NehemiĆ
Toko faha-13
4 Talohan'izany i Eliasiba mpisorona no voatendry ho mpiandraikitra ny efitrano fanampiny ao an-tranon'Andriamanitra. Noho izy mpihavana akaiky tamin'i Tobia,5 dia nanomanany efitrano lehibe io Tobia io, dia ilay efitrano nitehirizana hatrizay ny fanatitra vokatry ny tany sy ny vovo-javamanitra ary ny fanaka mbamin'ny ampahafolon'ny vary sy divay ary menaka; tao koa no nitehirizana ny fanatitra voatokana ho an'ny levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana mbamin'ny fanatitra navahana ho an'ny mpisorona.
6 Saingy, tamin'izany rehetra izany, dia tsy mba tany Jerosalema aho; satria niverina tany amin'i Artakserksesa amperoran'i Babilona aho tamin'ny taona faha-32 nanjakany. Nony taoriandriana kely, dia nahazo lalana tamin'ny amperora aho
7 mba hankany Jerosalema indray; ka hitako tao ny ratsy afitsok'i Eliasiba tamin'ny nanomanany efitrano ho an'i Tobia, teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra.
8 Dia tezitra mafy aho ka natsipiko tany ivelan'ny efitrano ireo fanaka rehetra izay an'i Tobia.
9 Ary nasaiko nodiovin'ny olona ilay efitrano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon'Andriamanitra mbamin'ny fanatitra vokatry ny tany sy ny ditin-kazo manitra.
10 Reko ihany koa fa tsy voaloa ny fiveloman'ny levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ireo levita, toy izay hanao ny raharaha fanompoany. Toy izany koa no nihatra tamin'ny mpihira.
11 Dia nifandahatra tamin'ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia navela hilaozana ny tranon'Andriamanitray Dia namory ny levita sy ny mpihira aho ka nametraka azy teo amin'ny anjara toerany avy;
12 ny Jiosy rehetra kosa nitondra ny ampahafolon'ny vary sy divay ary menaka ho ao an-trano fitehirizana.
13 Ary notendreko ho mpitandrina ny trano fitehirizana i Selemia mpisorona sy i Tsadoka mpitan-tsoratra ary i Pedaia levita; ary nataoko mpanampy azy telo lahy i Hanana zanakalahin'i Zakora sady zafin'i Matania. Hita toetra ho mahatoky manko ireo; ary ny hanao ny fizarana ho an'ireo namany no adidiny.
14 Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitra o! Ka aza kosehina ny soa vitako momba ny tranonao sy momba ny fanompoam-pivavahana.
15 Tamin'izay koa no nahitako ny olona sasany tao Joda nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny andro sabata; nisy nitaona amboaram-bary, nampitondra entana ny borikiny aza, dia divay sy voaloboka sy aviavy ary entana isan-karazany, mba hoentina any Jerosalema amin'ny andro sabata; dia nananatra azy mafy aho ny amin'izany andro ivarotany entana izany.
16 Nisy Tirianina nonina tao Jerosalema, izay nitondra trondro sy entam-barotra isan-karazany hamidy andro sabata amin'ny mponin'i Jerosalema sy i Joda.
17 Dia nifandahatra tamin'ireo loholon'i Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia tsy hajainareo ny andro sabatay
18 Nanao ratsy toy izao ny razanareo ka dia nahatran'Andriamanitsika amintsika sy amin'ity tanana ity izao loza rehetra izao. Ianareo kosa, noho ny tsy anajanareo ny sabata, dia efa mampitombo ny fahatezeran'Andriamanitra amin'i Israely.
19 Taorian'izany, raha vao maizimaizina teo amin'ny vavahadin'i Jerosalema alohan'ny sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady ka tsy navelako hovohana raha tsy efa tapitra ny sabata; ary notendreko ny zatovo sasany mpiara-miasa amiko hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin'ny andro sabata.
20 Ka dia tafandry nilafika teo ivelan'i Jerosalema, indray mandeha na indroa, ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;
21 dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anoloan'ny manda? Raha mbola manao izany ianareo, dia asaiko samborina. Koa nanomboka tamin'io andro io, dia tsy tonga tamin'ny sabata intsony ireo.
22 Ary nasaiko nidio tena ny levita ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanokanana ny andro sabata ho an'Andriamanitra. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro o; ary iantrao aho fa be indrafo ianao!
23 Tamin'izany fotoanandro izany, dia hitako fa nisy Jiosy efa nanambady vehivavy asdodita sy hamonita ary moabita.
24 Ny antsasaky ny zanak'ireo dia nampiasa ny fiteny asdodita, ny sasany kosa nanaraka ny fiteny isam-pireneny avy, fa tsy nahay ny fiteny jiosy intsony.
25 Dia nifandahatra tamin'ireo lehilahy ireo aho ka nanozona azy; nokapohiko aza ny sasany ary norombotako ny volon-dohany. Dia nampianiana azy tamin'Andriamanitra aho mba tsy hanome ny zanakavaviny ho vadin'ny hafa firenena, ary mba tsy haka ny zanakavavin'ny hafa firenena ho vadin'ny tenany na ny zanakalahiny; sady hoy aho hoe:
26 Tsy izany ve no nanotan'i Salomona mpanjakan'i Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy, teo amin'ny firenena maro. Fa notiavin'Andriamanitra izy ka nataony ho mpanjakan'i Israely manontolo; kanjo, na dia izy aza, dia nampanotain'ny vehivavy hafa firenena.
27 Koa mety ve raha ianareo no re fa manao izao haratsiana lehibe izao ka manota amin'Andriamanitsika, satria vehivavy hafa firenena no alainareo ho vadinareo?
28 Ny anankiray tamin'ny zanakalahin'i Joiada sady zafin'i Eliasiba mpisorombe dia vinantolahin'i Sanebalato ilay Horonita, ka dia noroahiko niala tao Jerosalema.
29 Tsarovy ireo, ry Andriamanitro o, satria nanala baraka ny fisoronana sady nanazimba ny fanekempihavananao tamin'ny mpisorona sy ny levita.
30 Toy izany no nanadiovako ny Jiosy ho afaka tamin'ny olona hafa firenena rehetra sy namerenako tamin'ny laoniny indray ny fandaharana momba ny mpisorona sy ny levita mba samy ho amin'ny anjara raharahany avy.
31 Naveriko tamin'ny laoniny ihany koa ny fanaterana kitay araka ny fotoanandro voatondro sy ny fanaterana voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro o!
Estera
Toko voalohany
1 Ity tantara ity dia nitranga tamin'ny andron'ny amperora Kserksesa, izay nanjaka tamina faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiopia.2 Tamin'ny taona fahatelo nanjakany, fony izy nitoetra tamin'ny sezafiandrianana maha andriamanjaka azy tao Sosany renivohitra, dia nanaovany fanasana ireo rehetra andriambaventiny sy mpandraharahany; tonga teo anatrehany koa ny filohan'ny tafik'i Persia sy i Media ary ny governora sy ny mpitondra isam-paritany.
4 Nasehon'ny amperora azy ny harena amam-boninahitry ny fanjakana ary ny harevaka aman-drentin'ny fahalehibiazany; ka enim-bolana no naharetan'izany lanonambe izany.
5 Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia nanaovan'ny amperora fanasana teo amin'ny kianja ao anatin'ny zaridainan'ny lapa koa ireo olona rehetra izay tao Sosany renivohitra, na ny lehibe na ny kely; ka herinandro no naharetan'ny lanonana.
6 Nisy lamba temitra fotsy na maitso na manga, ka tady rongony fotsy sy volomparasy no nihantonany tamina masom-bolafotsy na tamina andry vatokaranana; nisy farafara volamena sy volafotsy nalahatra teo ambony lampivato alabasitra sy vatokaranana fotsy ary hara sy vatokaranana mainty.
7 Tsatokaty volamena karazany samy hafa no nampisotroana ny olona ary nitobaka ny divay satria nalala-tanana tokoa ny amperora.
8 Araka ny fepetra dia samy nisotro tsy nisy naneritery azy ny olona; fa ny nandidian'ny amperora ireo mpanompo rehetra ao an-dapany manko dia ny hanaovan'ny olona tsirairay araka izay sitrapony avy.
9 Tamin'izay i Vasty, vadin'ny amperora, dia mba nanao fanasana ho an'ny vehivavy koa tao amin'ny lapan'i Kserksesa.
10 Tamin'ny andro fahafiton'izany fanasambe izany, dia falifaly i Kserksesa azon'ny divay nosotroiny. Koa nampiantsoiny ny tandapa fito lahy izay nanompo azy manokana, dia ry i Mehomana sy i Bizeta, i Harbona sy i Bigta, i Abagta sy i Zetara ary i Karkasa;
11 ka nasainy hoentin'ireto tandapa ireto eo anatrehany i Vasty mpanjakavavy, misatroka ny satroboninahitra maha mpanjakavavy azy. Tiany haseho amin'ny manampahefana sy ny olon-kafa teo manko ny hatsaran-tarehin'i Vasty, satria maha te hizaha ravehivavy.
12 Nampitain'izy fito lahy tamin'ny mpanjakavavy ny tenin'ny amperora fa tsy nety nandeha mihitsy izy. Dia nisafoaka mafy ny amperora ka nirehitra izaitsizy ny fahatezerany.
13 Ary nakany hevitra ireo olon-kendry lalim-pahaizana, satria ny raharahan'ny amperora dia nalamina teo anatrehan'izay rehetra nahay lalana sy fitsarana.
14 Ny olon-kendry teo akaikin'ny amperora indrindra dia ry i Karsena sy i Setara, i Admata sy i Tarsisy, i Meresa sy i Marsena ary Memokana, izay minisitra fito tamin'i Persia sy i Media; nitokiany ry zareo ka nitana toerana voalohany teo amin'ny fanjakana.
15 Dia hoy ny amperora tamin'ireto olon-kendry: Tsy nankatoavin'i Vasty mpanjakavavy ny didiko nentin'ireo tandapako; ka, araka ny lalana, dia inona no sazy tokony hampiharina aminy?
16 Dia niteny teo anatrehan'ny amperora sy ny minisitra i Memokana ka namaly hoe: Tsy ny amperora ihany no nanaovan'i Vasty mpanjakavavy izao fihetsika ratsy izao, fa ny manampahefana rehetra koa sy ny vahoaka tsivakivolo isan-tokony eran'ny fanjakana.
17 Hiely amin'ny vehivavy rehetra manko izao zavatra vitan'ny mpanjakavavy izao ka hahatonga azy samy hanao tsinontsinona ny vadiny sy hilaza hoe: Ny amperora Kserksesa aza nandidy ny hitondrana an'i Vasty mpanjakavavy eo anatrehany, nefa tsy nety nandeha izy!
18 Ary na dia izao anio izao aza, dia handre ny nataon'ity mpanjakavavy ny vadin'ireo manampahefana manerana an'i Persia sy i Media ka samy hamalivaly ny vadiny avy; ary ny hatezeran'ny lehilahy no ho vokatr'izany famingavingan'ny vehivavy izany.
19 Koa raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy didy havoakanao hisakanana an'i Vasty tsy hiseho eo anatrehanao intsony ary hanomezana ny voninahitra maha mpanjakavavy ho ana vehivavy hafa mendrika izany kokoa noho izy; izany didy izany dia hosoratana ao amin'ny lalanan'i Persia sy i Media ka tsy ho azo ovana.
20 Rehefa ho tafaely eran'ity fanjakanao midadasika ity ny fanapahan-kevitra halainao, dia samy homen'ny vehivavy rehetra voninahitra ny vadiny, na lehibe na kely.
21 Sitraky ny amperora sy ireo minisitra ny torohevitr'i Memokana, ka dia narahin'i Kserksesa.
22 Nandefasany taratasy ny faritany rehetra manerana ny fanjakany, dia taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony; notakina mba ho masi-mandidy ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra ary mba ho ny fitenim-pireneny no hampisain'ny ankohonany.
Toko faha-2
1 Taorian'izany, rehefa nionona ny fahatezeran'ny amperora Kserksesa, dia nahatsiaro izay efa nataon'i Vasty sy izay tinapaka ny aminy izy. 2 Ka hoy ireo tandapa mpanompon'ny amperora hoe: Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny sady tsara tarehy!