NehemiĆ 

Toko faha-10

27  i Ahia sy i Hanany ary i Hanana,

28 i Maloka sy i Harima ary i Bahana.

29 Ny olona sisa, na mpisorona, na levita, na mpiandry varavarana, na mpihira, na mpanampy ny levita, na izay rehetra efa niavaka tamin'ny valovotaka mba hanaraka ny lalanan'Andriamanitra, na ny vadin'ireo, na ny zanany lahy sy vavy, izany hoe izay rehetra efa mahahaino tsara,

30 eny, ny olona sisa dia samy nikambana tsara tamin'ireo Israelita manan-kaja ireo; ka nianiana mafy izy rehetra hanaraka ny lalana izay nampitain'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy mpanompony, ary hitandrina sy hanatanteraka ny didy sy fitsipika aman-dalana rehetra izay nataon'ny TOMPO Andriamanitray.

31 Tsy homenay ho vadin'ny valovotaka ny zanakavavinay; ary tsy halainay ho vadin'ny zanakalahinay ny zanakavavin'ireo valovotaka.

32 Raha misy vary na entana hafa amidin'ny valovotaka amin'ny andro sabata na amin'ny andro fety, dia tsy hovidinay; ary, isaky ny taona fahafito, dia tsy hambolenay ny tany sady hafoinay ny trosa rehetra.

33 Nataonay lalana koa ny handoavana ny ampahatelon-tsekela isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon'Andriamanitray:

34 io rehetra io dia hahazoana ny mofo atolotra ho an'Andriamanitra, ny sorona dorana manontolo sy fanatitra vokatry ny tany fanao isan'andro, ny sorona fanolotra isaky ny sabata sy voaloham-bolana ary andro fety, ny fanatitra hafa voatokana ho zava-masina dia masina, ary ny sorona fanalana ny ota mba handraisan'ny vahoaka Israely famelan-keloka; farany, io hetra io dia hanatontosana ny raharaha rehetra fikarakarana ny tranon'Andriamanitray.

35 Nanao antsapaka izahay mpisorona sy levita ary sarambabem-bahoaka ny amin'ny hifandimbiasana hanatitra kitay hazo ho ao an-tranon'Andriamanitray, isam-pianakaviana amin'ny fotoanandro manandrify; isan-taona, araka izay voasoratra ao amin'ny lalana, no hitondranay an'izany kitay izany mba handorana ny sorona eo ambonin'ny alitaran'ny TOMPO Andriamanitray.

36 Isan-taona koa no hanateranay ao an-tranon'ny TOMPO ireo voaloham-bokatry ny taninay sy ireo voaloham-bokatry ny hazo rehetra fihinam-boa;

37 nekenay hoentina ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay ka harosonay amin'ny mpisorona izay manao ny fanompoana.

38 Ampahany voafantinay amin'ny koba sy voankazo ary divay sy menaka no hatolotray ho an'ny mpisorona ka hapetrakay ao an-tranon'Andriamanitray, ao amin'ny efitrano voatokana ho an'izany; hatolotray ho an'ny levita ny ampahafolon'ny vokatry ny taninay, ka ny levita mihitsy no handray io fahafolon-karena io eny an-tanana rehetra akaikin'ny fambolenay.

39 Rehefa mandray ny fahafolon-karena kosa ny levita, dia hisy mpisorona anankiray taranak'i Aharona hiaraka aminy; ary ny ampahafolon'ny fahafolon-karena dia hoentin'ny levita ao an-tranon'Andriamanitra, ao amin'ny efitrano fitehirizan-drakitra.

40 Ao amin'ireo efitrano ireo no hanateran'ny Israelita sy ny levita ny ampahany voafantiny amin'ny vary sy divay ary menaka; ao amin'ireo efitrano ireo mantsy no misy ny fanaky ny Toeramasina sady itoeran'ny mpisorona manao fanompoana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira. Amin'izany no tsy hanaovanay tsirambina ny tranon'Andriamanitray.

Toko faha-11

1 Niorim-ponenana tao Jerosalema ireo lehiben'ny vahoaka; ary nanaovana antsapaka ny vahoaka sisa mba hahatonga ny ampahafolony honina ao Jerosalema tanana masina, fa ny sivy toko kosa dia ho any amin'ny tanana hafa.

2 Nisaoran'ny vahoaka manokana ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina ao Jerosalema.

3 Ireo lohandohany teo amin'ny faritany no niorim-ponenana tao Jerosalema; fa ny Israelita sarambabem-bahoaka, ny mpisorona sy ny levita, ireo mpanampy ny levita sy ireo taranaky ny mpanompon'i Salomona dia samy tao amin'ny zarataniny aman-tananany avy.

4 Kanefa niorim-ponenana tao Jerosalema koa ny olona sasany tamin'ny taranak'i Joda sy i Benjamina. Tamin'ny taranak'i Joda dia ireto avy: i Hataia, anisan'ny terak'i Peretsa noho izy zanakalahin'i Hozia sy zafin'i Zakaria sy zafiafin'i Amaria sy zafin-dohalik'i Sefatia ary zafin-kitrokelin'i Mahalalela;

5 ary i Mahaseia, anisan'ny terak'i Sela noho izy zanakalahin'i Baroka sy zafin'i Kola-Hoze sy zafiafin'i Hazaia sy zafin-dohalik'i Hadaia sy zafin-kitrokelin'i Joiariba ary zafim-paladian'i Zakaria.

6 Lehilahy olombanona 468 no tontalin'ny terak'i Peretsa tonga nonina tao Jerosalema.

7 Tamin'ny taranak'i Benjamina dia ireto avy: i Salo, zanakalahin'i Mesolama sy zafin'i Joheda sy zafiafin'i Pedaia sy zafin-dohalik'i Kolaia sy zafin-kitrokelin'i Mahaseia sy zafim-paladian'i Itiela ary zafin-dorian'i Jesahia,

8 mbamin'ireo lehilahy olombanona mpiray foko aminy: dia 928 no tontalin'ny Benjaminita.

9 I Joela, zanakalahin'i Zikry, no mpifehy azy; ary i Joda, zanakalahin'i Senaa, no lefitry ny komandin'ny tanana.

10 Tamin'ny mpisorona dia ireto avy: i Jedahia, zanakalahin'i Joiakima;

11 i Seraia, zanakalahin'i Hilkia sy zafin'i Mesolama sy zafiafin'i Tsadoka sy zafin-dohalik'i Meraiota ary zafin-kitrokelin'i Ahitoba mpisorombe;

12 ary koa lehilahy 822 iray tarika amin'i Jedahia sy i Seraia, izay mpiasa teo amin'ny fanaovana ny tranon'Andriamanitra; i Hadaia, zanakalahin'i Jerohama sy zafin'i Pelahia sy zafiafin'i Ametsy sy zafin-dohalik'i Zakaria sy zafin-kitrokelin'i Pasehora ary zafim-paladian'i Malkia,

13 ary koa lehilahy 242 iray tarika amin'i Hadaia, izay samy loham-pianakaviana avy; i Hamasay, zanakalahin'i Hazarela sy zafin'i Ahezay sy zafiafin'i Meselemota ary zafin-dohalik'i Imera,

14 ary koa lehilahy tomady 128 iray tarika amin'i Hamasay, ka ny mpifehy azy dia i Zabdiela zanakalahin'i Gedolima.

15 Tamin'ny levita dia ireto avy: i Semahia, zanakalahin'i Hasoba sy zafin'i Hazrikama sy zafiafin'i Hasabia ary zafin-dohalik'i Bony;

16 i Sabetahy sy i Jozabada, anisan'ny lohandohan'ny levita sady tonian'ny raharaha teo ivelan'ny tranon'Andriamanitra;

17 i Matania zanakalahin'i Mika sy zafin'i Zabdy ary zafiafin'i Asafa ka izy no mpiventy ny hira fiderana amin'ny fotoam-pivavahana; i Bakbokia rahalahin'i Matania sady mpanampy azy amin'ny hira; ary i Habda, zanakalahin'i Samoa sy zafin'i Galala ary zafiafin'i Jedotona.

18 Ny levita rehetra, tao amin'ny tanana masina, dia 284.

19 Ny mpiandry varavarana dia i Hakoba sy i Talmona mbamin'ny namany izay niambina ny vavahady, ka 172 no isany.

20 Ny sisa tamin'ny Israelita sy ny mpisorona ary ny levita dia teny amin'ny tanana rehetra tao Joda, samy teo amin'ny zarataniny avy.

21 Fa ireo mpanampy ny levita dia nonina teo amin'ny faritr'i Hofela, ka i Tsiha sy i Gispa no nifehy azy.

22 Ny mpifehy ny levita tao Jerosalema dia i Hozy, zanakalahin'i Bany sy zafin'i Hasabia sy zafiafin'i Matania ary zafin-dohalik'i Mika; i Hozy dia anisan'ny tarik'i Asafa, ilay tarika mpihira miadidy ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra.

23 Fa nisy didin'ny mpanjaka ny amin'ireo mpihira ireo, dia ny handraiketana izay anjara asa hataony isan'andro.

24 I Petahia, zanakalahin'i Mesezabela sady anisan'ny terak'i Zera zanakalahin'i Joda, dia teo anilan'ny amperora mba hiandraikitra ny raharaha rehetra momba ny vahoaka israelita.

25 Ny sasany tamin'ny taranak'i Joda dia nonina tany amin'ireto tanana teny anivon-tsaha ireto: i Kiriata-Arba sy ireo tanana kely miankina aminy, i Dibona sy ireo tanana kely miankina aminy, i Kabitseela sy ny tanana mifanila aminy,

26 i Jesoa, i Molada, i Bety-Peleta,

27 i Hatsary-Sohaly, i Beera-Seba sy ireo tanana kely miankina aminy,

28 i Tsiklaga, i Mekona sy ireo tanana kely miankina aminy,

29 i Haina-Rimona, i Tsoreha, i Jarmota,

30 i Zanoa, i Hadolama sy ny tanana mifanila aminy, i Lakisy sy ny saha manodidina azy, i Hazeka sy ireo tanana kely miankina aminy. Nonina hatrany Beera-Seba any atsimo ka hatramin'ny lohasahan'i Hinoma any avaratra ireo taranak'i Joda ireo.

31 Ny sasany tamin'ny taranak'i Benjamina kosa dia nonina tamin'ireto tanana ireto: i Geba, i Mikmasy, i Haia, i Betela sy ireo tanana kely miankina aminy,

32 i Hanatota, i Noba, i Hanania,

33 i Hatsora, i Rama, i Gitaima,

34 i Hadida, i Tsebohima, i Nebalato,

35 i Loda, i Onao ary ny lohasahan'ny mpahay taozavatra.

36 Tamin'ireo levita, dia nisy ankolafiny tao Joda lasa nankany Benjamina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9472