Estera

Toko faha-2

3 Anendreo olona any amin'ny faritany isan-tokony eran'ny fanjakanao, dia aoka ireo no hamory ny tovovavy virijiny sady tsara tarehy ho aty Sosany renivohitra. I Hegay, tandapa mpiandraikitra ny tranom-behivavy, no hitandrina azy sady hanome ny fitaovana hikarakarany tena;

4 ka izay tovovavy sitrakao no ho mpanjakavavy solon'i Vasty. Sitraky ny amperora izany torohevitra izany ka dia narahiny.

5 Nisy Jiosy anankiray nantsoina hoe Mordokay tao Sosany renivohitra; izy io dia lehilahy benjaminita zanak'i Jairo, izay taranak'i Simehy sy i Kisy.

6 Anisan'ireo nobaboin'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona izy, ka nentiny avy tany Jerosalema niaraka tamin'i Jekonia mpanjakan'i Joda.

7 Nitaiza an'i Hadasa (na hoe Estera) zanakavavin'ny rahalahin-drainy izy. Soa sady tsara tarehy razazavavy ary rehefa maty irainy sy ireniny, dia natsangan'i Mordokay ho zanany.

8 Nony tafaely ny didy aman-dalanan'ny amperora, dia tovovavy maro no voavory tao Sosany renivohitra mba hiandraiketan'i Hegay. Anisan'ireo nentina ho ao an-dapan'ny amperora koa i Estera ka niandraiketan'i Hegay mpitandrina ny vehivavy.

9 Nahazo fanambinana teo anatrehan'i Hegay i Estera, satria nahafinaritra azy ny toetran-drazazavavy: nomeny faingana azy ny fitaovana hikarakarany tena sy ny anjara sakafony ary koa mpanompovavy fito izay voafantina manokana avy tao an-dapa; dia nafindrany ho ao amin'ny efitra tsara indrindra tao amin'ny tranom-behivavy izy sy ireo mpanompovaviny.

10 Tsy nolazain'i Estera ny fireneny na firazanany, satria nopeperan'i Mordokay izy mba tsy hilaza izany.

11 I Mordokay kosa nitsangantsangana isan'andro teo anoloan'ny kianjan'ny tranom-behivavy mba hahafantarany ny toe-pahasalaman'i Estera sy izay anaovan'ny olona azy.

12 Nandritra ny herintaona, ireto tovovavy ireto dia nanaraka ny fomba fikarakaran-tena sahaza ny vehivavy, ka enim-bolana notrorina menaka misy miora ary enim-bolana notrorina ilomanitra sy zavatra isan-karazany fampiasam-behivavy. Rehefa tapitra izany herintaona izany, dia mandeha tsirairay any amin'ny amperora Kserksesa ireo tovovavy.

13 Nony miala ny tranom-behivavy mba hiditra ao an-dapa razazavavy, dia nomena azy ny zavatra rehetra nilainy;

14 ny hariva izy no mandeha any amin'ny amperora, ary ny ampitso maraina kosa lasa mankao amin'ilay trano faharoa fitoeram-behivavy, iandraiketan'i Sahasgaza tandapa mpitandrina ny vaditsindranon'ny amperora. Tsy mba miverina any amin'ny amperora intsony ireto vehivavy ireto, afa-tsy raha irin'ny amperora ka tononony anarana.

15 Indray andro, dia anjaran'i Estera zanakavavin'i Abihaila rahalahin-drain'i Mordokay sady zanaka natsangan'i Mordokay rahateo ny mandeha any amin'ny amperora. Tsy nila na inona na inona razazavavy, afa-tsy izay natoron'i Hegay tandapa mpitandrina ny vehivavy; kanefa i Estera dia nahazo fitia teo imason'ny olona rehetra nahita azy.

16 Nentina hankao an-dapa ho any amin'ny amperora izy tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Kserksesa, volana fahafolo na volana Tebeta.

17 Naharaiki-pitia ny amperora mihoatra noho ny vehivavy hafa i Estera; ka tamin'ireo tovovavy rehetra ireo, dia izy no nahazo fitia sy fanambinana teo anatrehan'ny amperora. Ary nosatrohan'i Kserksesa ny satroboninahi-piandrianana izy sady nambarany ho mpanjakavavy hisolo an'i Vasty.

18 Dia nanao fanasana ny amperora ho fanomezam-boninahitra an'i Estera ka niantso izay rehetra andriambaventiny sy mpandraharahany izy. Nisy hetra nofoanany ho an'ireo mponina isam-paritra eran'ny fanjakany sady nisy fanomezana be nataony, satria nalala-tanana tokoa izy.

19 Dia nisy famoriana tovovavy fanindroany, ka tamin'izay i Mordokay efa mpiasam-panjakana tao an-dapan'ny amperora.

20 I Estera kosa tsy nilaza ny firazanany na fireneny araka ny nameperan'i Mordokay azy; satria nankatoavin'i Estera hatrany ny tenin'i Mordokay tahaka ny fony izy mbola notezainy ihany.

21 Tamin'izany andro izany, raha nanao ny asam-panjakana tao an-dapa i Mordokay, dia tezitra tamin'i Kserksesa i Bigtana sy i Taresa anisan'ny tandapa mpiambina teo am-baravaran'ny efitranon'ny amperora; ka nitady hamono an'i Kserksesa izy roa lahy.

22 Fantatr'i Mordokay io tetika io ka nambarany tamin'i Estera mpanjakavavy izay nampita izany tamin'ny amperora kosa, ho filazana avy amin'i Mordokay.

23 Rehefa nofotorana izany zavatra izany, dia hita fa marina; ka dia nahantona tamin'ny hazo izy roa lahy. Ary teo anatrehan'ny amperora no nanoratana izany raharaha izany tao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo amperora.

Toko faha-3

1 Taty aorian'izany, dia nomen'ny amperora Kserksesa laharana ambony i Hamana zanakalahin'i Hamedata sady taranak'i Agaga, ka nasandrany hipetraka eo amin'ny toerana maha praiminisitra.

2 Ny mpandraharaha rehetra tao an-dapa dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana, satria izany no didin'ny amperora. Fa i Mordokay kosa tsy mba nety nanao izany.

3 Ka hoy ny mpandraharaha hafa tamin'i Mordokay: Nahoana ianao no mandika ny didin'ny amperoray

4 Na dia naverimberin'ireo tamin'i Mordokay isan'andro aza izany fanontaniana izany, dia tsy niraharaha izy fa namaly fotsiny hoe: Jiosy aho! Dia notaterin'ireo tamin'i Hamana izy mba hizahany na haharitra amin'ny teniny ihany i Mordokay na tsia.

5 Rehefa hitan'i Hamana fa tsy mba nety nandohalika sy niankohoka teo anatrehany tokoa i Mordokay, dia tezitra mafy izy.

6 Nampahafantarina azy rahateo fa Jiosy i Mordokay. Ary nataon'i Hamana fa tsy ampy ny maninji-tanana hamely an'i Mordokay irery ihany, ka dia notadiaviny haringana koa ny Jiosy rehetra manerana ny fanjakan'i Kserksesa, satria mpiray firenena amin'i Mordokay ireo.

7 Tamin'ny taona faha-12 nanjakan'i Kserksesa, volana voalohany na volana Nisana, no nanaovana ny antsapaka (atao hoe Porima) teo anatrehan'i Hamana hahafantarana ny fotoanandro tokony hanatanterahana izany; ka rehefa notetezina ny andro sy ny volana, dia ny volana faha-12 na volana Adara no voatondron'ny antsapaka.

8 Ary hoy i Hamana tamin'ny amperora Kserksesa: Ry andriamanjaka, misy firenena iray efa miely eny amin'ny faritany rehetra manerana ny fanjakana; maningana io firenena io ary hafa lalana noho ny firenena rehetra sady tsy mba mankato ny lalananao. Tsy mahasoa anao ny mamela azy fotsiny amin'izao.

9 Koa raha sitrakao, dia aoka ianao hamoaka didy an-tsoratra mba handringanana azy; volafotsy 340 000 kilao kosa no haloako ho eo an-tanan'ireo mpandraharahanao mba harotsany ao amin'ny tahirim-bolam-panjakana.

10 Dia nesorin'ny amperora teny an-tanany ny peratra tombokase ka nomeny an'ilay fahavalon'ny Jiosy, dia i Hamana zanakalahin'i Hamedata sady taranak'i Agaga;

11 ary hoy izy tamin'i Hamana: Afoy ho anao ny volafotsy; ary hatolotra anao koa izany firenena izany hanaovanao azy araka izay sitrakao. 12 Tamin'ny volana voalohany, andro faha-13, dia nantsoina ireo mpitantsoratry ny amperora: Araka izay rehetra nandidian'i Hamana no nanoratany taratasy ho an'ny solotenan'ny amperora sy ho an'ny governora isam-paritany ary ho an'ny mpitondra isam-pirenena, dia taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony. Tamin'ny anaran'i Kserksesa no nanasoniavana azy ka nasiana tombokase tamin'ny peratry ny amperora.

13 Nisy iraka nampitondraina ireo taratasy ireo ho any amin'ny faritany rehetra manerana ny fanjakana. Ny baiko raketiny dia ny handringanana sy hamonoana ho ripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra, hatramin'ny zaza amam-behivavy aza, ary koa ny handrobana ny fananany. Anatin'ny indray andro monja no hanatanterahana izany fandripahana izany, dia ny andro faha-13 amin'ny volana faha-12 na volana Adara.

14 Ny kopian'io taratasy io dia navoaka ho didy manan-kery amin'ny isam-paritany ary nampahafantarina ny olona rehetra mba hampiomana azy ho amin'izany andro izany.

15 Noho ny baikon'ny amperora, dia nandeha faingana ny iraka; ary navoaka tao Sosany renivohitra koa izany didy manan-kery izany. Dia nipetraka hisotro ny amperora sy i Hamana, fa very hevitra kosa i Sosany iray tanana.

Toko faha-4

1 Nony fantatr'i Mordokay ny zava-drehetra nitranga, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy gony sady nihosin-davenona ary nankeo afovoan'ny tanana ka nitaraina sy nidradradradra mafy.

2 Tonga hatrany anoloan'ny lapa aza izy, saingy nijanona teo satria tsy azon'ny olona mitafy gony atao ny miditra ny lapa.

3 Tany amin'ny faritany rehetra nahatongavan'ny baiko aman-didin'ny amperora, dia nalahelo mafy koa ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nitafy gony sy nandry teo ambony lavenona.

4 Tonga nilaza izany tamin'i Estera ireo mpanompovaviny. Dia nalahelo tokoa ity mpanjakavavy ka nampanatitra akanjo hitafian'i Mordokay mba hanesorany ny gony teny aminy; kanefa tsy nety nandray izy.

5 Ary nantsoin'i Estera i Hataka, anisan'ireo tandapa tinendrin'ny amperora hanompo azy; io Hataka io no nalefan'ny mpanjakavavy ho any amin'i Mordokay mba hanontany azy ny zava-nitranga sy izay nahatonga azy hitafy gony.

6 Dia lasa i Hataka nankany amin'i Mordokay izay teo an-kianjan'ny tanana anoloan'ny lapan'ny amperora;

7 ary nambaran'i Mordokay taminy avokoa ny zava-drehetra nanjo azy sy ny tontalim-bola nokasain'i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan'ny amperora noho ny handringanana ny Jiosy.

8 Nomeny an'i Hataka koa ny kopian'ny didy navoaka tao Sosany handringanana ny Jiosy; nasainy hampiseho izany amin'i Estera izy sy hampahafantatra azy ny toe-javatra ary hiangavy azy hankao amin'ny amperora mba hifona aminy sy hangataka famindrampo ho an'ny fireneny.

9 Dia lasa i Hataka nanambara ny tenin'i Mordokay tamin'i Estera;

10 fa mbola nirahin'ity mpanjakavavy indray izy hilaza amin'i Mordokay hoe:

11 Ny olona rehetra, hatramin'ny mpanompon'ny amperora sy sarambabem-bahoaka any amin'ny faritany aza, dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin'ny amperora ho eo an-kianja anatin'ny lapa, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia lalana tokana manameloka ho faty no mihatra aminy; izay hotondroin'ny amperora amin'ny tehim-bolamena ihany no ho velona. Izaho kosa efa telopolo andro izay no tsy nantsoina hankao amin'ny mpanjaka.

12 Rehefa nilazana ny tenin'i Estera i Mordokay,

13 dia izao no nasainy navaly azy: Aza mihevitra anakampo fa ho afaka irery amin'ny Jiosy rehetra ianao satria monina ao an-dapa.

14 Raha hangina mihitsy ianao amin'ity toe-javatra ity, dia hisy fanampiana sy fanafahana hipoitra avy any an-kafa ho an'ny Jiosy; fa ianao no haringana ary ho lany tamingana ny fianakavianao. Ary iza no mahalala fa angamba ho amin'ity toe-javatra ity mihitsy no nanandratana anao ho mpanjakavavy?

15 Izao kosa no nasain'i Estera navaly an'i Mordokay:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9881