1 Mpanjaka
Toko faha-20
40 Kanjo raha mbola sahirana nivezivezy tetsy sy teroa iny aho, dia lasa nitsoaka izy. Dia hoy ny mpanjakan'i Israely taminy: Ianao ihany izany no nilaza ny fanamelohana ny tenanao.41 Ary nakarin'ilay mpaminany haingana ny volon-doha nanakona ny handriny, ka fantatry ny mpanjakan'i Israely fa isan'ny andia-mpaminany izy.
42 Dia hoy ilay mpaminany taminy: Izao no lazain'ny TOMPO: Satria navelanao handeha ilay lehilahy nohelohiko ho faty, dia ianao kosa no ho faty hisolo azy, ary ny vahoakanao no ho faty hisolo ny vahoakany.
43 Ary nalahelo sady tezitra ny mpanjakan'i Israely no niverina sady nody tany an-tranony, tao Samaria.
Toko faha-21
1 Taorian'izany dia izao no nitranga: nisy lehilahy natao hoe Nabota tao Jizrehela, izay nanana tanimboaloboka teo akaikin'ny lapan'i Ahaba mpanjakan'i Samaria.2 Dia niteny tamin'i Nabota i Ahaba indray andro nanao hoe: Omeo ahy ny tanimboalobokao hataoko zaridaina fambolena anana, satria mba akaikin'ny lapako izy; homeko tanimboaloboka tsara kokoa noho io ianao ho takalony, na koa homeko izay vola tokom-bidiny raha izany no mety aminao.
3 Fa hoy i Nabota tamin'i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan'ny TOMPO raha izay hanome anao ny lova avy amin'ny razako!
4 Ary nalahelo sady tezitra i Ahaba no niverina tao an-tranony, satria nilazan'i Nabota avy ao Jizrehela hoe: Tsy homeko anao ny lova avy amin'ny razako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nitodika tany amin'ny rindrina ary tsy nety nihinan-kanina.
5 Fa nanatona azy i Jezebela vadiny ka nanao taminy hoe: Nahoana no manjonitra toy izao ianao ka tsy mety mihinan-kaninay
6 Dia hoy ny navaliny azy: Nitenenako i Nabota avy ao Jizrehela hoe: Omeo ahy ny tanimboalobokao hovidiko na koa hatakaloko tanimboaloboka hafa, raha izany no mety aminao; fa namaly izy hoe: Tsy homeko anao ny tanimboaloboko.
7 Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: Ny tenanao no manjaka amin'i Israely; koa miarena, dia mihinana, ary aoka hifaly ny fonao, fa ny tenako mihitsy no hanome anao ny tanimboalobok'i Nabota ilay Jizrehelita.
8 Dia tamin'ny anaran'i Ahaba no nanoratan'i Jezebela taratasy, ka nasiany tombon-kasem-panjakana ireny ary nalefany ho an'ny loholona sy ny manampahefana tao an-tanana nonenan'i Nabota.
9 Izao no voasorany tao amin'ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina ka i Nabota no asaivo mitarika ny vahoaka amin'izany.
10 Mifanatrika aminy eo kosa dia asio roa lahy mba hiampanga lainga azy ho nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka. Ary ento any ivelan'ny tanana izy ka torahy vato ho faty.
11 Ary ny loholona sy ny manampahefana tao an-tananan'i Nabota dia nanao araka ny baikon'i Jezebela tamin'ny taratasy nalefany ho azy ireo.
12 Niantso andro fifadian-kanina izy ka i Nabota no nasainy nitarika ny vahoaka.
13 Dia niroso teo anoloan'i Nabota ireo tsivalahara roa lahy ka niampanga lainga azy teo anatrehan'ny olona hoe: Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota! Koa dia nentin'ny olona tany ivelan'ny tanana izy ary notorahany vato mandra-pahafatiny.
14 Ary naniraka olona hilaza amin'i Jezebela ny manampahefana tao an-tanana fa notoraham-bato i Nabota ka maty.
15 Rehefa ren'i Jezebela fa maty notoraham-bato i Nabota, dia hoy izy tamin'i Ahaba: Mitsangana ka alao ho anao ny tanimboaloboka izay tsy neken'i Nabota hamidy taminao, satria tsy isan'ny velona intsony izy fa efa maty.
16 Rehefa ren'i Ahaba fa maty i Nabota, dia lasa izy nankany amin'ny tanimboalobok'i Nabota ilay Jizrehelita mba haka izany.
17 Fa nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elia avy any Tisbe nanao hoe:
18 Midina mankany amin'i Ahaba mpanjakan'i Israely izay ao Samaria. Ao an-tanimboalobok'i Nabota izy izao, satria lasa nankao izy mba haka izany.
19 Koa teneno izy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Rehefa avy nahafaty olona ve ianao, dia mbola haka ny fananany koa! Ary teneno indray izy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Eo amin'ny toerana izay nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota no hilelafan'ny alika ihany koa ny ranao.
20 Dia hoy i Ahaba tamin'i Elia: Mbola hitanao ihany va aho, ry ilay fahavaloko? Ka novaliany hoe: Eny, mbola hitako ihany ianao satria efa nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO;
21 fa izao no nambarany: Hahatonga loza aminao Aho ka handringana anao tanteraka, hofongorako ny lehilahy rehetra amin'ny fianakavianao, na zaza izy na olon-dehibe.
22 Hataoko tahaka izay nanjo ny taranak'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata sy ny taranak'i Bahasa zanakalahin'i Ahia ny taranakao, noho ny nampahaviniranao Ahy sy ny nampanotanao an'i Israely.
23 Niteny momba an'i Jezebela koa ny TOMPO ka nanao hoe: Ary i Jezebela dia hohanin'ny alika eo akaikin'ny mandan'i Jizrehela.
24 Izay taminganao, ry Ahaba, ka maty ao an-tanana dia hohanin'ny alika, ary izay maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina.
25 Fa tsy nisy mihitsy olona tahaka an'i Ahaba izay nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO, satria nampirisihin'i Jezebela vadiny izy.
26 Zava-maharikoriko loatra no vitany tamin'ny nanarahany ny sampy tahaka ny nataon'ny Amorita izay noroahin'ny TOMPO teo anoloan'ny Israelita.
27 Rehefa ren'i Ahaba izany, dia norovitiny ny fitafiany, ka gony no nanaovany manolo-koditra; dia nifady hanina izy sady nandry tamin'ilay gony ary namindra miadana dia miadana.
28 Fa nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elia avy any Tisbe nanao hoe:
29 Moa hitanao izao fietren-tenan'i Ahaba eto anatrehako izao? Satria nanao izany izy, dia tsy hahatonga loza amin'ny fianakaviany amin'ny androny Aho, fa amin'ny andron-janany kosa.
Toko faha-22
1 Roa taona no tsy nisian'ny ady intsony teo amin'i Siria sy i Israely.2 Fa tamin'ny taona fahatelo dia nankany amin'ny mpanjakan'i Israely i Josafata mpanjakan'i Joda.
3 Ary hoy ny mpanjakan'i Israely tamin'ny manamboninahiny: Fantatrareo tsara fa antsika ny tananan'i Ramota any Gilehada, koa inona no isalasalantsika tsy haka izany amin'ny mpanjakan'i Siria?
4 Ary hoy izy tamin'i Josafata: Mba hiaraka amiko hanafika an'i Ramota-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
5 Mbola niteny tamin'ny mpanjakan'i Israely indray i Josafata ka nanao hoe: Mba anontanio aloha ny TOMPO.
6 Ary novorin'ny mpanjakan'i Israely ny mpaminaniny tokony ho efajato ka nanontaniany hoe: Handeha hanafika an'i Ramota-Gilehada ve aho, sa tsia? Dia novalian'ireo hoe: Mandehana fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao ny tanana.
7 Ary hoy kosa i Josafata: Moa tsy misy mpaminan'ny TOMPO koa ve eto mba hanontaniantsika?
8 Dia novalian'ny mpanjakan'i Israely hoe: Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao, dia i Mikaia zanakalahin'i Jimla; saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy fa loza hatrany. Ka hoy i Josafata: Aza miteny izany ianao, ry mpanjaka.
9 Tamin'izay dia niantso tandapa anankiray ny mpanjakan'i Israely, ka nandidy azy haka faingana an'i Mikaia zanakalahin'i Jimla.
10 Ary ny mpanjakan'i Israely sy ny mpanjakan'i Joda dia samy nipetraka teo amin'ny sezafiandrianany sy efa niakanjo ny fanamiany avy, teo amin'ny kianja manoloana ny vavahadin'i Samaria, nandritra ny naminanian'ireo mpaminany rehetra ireo.
11 Fa i Tsedekia, zanakalahin'i Kenahana, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.
12 Dia nilaza hafatra toy izany avokoa ny mpaminany rehetra ka nanao hoe: Tafiho i Ramota-Gilehada fa ho resinao, ry mpanjaka! Eny, hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanana io.
13 Ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia kosa dia niteny taminy hoe: Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an'ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa.
14 Fa hoy i Mikaia hoe: Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain'ny TOMPO amiko ihany no hambarako.
15 Rehefa tonga teo anatrehan'ny mpanjaka izy, dia nanontaniany hoe: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-Gilehada ve isika sa hijanona ihany? Ka hoy ny navaliny azy: Mandehana fa handresy ianao, ry andriamanjaka, ary hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanana io.
16 Fa hoy indray ny mpanjaka taminy: Impiry moa no hampianianako anao mba tsy hilaza amiko afa-tsy ny marina ihany amin'ny anaran'ny TOMPO?
17 Dia hoy ny navalin'i Mikaia: Hitako fa ny tafik'i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.