JeremiĆ
Toko faha-33
2 "Izao no lazain'ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO:3 Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao.
4 - 5. Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia milaza ny amin'ireo trano eto an-tanana sy ny lapan'ny mpanjakan'i Joda fa rava avokoa ireo. Ny amin'ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny hanoherana ny Babilonianina fa hahafeno faty eto an-tanana izany noho ny olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana rehetra nataon'ny mponin'i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny tananany.
6 Kanefa indro Aho hitsabo an'i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary hasehoko mitafotafo amin'ny mponina indray ny fiadanana sy ny filaminana."
7 Haveriko amin'ny laoniny indray i Joda sy i Israely ka hareniko ho tahaka ny fahiny.
8 Hodiovikoho afaka amin'ny heloka rehetra izay nataony tamiko izy; eny, havelako ny heloka rehetra izay nikomiany tamiko.
9 Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran'i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason'ny firenen-kafa rehetra ambonin'ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin'i Jerosalema ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy."
10 Izao no lazain'ny TOMPO: "Ianareo vahoakan'i Joda dia mamerimberina hoe rava ny taninay ka tsy ahitana olona na biby fiompy intsony. Marina tokoa fa ny tananan'i Joda sy ny lalamben'i Jerosalema dia foana ka tsy ahitana olona na biby fiompy monina ao intsony. Kanefa amin'izany toerana izany no mbola handrenesana indray
11 ny kotaban'ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran'ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn'izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran'ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy IzahoTOMPO, haveriko amin'ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany."
12 Izao koa no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao:"Eto amin'ity toerana ravaka tsy ahitana olona na biby fiompy ity sy amin'ny tananany rehetra dia hisy faritra hampandrian'ireompiandry ondry ny biby fiompiny.
13 Ao amin'ireo tanana any an-tendrombohitra sy any Sefela ary any Negeba, ao amin'ny faritanin'i Benjamina sy ny manodidina an'i Jerosalema ary ao amin'ireo tananan'i Joda, hoy Izaho TOMPO, dia handalo eo anatrehan'ny mpiandry azy indray ny ondry aman'osy mba hoisainy."
14 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: "Indro avy ny andro izay hanatanterahako ny zava-tsoa nampanantenaiko ny vahoakan'i Israely sy ny vahoakan'i Joda.
15 Amin'izany andro sy fotoana izany, dia solofo mpandala ny hitsiny no hapoitrako ho an'i Davida. Izy no hampihatra ny rariny sy ny hitsiny eo amin'ny tany.
16 Amin'izay dia ho afaka ny fanjakan'i Joda ary hiaina am-pilaminana ny mponin'i Jerosalema. Ka ny hiantsoana an'i Jerosalema dia hoe "Ny TOMPO no fahamarinantsika."
17 Izao koa no lazain'ny TOMPO: "I Davida mpanjaka dia tsy ho tapaka mpandimby azy eo amin'ny seza fiandrianan'i Israely.
18 Ary ny mpisorona taranak'i Levy tsy ho tapaka olona hijoro eo anatrehako hanolotra sorona dorana manontolo, ary hampakatra ny eton'ny fanatitra sy ny sorom-pihavanana fanao isan'andro."
19 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Jeremia nanao hoe:
20 "Izao no lazain'ny TOMPO: Raha mahafoana ny fifanekena nataoko tamin'ny andro sy ny alina ianareo ka mahasakana ny andro sy ny alina tsy hiseho araka ny fotoanany,
21 dia ho foana ny fanekem-pihavanana nataoko tamin'i Davida mpanompoko ka tsy hanana zanaka lahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany izy, ary tsy hisy koa ny mpisorona taranak'i Levy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
22 Tsia, fa ny taranak'i Davida mpanompoko sy ny an'ireo levita izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy dia ho maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ka tsy ho hita isa ary toy ny fasika eny amoron-dranomasina ka tsy ho hita fatra."
23 Ary farany, dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Jeremia nanao hoe:
24 "Tsy mba voamarikao angaha fa lazain'ny olona hoe nariako hono ireo fianakaviana roa nofidiko, dia i Israely sy i Joda? izay miteny izany anefa dia tsy mihevitra ny vahoakako ho firenena intsony fa manevateva azy.
25 Kanefa izao no lazaiko: Nanao fifanekena tamin'ny andro sy ny alina Aho, ary nametraka lalana mifehy ny lanitra sy ny tany.
26 Koa hariako ve ny taranak'i Jakoba sy ny an'i Davida mpanompoko? Holaviko ve ny hanendry lehibe hitondra ny taranak'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba? Tsia, fa hamerina azy amin'ny laoniny Aho ary hamindrafo aminy."""
Toko faha-34
1 Niady tamin'i Jerosalema sy ireo tananan'i Joda i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona, niaraka tamin' ny tafiny rehetra sy ny miaramilan'ny fanjakana rehetra eran-tany mbamin'ny vahoaka rehetra teo ambany fahefany. Tamin'izany no tonga ho an'i Jeremia avy amin'ny TOMPO izao teny manaraka izao:2 "Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely no mandidy anao hankany amin'i Tsedekia mpanjakan'i Joda mba hilaza izao hafatro izao: Hatolotro eo an-tanan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona ity tanana ity mba hodorany amin'ny afo.
3 Ary tsy ho afa-miala aminy ianao, fa ho azo sambo-belona ka hatolotra azy. Tsy maintsy hifanatri-maso aminy ianao ka hamaly azy mivantana alohan'ny hankanesanao any Babilona.
4 Kanefa raha mankato ny teniko ianao, ry Tsedekia mpanjakan'i Joda, dia tsy ho faty an'ady ianao. Izaho TOMPO mihitsy no milaza izany aminao."
5 Fa ho faty amim-piadanana aza ianao, ka ny fandevenana anao dia hatao tahaka ny an'ireo razanao izay mpanjaka talohanao: handoran'ny olona zava-manitra ianao sady hanaovany hira fisaonana hoe: "Indrisy, ry mpanjaka Tompoko!" Izaho TOMPO mihitsy no milaza, ary teny hentitra avy amiko izany!"
6 Izany teny rehetra izany no nampitain'i Jeremia tamin'i Tsedekia, mpanjakan'i Joda, tany Jerosalema.
7 Tamin'izay fotoana izay ny tafiky ny mpanjakan'i Babilona dia namely an'i Jerosalema sy ireo tanana mimanda hafa tany Joda izay mbola sisa nijoro, dia i Lakisy sy i Hazeka.
8 Ary izao indray no teny tonga ho an'i Jeremia avy amin'ny TOMPO. Izany moa dia taorian'ny nanaovan'i Tsedekia mpanjaka sy ny mponina rehetra tao Jerosalema fifanekena ampahibemaso fa samy hanambara ny fahafahan'ny andevony avy.
9 Tsy maintsy handefa ny andevony hebreo na lahy na vavy ho afaka ny olona tsirairay, ka tsy hisy intsony hampanompo ny taranak'i Joda mpiray firenena aminy.
10 Ny mpitondra fanjakana rehetra sy ny mponina tao Jerosalema dia samy nandray anjara tamin'izany fifanekena ampahibemaso izany avokoa ary nanaiky tsy hampanompo intsony ireo lehilahy sy vehivavy eo an-tanany, fa samy handefa azy ireny ho afaka. Samy nanaiky izany fifanekena izany avokoa ny olona ka namela ny mpanompony handeha.
11 Kanjo niova hevitra izy ireo taorian'izany ka namerina ny lehilahy sy vehivavy nafahany ary nanandevo azy indray.
12 Koa tonga tamin'i Jeremia ny teny avy amin'ny TOMPO nanao hoe:
13 "Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Efa nanao fifanekena tamin'ny razanareo koa Aho fony namoaka azy tany Ejipta izay toerana nanandevozana azy.
14 Isaky ny fito taona, hoy Aho taminy, dia aoka ianareo samy handefa ho afaka ireo Hebreo mpiray firenena aminareo, Hebreo izay nitolo-tena ho andevo taminareo ka efa nanompo anareo enin-taona. Tokony havelanareo ho afaka malalaka izy. Kanjo ny razanareo tsy nanaiky Ahy, ary tsy nihaino Ahy akory.
15 Fa ianareo kosa tato ho ato dia nanao fanapahan-kevitra mifanohitra amin'izany, ary hitako fa nanao izay mahitsy ianareo raha nanambara fanafahana ho an'ny namanareo, sady nanao fifanekena ampahibemaso tao amin'ny trano natokana ho Ahy.
16 Kanjo niova hevitra ianareo sady nanao tsinontsinona Ahy, fa samy namerina indray ireo mpanompo lahy sy vavy izay efa nalefanareo handeha ka nanery azy ho andevo indray."
17 Dia hoy ihany i Jeremia hoe: "Noho izany dia izao no lazain'ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an'ny mpanompony avy ianareo, dia ho an'ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankato Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin'ny fanjakana rehetra eran-tany.
18 "Ireo manampahefana eto Joda sy i Jerosalema, ireo mpiasam-panjakana ambony, ireo mpisorona ary ireo olona afaka rehetra teo amin'ny tany, dia nivadika ny fifanekena tamiko ka tsy nahatana ny tenin'ny fanekena nataony teo anatrehako fony nosasahana ny ombilahikely ka nandeha namaky teo anivony izy.
20 Koa hatolotro ho eo an-tanan'ny fahavalo izay mitady hahafaty azy izy; ary ho sakafon'ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.
21 I Tsedekia mpanjaka sy ireo mpiasam-panjakana ambony koa dia hatolotro ho eo an-tanan'ny fahavalo izay mitady hahafaty azy, dia ny tafiky ny mpanjakan'i Babilona. Nisinda nihataka kely ankehitriny izany tafika izany;
22 saingy hasaiko hiverina hanafika ity tanana ity indray izy, ka hahazo sy handoro azy. Ary ireo tananan'i Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina; teny hentitra avy amikoTOMPO izany."
Toko faha-35
1 Tamin'ny andron'i Joiakima, zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda , dia tonga ho an'i Jeremia avy amin'ny TOMPO izao teny izao:2 Mandehana mankany amin'ny fokon'ny Rekabita ka reseo lahatra izy mba hankao amin'ny efitra iray ao an-tranoko, dia rosoy divay ho sotroiny.
3 Dia nandeha aho, ka naka an'i Jazania, zanakalahin'i Jirmeia sady zafikelin'i Habatsinia,mbamin'ny rahalahin'io Jazania io sy ny zanakalahiny rehetra, dia ny fokon'ny Rekabita manontolo.
4 Nampidiriko tao amin'ny efitra iray tao an-tranon'ny TOMPO izy, dia tao amin'ny efitra voatokana ho an'ny mpianatr'i Hanana, izay lehilahy masina sady zanakalahin'i Jigdalia. Io efitra io dia teo akaikin'ilay efitranon'ireo lehibe ary teo ambonin'ny an'i Mahaseia, zanakalahin'i Saloma izay mpisorona miambina ny varavarana fidirana amin'ny tempoly.
5 Dia narosoko teo anoloan'ireo Rekabita ireo ny siny feno divay sy ny tsatokaty, ary hoy aho taminy: -Misotroa divay ianareo!