1 Tantara

Toko faha-9

3 Tao Jerosalema no nonina ny sasany tamin'ny taranaky ry i Joda sy i Benjamina ary i Efraima sy i Manase.

4 Tamin'ny taranak'i Joda: avy tamin'ny terak'i Peretsa, dia i Hotahy zanakalahin'i Hamihoda sy zafin'i Homry sy zafiafin'i Imry ary zafin-dohalik'i Bany,

5 avy tamin'ny terak'i Sela , dia i Asaia lahimatoa sy ireo zanany lahy,

6 avy tamin'ny terak'i Zera, dia i Jehiela. Ireo mbamin'ny havany rehetra dia nisy 690 tao Jerosalema.

7 Tamin'ny taranak'i Benjamina: dia i Salo zanakalahin'i Mesolama sy zafin'i Hodavia ary zafiafin'i Senoa,

8 i Jibneia zanakalahin'i Jerohama; i Ela zanakalahin'i Hozy sy zafin'i Mikry; i Mesolama zanakalahin'i Sefatia sy zafin'i Rehoela ary zafiafin'i Jibnia.

9 Samy lohan'ny fianakaviany avy ireo lehilahy rehetra ireo; izy mbamin'ny havany rehetra, araka ny firazanany avy, dia nisy 956 tao Jerosalema.

10 Tamin'ny mpisorona: dia i Jesahia, zanakalahin'i Jehoiakima; i Jehoiariba, zanakalahin'i Hazaria,

11 i Seraia, zanakalahin'i Hilkia sy zafin'i Mesolama sy zafiafin'i Tsadoka sy zafin-dohalik'i Meraiota ary zafin-kitrokelin'i Ahitoba mpanapaka ny tempoly;

12 i Hadaia, zanakalahin'i Jerohama sy zafin'i Pasehora ary zafiafin'i Malkia; i Mahesay, zanakalahin'i Hadiela sy zafin'i Jahazera sy zafiafin'i Mesolama sy zafin-dohalik'i Mesilemota ary zafin-kitrokelin'i Imera.

13 Ireo mbamin'ny mpisorona havany, izay samy lohan'ny fianakaviany avy, dia nisy 1760: lehilahy mahery teo amin'ny fanaovana fanompoana tao an-tranon'Andriamanitra izy rehetra.

14 Tamin'ny levita: dia i Semahia, zanakalahin'i Hasoba sy zafin'i Hazrikama ary zafiafin'i Hasabia izay isan'ny taranak'i Merary,

15 i Bakboko, zanakalahin'i Heresa sy zafin'i Galala; i Matania, zanakalahin'i Mika sy zafin'i Zikry ary zafiafin'i Asafa;

16 i Hobadia, zanakalahin'i Semahia sy zafin'i Galala ary zafiafin'i Jedotona; i Berekia, zanakalahin'i Asa sy zafin'i Elkana, izay nonina tao amin'ireo tananan'ny Netofatita.

17 Ny mpiandry vavahady dia ry i Saloma sy i Hakoba ary i Talmona sy i Ahimana mbamin'ireo namany; ka i Saloma no filohany.

18 Ireo no mpiandry vavahady tamin'ny tobin'ny levita; ary ny taranany, mandraka izao, no eo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka, dia ny vavahady atsinanana.

19 I Saloma, zanakalahin'i Kora sy zafin'i Abiasafa ary zafiafin'i Kora, mbamin'ny Korahita havany satria fianakaviana iray razana aminy, ireo no mpanao fanompoana amin'ny fiandrasana ilay varavaran'ny Tranolay fihaonana, toy ny razany koa izay mpiandry ilay varavaran'ny tobin'ny TOMPO.

20 Taloha i Pinehasa, zanakalahin'i Elehazara, no mpanapaka ireo; ary nomba an'i Pinehasa ny TOMPO.

21 Ary i Zakaria, zanakalahin'i Meselemia, dia isan'ireo mpiandry ilay varavaran'ny Tranolay fihaonana.

22 Ny isan'izy rehetra voafidy ho mpiandry vavahady sy varavarana dia 212. Voasoratra tany amin'ny tanana fiaviany avy ireo. I Davida sy i Samoela, ilay mpaminany isehoam-pahitana, no nanendry ny razambeny hanao izany raharaha izany noho ny toetra mahatoky nananany,

23 ka dia ireo sy ny taranany hatrany no teo amin'ny vavahadin'ny tranon'ny TOMPO sy teo akaikin'ny Tranolay fihaonana, mba hiambina azy.

24 Izy efa-dahy filohan'ny mpiandry vavahady no nanankinana ny vavahady efatra, dia teo atsinanana sy andrefana ary teo avaratra sy atsimo,

25 ny havany mpiara-miasa aminy kosa dia nonina tany amin'ny tananany avy ary nasaina ho tonga, isaky ny fotoanandrony, mba hiasa mandritra ny herinandro.

26 Toetra mahatoky manko no nananan'ireo efa-dahy filohan'ny mpiandry vavahady ireo sady levita rahateo izy, ka niadidy ny efitrano fitahirizana mbamin'ny rakitry ny tempoly,

27 ary teny amin'ny fonenana manodidina ny tempoly no nandriany, satria adidiny koa ny fiambenana azy sy ny famohana azy isa-maraina.

28 Ny sasany tamin'ny mpiandry vavahady dia niadidy ny fanaka momba ny fanompoam-pivavahana, ka nanisa ireo fanaka entina hampiasaina sy entina haverina.

29 Ny sasany kosa no tendrena hiadidy ny tavoara, dia ireo tavoara masina rehetra, ary koa hiadidy ny koba lafarinina sy ny divay ary ny menaka mbamin'ny vovo-javamanitra sy ny zava-mamerovero hafa,

30 kanefa dia mpisorona no tena mpiandraikitra ny fampifangaroana zava-manitra.

31 I Matitia, anankiray tamin'ny levita, dia lahimatoan'i Saloma izay taranak'i Kora; noho ny toetra mahatoky nasehony, dia tonian'ny fanendasana mofo mamy fanao fanatitra izy.

32 Ary i Benaia, taranak'i Kehata sady anankiray tamin'ireo levita, notonian'ny mofo apetraka eo anatrehan'Andriamanitra ka namboatra azy isan-tsabata.

33 Ny mpiventy hira kosa, izay loham-pianakaviana teo amin'ny levita, dia nitoetra tao amin'ny efitrano voatokana ho azy; ary tsy nanana andraikitra hafa ireo satria nanao ny raharahany andro aman'alina.

34 Ireo ary no loham-pianakaviana teo amin'ny levita, dia loham-pianakaviana ho an'ny taranany avy, ary nonina tao Jerosalema.

35 Tao Gibehona no nonina i Jehiela, ilay mpanorina io tanana io; ary ny anaran'ny vadiny dia Maheka.

36 I Habdona no zanany lahimatoa, dia i Tsoro sy i Kisy, i Bahala sy i Nera, i Nadaba

37 sy i Gedora mbamin'i Ahiao sy i Zakaria ary i Miklota.

38 I Miklota no ray niteraka an'i Simea: izy mianaka ireto dia niara-nonina tamin'ny mpiray foko namany tany Jerosalema ka nifanandrify fonenana taminy.

39 I Nera no ray niteraka an'i Kisy; i Kisy, ray niteraka an'i Saoly; i Saoly, ray niteraka an-dry i Jonatana sy i Melkisa ary i Abinadaba sy i Esbahala.

40 Ny zanakalahin'i Jonatana dia i Meribahala; i Meribahala no ray niteraka an'i Mika.

41 Ny zanakalahin'i Mika dia ry i Pitony sy i Meleka ary i Taharea sy i Ahaza.

42 I Ahaza no ray niteraka an'i Jahira ; i Jahira, ray niteraka an-dry Halemeta sy i Hazmavety ary i Zimry; i Zimry, ray niteraka an'i Motsa,

43 i Motsa, ray niteraka an'i Bineha. I Refaia no zanakalahin'i Bineha; i Elehasa no zanakalahin'i Refaia; ary i Atsela no zanakalahin'i Elehasa.

44 Nanan-janaka enina mirahalahy i Atsela ka ireto avy no anarany: i Hazrikama (lahimatoany) sy i Jismahela, i Seharia sy i Hazaria ary i Hobadia sy i Hanana; ireo no zanakalahin'i Atsela.

Toko faha-10

1 Ary niady tamin'i Israely ny Filistinina; dia nandositra azy ny Israelita ka faty maro no nitsitsitra teny an-tendrombohitra Gilboa.

2 Nilofo nanenjika an'i Saoly sy ireo zanany lahy ny Filistinina, ka nahafaty an'i Jonatana sy i Abinadaba ary i Melkisa izay samy zanakalahin'i Saoly.

3 Nanindry an'i Saoly ny fanafihana, ka sendra ny mpandefa tsipika izy ary dia natahotra azy.

4 Dia hoy i Saoly tamin'ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany:-Raiso ny sabatrao, ka trobaro aho, fandrao ho avy ireo mpanompo sampy ireo ka hanao ahy ho fihomehezana. Fa tsy nanaiky ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany satria natahotra mafy. Koa nalain'i Saoly ny sabatra, dia nianjerany.

5 Ary rehefa hitan'ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany fa maty i Saoly, dia mba nianjerany koa ny sabany ka maty izy.

6 Dia maty i Saoly ary niara-maty taminy koa ny zanany telo lahy sy ny ankohonany manontolo.

7 Rehefa hitan'ny Israelita rehetra izay nonina tao an-dohasaha fa nandositra ny tafik'i Israely sady maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao tanana izy ka nandositra. Tonga kosa ny Filistinina ka nipetraka tao.

8 Ny ampitso, nony tonga ny Filistinina haka ny zavatra teo amin'ny faty, dia nahita an'i Saoly sy ny zanany nitsitra teo an-tendrombohitra Gilboa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9594