Jôba
Toko faha-32
4 Fa mbola niandry i Eliho vao niteny tamin'i Joba, satria be taona kokoa noho izy ny hafa.5 Rehefa hitany anefa fa tsy nanan-kavaly intsony izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany.
6 Dia niteny i Eliho zanakalahin'i Barakela avy amin'ny fokon'i Boza ka nanao hoe: Mbola tanora loatra aho fa ianareo kosa efa be taona koa dia natahotra aho aloha ary tsy sahy nanambara taminareo izay mba fantatro.
7 Fa hoy aho anakampoko hoe: "Aoka ny be taona hiteny, ary ny anti-panahy hampianatra ny fahendrena."
8 Kanefa ao amin'ny olombelona ao dia ny fanahy, na ny fofonain'ilay Tsitoha, no manome fahalalana azy.
9 Fa tsy hoe taona na traikefa ananana no mampahendry sy ahalalana ny marina.
10 Noho izany, mangataka anareo aho hihaino ahy fa hambarako aminareo koa izay mba fantatro.
11 Mba niandry izay kabarinareo aho ary nampandry sofina tamin'izay halahatrareo, mandra-pandinidinikareo izay ho lazaina.
12 Eny, nihaino tsara anareo aho, fa tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo.
13 Ary aza manao hoe: "Efa hitanay ny fahendrena: Andriamanitra fa tsy olombelona no hamaly azy."
14 Tsy nikabary hamely ahy anefa i Joba, ary tsy ny teninareo no hamaliako azy.
15 Indro fa very hevitra izy telo lahy, ry Joba, hany ka tsy mamaly anao intsony ary tsy mahita izay hotenenina.
16 Niandry foana aho fa tsy niteny izy sady nijanona tsy namaly intsony;
17 koa anjarako indray no miteny hanambara izay mba fantatro.
18 Fa feno izay tokony ho lazaina ny foko; fanoitra ato anatiko no manery ahy hiteny.
19 Mamorivory toa iotrehan-divay ny ato anatiko ka tahaka ny siny hoditra vaovao efa ho triatra.
20 Koa avelao aho hiteny hampahamaivana ahy; dia ho afaka hanoka-bava aho ka hamaly.
21 Tsy mba hizaha tavan'olona aho na handodoka na iza na iza;
22 fa tsy mahay mandodoka olona aho, sao ho foanan'ny Mpahariko tsy hoela.
Toko faha-33
1 Meteza ianao, ry Joba, hihaino ny kabariko ary mampandria sofina amin'ny teniko rehetra.2 Indro efa hanoka-bava aho fa efa mby eo an-delako ny teny.
3 An-kitsimpo tanteraka no hitenenako ka dia hilaza ny tena marina aho.
4 Fa Fanahin'Andriamanitra no nahariana ahy ary fofonain'ilay Tsitoha no mamelona ahy.
5 Valio aho, raha azonao atao; omany ny fotokevitrao, ka mifanatreha amiko.
6 Fa mitovy isika eo anoloan'Andriamanitra: tanimanga no samy namolavolana antsika.
7 Ny tahotra ahy tsy mampihontsona anao, ary ny fahefako tsy mitambesatra aminao.
8 Reko ary mbola ato an-tsofiko ny feon'ny teninao manao hoe:
9 "Tsy manan-tsiny aho ary tsy manan-keloka, madio ary tsy manam-pahadisoana.
10 Nefa Andriamanitra dia mbola mahita zavatra ho kianina amiko ihany ary mihevitra ahy ho fahavalony.
11 Tsy mamela ahy handeha an-kalalahana Izy fa mitsikilo ny fihetsiko rehetra."
12 Izany, hoy aho, no mahadiso anao, ry Joba; satria lehibe loatra Andriamanitra hany ka tsy azon'ny olona ifanandrinana.
13 Koa nahoana Izy no iadianao rehefa tsy mamaly izay fanontanianao?
14 Na dia miteny aza Andriamanitra ka mamerimberina izany, dia tsy misy miraika.
15 Rehefa sondrian-tory amin'ny alina ny olona ka renoka tanteraka eo am-pandriany, dia amin'ny nofy sy fahitana no fomba itenenan'Andriamanitra;
16 anaovany fanambarana ireo amin'izay, ary asiany tombokase ny fampitandremany,
17 mba hampiala azy amin'ny fanaony sy hampifady azy ny fiavonavona.
18 Toy izany no iarovan'Andriamanitra ny olona tsy hankany amin'ny fahaverezana ary amonjeny ny ainy tsy hiharan-tsabatra.
19 Anarin'Andriamanitra koa izy amin'ny fanaintainana eo am-pandriana rehefa ampangovitin'ny tazo tsy misy farany.
20 Mankaloiloy azy ny sakafo amin'izany; tsy mampahazoto homana azy izay hanim-py.
21 Mihamahia izy ka ny nofony tsy misy ho jerena; fa ny taolany tsy hita taloha no mitranitrany.
22 Efa mihamanatona ny fasana izy, ary ny ainy efa ho an-tanan'ny mpaka azy.
23 Raha misy anjely iray ao anatin'ny arivo tonga mba hanampy io olona io ka hampahafantatra azy ny adidiny,
24 dia hiantra azy ilay anjely ka hanao amin'Andriamanitra hoe: "Aza avela hidina any am-pasana izy, fa efa nahita avotra ho azy aho."
25 Dia hihatanora indray ny tenan'ilay narary teo ka hiverina amin'ny andro mahazatovo azy.
26 Mivavaka amin'Andriamanitra izy ary mahazo sitraka aminy; am-piravoravoana no anatrehany tava an'Ilay manolotra fahafahana ny olona.
27 Hihira izy ka hilaza amin'ny besinimaro hoe: "Efa nanota aho fa nandika ny rariny; nefa tsy arakaraka ny nataoko no namaizan'Andriamanitra ahy.
28 Nanavotra ahy tsy hidina any am-pasana Izy ka velona sy mahita ny mazava aho!"
29 Izany rehetra izany no ataon'Andriamanitra indroa na intelo amin'ny olona,
30 mba hamerenany azy tsy ho any am-pasana sy hanazavany azy amin'ny fahazavan'ny velona.
31 Tandremo, ry Joba, ka henoy tsara aho; mangina kely aloha fa izaho mbola hiteny.