahy. Koa izany no hisaorako Anao sy hiderako Anao ary hankalazako ny anaranao, Tompo o.
13 Fony aho mbola tanora, alohan'ny hivezivezeko, dia nitady an-karihary ny fahendrena aho tamin'ny fivavahana nataoko.
14 Teo anoloan'ny Toeramasina no nangatahako izany; ary hatramin'ny farafofonaiko no hitadiavako azy.
15 Rehefa namony tao amiko ny fahendrena, dia moa va tsy sampahom-boaloboka mihamatoy, ka nanjary fifalian'ny foko izany; dia lala-mahitsy no nizoran'ny diako, ary nanjohy soritra ny fahendrena aho nanomboka tamin'ny fahatanorako.
16 Nanongilan-tsofina kelikely fotsiny aho hihaino azy, dia efa nandray ny fahendrena sahady ka nahazo fampianarana betsaka ho ahy.
17 Fandrosoana no vokatr'izany teo amiko, ka sitrako ny manome voninahitra an'Ilay nanolotra ahy ny fahendrena.
18 Eny, tapa-kevitra ny hampihatra azy aho; fatra-pitady ny soa aho ka tsy diso fanantenana.
19 Niezaka mafy hitana ny fahendrena aho ary nitandrina tsara hanoa ny lalanan'Andriamanitra. Nanandra-tanana any ambony aho mba hivavaka; ka niekeko ny fanaovako tsirambina ny fahendrena.
20 Notarihiko hifantoka aminy ny fanahiko; ary nadio toetra aho ka nahita azy. Hatrany am-boalohany no nahazoako fahalalana taminy, ka izany no tsy hamoizany ahy na oviana na oviana.
21 Nientam-po hikatsaka azy aho ka nahazo zava-tsoa sarobidy.
22 Dia nomen'ny TOMPO fahaiza-miteny ho valisoa aho ka ampiasaiko hiderana Azy izany.
23 Manatona ahy ianareo, ry olona tsy manam-pahalalana, aoka hiorim-ponenana aty an-trano fianaram-pahendrena.
24 Nahoana no milaza ho tsy manana ny hareny ianareo, kanefa mangetaheta fatratra izany ny fanahinareo?
25 Miloa-bava aho ka miteny hoe: "Raiso maimaim-poana ny fahendrena.
26 Aondreho eo ambany ziogany ny vozonareo ary aoka ny fanahinareo handre ny fampianarany , fa akaiky dia akaiky anareo izy ka mora hita.
27 Aoka hahita maso ianareo fa tsy nikely aina firy aho, dia efa nahazo fitsaharana lehibe ho an'ny tenako.
28 Milatsaha hihaino ny fampianarako izay sarobidy toy ny volafotsy betsaka; fa vokatr'izany kosa dia mova tsy volamena betsaka no tombontsoa ho azonareo."
29 Mifalia amin'ny indrafon'ny TOMPO ianareo, ary aza menatra amin'ny fiderana Azy.
30 Tanteraho ny asanareo alohan'ny fotoana hiaviany, dia homeny valisoa ianareo amin'ny fotoanandrony.
Baròka
Toko voalohany
1 Toy izao ireo teny ao amin'ny boky nosoratan' i Baroka zanakalahin'i Neria, zafikelin'i Mahaseia , zafiafin'i Tsedekia, zafindohalik'i Hasadia, zafin-kitrokelin'i Hilkia tany Babilona.2 Ny namoahana io boky io dia tamin'ny tsingerin-taona fahadimy nahazoan'ny Babilonianina an'i Jerosalema ka nandravany azy tamin'ny afo, izany hoe tamin'ny andro fahafiton'ny volana fahadimy.
3 Ny teny tao anatin'ity boky ity dia novakin'i Baroka teo anatrehan'i Jekonia , zanakalahin'i Joakima sady mpanjakan'i Joda, ary koa teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tonga hihaino izany.
4 Teo daholo izay Jiosy rehetra nonina tany Babilona teo amoron'ny ony Soda , dia ny manampahefana sy ny zanaky ny mpanjaka sy ny loholona ary ny vahoaka rehetra, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra.
5 Nitomany teo anatrehan'ny TOMPO ny olona, ary nifady hanina sady nivavaka.
6 Avy teo dia nanangom-bola izy, ka samy nanome araka izay azony natao,
7 dia nalefany tany Jerosalema ny vola ho an'i Joakima mpisorona, zanakalahin'i Hilkia sady zafin'i Saloma, ary ho an'ireo mpisorona hafa mbamin'ireo vahoaka rehetra izay miaraka aminy any Jerosalema.
8 Tamin'ny andro fahafolon'ny volana Sivana dia efa azon'i Baroka indray ireo fanaka nalaina tao amin'ny tempolin'ny Tompo, ary nokasainy haverina any amin'ny tanin'i Joda.
9 Izany dia ny fanaka volafotsy izay nampanamboarin'i Tsedekia, zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda, taorian'ny namaboan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona an'i Jekonia sy ireo mpitondra sy ireo mpahay taozavatra sy ireo manampahefana mbamin'ny vahoakan'i Joda avy tao Jerosalema ka nitondra ny azy any Babilona.
10 Nandefa hafatra ho an'ireo olona tany Jerosalema ireo babo ka nanao hoe: "Nandefa vola ho anareo izahay, koa mividiana vovo-javamanitra sy biby hatao soronadorana manontolo sy sorona fanalana ny ota; dia manolora fanatitra ianareo ary atero eo ambony alitaran'ny TOMPO Andriamanitsika ireo sorona ireo.
11 Mivavaha koa ho an'i Nebokadnetsara mpanjaka sy i Belsatsara zanany lahy. Mangataha amin'Andriamanitra mba hamelany azy ho ela velona tahaka ny lanitra eny ambonin'ny tany.
12 Ataovy izany mba hanomezan'Andriamanitra hery anay sy hamerenany ny fifalianay , mba hiainanay eo ambany fiarovan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona sy i Belsatsara zanany lahy, ka hanompoanay azy mandritra ny andro maro mba hahitanay sitraka eo anatrehan'izy mianaka.
13 Farany, mivavaha amin'ny TOMPO Andriamanitsika ho antsika, satria Izy no nanotantsika ary tsy mbola nanaisotra ny fahatezerana amam-pahavinirany tamintsika mandraka androany.
14 Ao an-tranon'ny TOMPO, rehefa tonga ny fetin'ny Trano tomboka na amin'ny fotoana hafa ilana azy, dia vakio ampahibemaso ity boky izay alefanay aminareo ity ho fieken-keloka.
15 Izao no tokony holazainareo: "An'ny TOMPO Andriamanitsika ny fahamarinana, fa antsika kosa ny henatra tahaka izao anio izao; eny, antsika olon'i Joda sy mponin'i Jerosalema ny henatra,
16 ary koa an'ireo mpanjakantsika sy mpitondrantsika, an'ireo mpisorontsika sy mpaminanintsika ary an'ireo razantsika!
17 Nanota tamin'ny TOMPO isika,
18 ary nivadika taminy, fa tsy nihaino ny TOMPO Andriamanitsika raha nasainy nanaraka ny didy izay napetrany teo anoloantsika.
19 Hatry ny namoahan'ny TOMPO ireo razantsika hiala tany Ejipta ka mandraka androany, dia tsy nitsahatra nivadika tamin'ny TOMPO Andriamanitsika isika, fa nivily tsy nety nihaino ny feony.
20 Koa araka izao hita anio izao, dia niraikitra tamintsika ireo loza mbamin'ny ozona izay nampilazainy an'i Mosesy mpanompony tamin'ny andro izay namoahany ny razantsikahiala tany Ejipta mba hanomezany antsika ny tany tondra-dronono sy tantely.
21 Ny TOMPO Andriamanitsika no naniraka tamintsika ireo mpaminany, nefa tsy nohenointsika ny teny rehetra nampilazainy azy.
22 Fa samy nanaraka ny fironan-dratsin'ny fontsika avy isika, ka nanompo andriamani-kafa ary nanao izay ratsy teo imason'ny TOMPO Andriamanitsika.
Toko faha-2
1 "Koa notanterahin'ny TOMPO izay teny efa nolazainy hamelezana antsika sy ny mpitsarantsika izay natao hifehy an'i Israely sy ireo mpanjakantsika ary ny mpitondrantsika mbamin'ny olon'i Israely sy i Joda.