NehemiĆ 

Toko faha-9

14 Tamin'ny alalan'i Mosesy mpanomponao no nampahalalanao azy ny Sabata izay andro voatokana ho Anao sy nanoloranao azy didy sy fepetra ary lalana.

15 Mofo avy tany an-danitra no nomenao azy hanafaka ny hanoanany; rano avy tamin'ny vatolampy no navoakanao hanala hetaheta azy; ary nilazanao izy fa hiditra haka ny tany izay efa nianiananao homena azy.

16 Kanjo niavonavona ireo razanay ireo, dia nanamafy ny hatony izy ka tsy nihaino ny didinao

17 ary nanda tsy nety nanaraka izany sady tsy nahatsiaro ny zava-mahagaga nataonao hanasoavana azy; eny, nanamafy ny hatony izy ka nanao di-doha hiverina amin'ny fanandevozana azy tany Ejipta. Fa Andriamanitra mpamela heloka Ianao, Andriamanitra miantra sy mamindrafo, ary mahari-po sady be hatsarampo, ka dia tsy nafoinao ny razanay.

18 Tamin'ny nanaovany ombilahikely anidina sy nilazany hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta!, dia notevatevainy tokoa Ianao;

19 kanefa noho Ianao be famindrampo, dia tsy nafoinao tany an-taniefitra izy: Ny andry rahona, izay nitari-dalana azy raha antoandro, dia tsy niala teo akaikiny na ny andry afo nony alina mba hanazava ny lalan-kalehany,

20 Nomenao azy koa ilay Fanahinao tsara mba hahatonga hahay manavaka. Ianao nandefa hatrany ny mana ho sakafony sy namorona rano hanala hetaheta azy.

21 Eny, efapolo taona no namelomanao azy tany an-taniefitra ka tsy nanan-java-mahory akory izy; tsy nihatonta ny fitafiany ary tsy nivonto ny tongony.

22 Nanome azy fanjakana sy firenena maro Ianao, dia nitsinjara ho azy ny faritanin'ireny, ka lasany ny tanin'i Sihona mpanjakan'i Hesbona sy ny tanin'i Hoga mpanjakan'i Basana.

23 Nohamaroinao ny taranaky ny razanay ho tahaka ny kintana eny amin'ny habakabaka; ary nentinao izy ho any amin'ny tany izay nolazainao tamin'ny razany fa hidirany hataony fananany.

24 Dia niditra ny taranany haka ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny Kanahanita tompon-tany ka natolotrao ho eo an-tanany. Dia nataony araka izay nitiavany azy ny mpanjaka sy ny vahoakan'izany tany izany.

25 Nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy; nahazo trano feno zava-tsoa isan-karazany, lavaka famorian-drano voahady, tany voavoly voaloboka sy oliva, ary tany misy hazo fihinam-boa marobe. Noho ny hatsaramponao lehibe, dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka faly nanaram-po.

26 Kanefa nikomiany sy niodinany Ianao, nariany lavitra azy ny lalanao, novonoiny ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hiverina aminao; koa notevatevainy tokoa Ianao.

27 Dia natolotrao izy ho eo an-tanan'ny fahavalony ka ireo no nampahory azy. Nefa, tamin'ny andro fahoriany, dia nitaraina taminao izy ka nohenoinao tany an-danitra; ary satria be fiantra Ianao dia nomenao mpamonjy hatrany izy hanafaka azy eo an-tanan'ny fahavalony.

28 Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; ary nafoinao izy ho eo an-tanan'ny fahavalony ka ireo no nanjakazaka taminy. Dia nitaraina taminao indray izy ka nohenoinao tany an-danitra; ary novonjenao imbetsaka izy satria be fiantra Ianao.  

29 Nanarinao mafy izy hiverina amin'ny lalanao; nefa mbola niavonavona ihany, ka tsy nihaino ny didinao fa nandika ny fitsipikao izay mahavelona ny olona manatanteraka azy. Naneho ditra sy nanamafy ny hatony izy, ary tsy nety nihaino Anao.

30 Nandefitra taona maro taminy Ianao, ary ny mpaminaninao, nentanin'ny Fanahinao, no nananaranao azy mafy; fa tsy nety nihaino izy, ka dia natolotrao ho eo an-tanan'ny hafa firenena.

31 Be fiantra Ianao ka tsy nandringana ary tsy nahafoy azy, satria Andriamanitra mamindrafo sy miantra Ianao.

32 Koa ankehitriny, ry Andriamanitra o, lehibe sady mahery no mahatahotra Ianao, ary mitandro ny fanekempihavananao sy fitiavanao. Aoka re tsy ho zavatra kely eo imasonao ny fahoriana rehetra efa nanjo ny vahoakanao tsivakivolo dia ny mpanjakanay sy mpanapaka anay, ny mpisoronay sy mpaminaninay, ary ny razanay mbamin'ny tenanay, manomboka tamin'ny andron'ireo mpanjakan'i Asiria ka mandrak'izao andro anio izao!

33 Mandala ny rariny Ianao tamin'izay rehetra nanjo anay; satria marina ny nataonao, fa izahay no nanao ratsy.

34 Ny mpanjakanay sy mpanapaka anay ary ny mpisoronay sy ny razanay dia samy tsy nanatanteraka ny lalanao, ary tsy niraharaha ny didinao sy ny fananarana nataonao taminy.

35 Teo amin'ny zava-tsoa marobe nomenao azy nandritra ny nanjakany ary teo amin'ny tany malalaka sy lonaka natolotrao ho eo anoloany, dia tsy nanompo Anao ireo sady tsy niala tamin'ny ratsy fanaony.

36 Ankehitriny dia indreto andevozina izahay eto amin'ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy.

37 Vokatra marobe tokoa no aterak'ity tany ity kanefa lasan'ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay; eny, manapaka ny tenanay sy biby fiompinay araka izay itiavany azy izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay!

Toko faha-10

1 Noho izany rehetra nanjo anay izany, dia fanomezan-toky mafy no nataonay sy naraikitray an-tsoratra. Taratasy nasiana tombokase izy io sady nosoniavin'ny mpanapaka anay sy ny levitanay ary ny mpisoronay.

2 Ireto avy ny mpanao sonia: I Nehemia governora, zanakalahin'i Hakalia. Ny mpisorona kosa dia ry i Tsedekia,

3 i Seraia sy i Hazaria ary i Jeremia,

4 i Pasehora sy i Amaria ary i Malkia,

5 i Hatosy sy i Sebania ary i Maloka,

6 i Harima sy i Meremota ary i Hobadia,

7 i Daniela sy i Ginetona ary i Baroka,

8 i Mesolama sy i Abia ary i Miamina,

9 i Mahazia sy i Bilgay ary i Semahia.

10 Ny levita kosa dia i Jesoa zanakalahin'i Azania, i Binoy isan'ny zanakalahin'i Henadada, i Kadmiela,

11 ary koa ny naman'ireo: dia ry i Sekania sy i Hodoia, i Kelita sy i Pelaia ary i Hanana,

12 i Mika sy i Rehoba ary i Hasabia,

13 i Zakora sy i Serebia, ary i Sebania,

14 i Hodia sy i Bany ary i Kenany.

15 Ary ny loholona kosa dia ry i Parehosy sy i Pahata-Moaba, i Helama sy i Zato ary i Bany,

16 i Bony sy i Hazdaga ary i Belay,

17 i Adonia sy i Bigvay ary i Hadina,

18 i Atera sy i Hezekia ary i Hazora,

19 i Hodia sy i Hasoma ary i Betsay,

20 i Harifa sy i Hanatota ary i Nebay,

21 i Magpihasy sy i Mesolama ary i Hezira,

22 i Mesezabela sy i Tsadoka ary i Jadoa,

23 i Pelatia sy i Hanana ary i Hanaia,

24 i Hosea sy i Hanania ary i Hasoba,

25 i Lohesy sy i Pileha ary i Sobeka,

26 i Rehoma sy i Hasabna ary i Mahaseia,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9329