Josoa
Toko faha-23
9 Firenena lehibe sy mahery no efa noroahin'ny TOMPO teo anoloanareo, ka tsy nisy olona nahatohitra anareo mandraka androany.10 Fa lehilahy iray taminareo no nampandositra fahavalo arivo satria ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no niady ho anareo, araka izay efa nampanantenainy anareo.
11 Koa mitandrema tena ianareo mba hitia ny TOMPO Andriamanitrareo.
12 Fa raha tahiny miodina aminy ianareo ka mikambana amin'ireo firenena izay mbola tavela eo aminareo, raha mifanambady aminy ianareo ka mifangaro aminy,
13 dia fantaro tsara fa tsy hanohy handroaka azy eo anoloanareo intsony ny TOMPO Andriamanitrareo. Hanjary fandrika sy tonta ho anareo ireny firenena ireny, ary ho karavasy mamely eo an-damosinareo sy ho tsilo eo amin'ny masonareo ambara-pahalany ritra anareo tsy ho eto amin'ity tany soa nomen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ity.
14 Indro ankehitriny efa ho faty tsy ho ela aho. Koa aoka ho fantatrareo amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo fa tsy nisy latsaka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain'ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo; tanteraka taminareo avokoa izy rehetra fa tsy nisy latsaka mihitsy na iray aza.
15 Saingy tahaka izay nahatanterahan'ny zava-tsoa rehetra nampanantenain'ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo no hampiavy aminareo ny loza rehetra, mandra-paharingany anareo tsy ho eto amin'ity tany soa nomeny anareo ity,
16 raha tahiny ialanareo ny fanekempihavanana izay efa nandidian'Izy TOMPO Andriamanitrareo anareo; ary raha mandeha manompo andriamani-kafa ianareo ka hiankohoka eo anatrehan'ireo, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'ny TOMPO ka ho levona faingana tsy ho eto amin'ity tany soa nomeny anareo ity ianareo.
Toko faha-24
1 Namory ny fokon'i Israely rehetra tao Sekema i Josoa. Nantsoiny avokoa ireo loholony sy lehilahy ary mpitsarany sy manamboninahiny, ka tonga niseho teo anatrehan'Andriamanitra.2 Dia hoy i Josoa tamin'ny vahoaka rehetra: Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Tany andafin'ny ony Eofrata no niorim-ponenana ny razambenareo fahiny, izany hoe ny fianakavian'i Tera, rain'i Abrahama sy i Nahora; ary nanompo andriamani-kafa ry zareo.
3 Fa Izaho no naka an'i Abrahama razambenareo avy tany am-pitan'ny ony Eofrata ary nitondra azy namakivaky ny tany Kanahana manontolo sady nampahamaro ny taranany. Nomeko ho zanakalahin'i Abrahama i Itsehaka,
4 ary nomeko ho zanakalahin'i Itsehaka kosa i Jakoba sy i Hesao. Natolotro ho fananan'i Hesao ny faritra havoan'i Sehira; fa i Jakoba sy ny zanany kosa nidina tany Ejipta.
5 Taty aoriana, dia naniraka an'i Mosesy sy i Aharona Aho ka namely an'i Ejipta araka izay efa nataoko teo aminy; rehefa izany vao nasaiko navoaka ny razanareo.
6 Ary nony navoakako avy tany Ejipta ny razanareo, dia tonga teo amin'ny Ranomasin'ny Volotara; nefa ny Ejiptianina nanenjika azy hatreo an-kalesy sy an-tsoavaly.
7 Tamin'izay ny razanareo no niantso vonjy tamiko TOMPO; koa nametrahako haizina mikitroka tanelanelan'ireo sy ny Ejiptianina sady nazerako tamin'ireto Ejiptianina ireto ny onjan-dranomasina ka nanafotra azy. Fantatrareo tsara izay efa nataoko hamelezana ny Ejiptianina! Avy teo dia nipetraka ela tany an-taniefitra ny razanareo.
8 Rehefa izany vao nentiko ho any amin'ny tanin'ny Amorita izay monina any ampita atsinanan'i Jordana ianareo; niady taminareo ry zareo, nefa natolotro teo an-tananareo ka lasanareo ny taniny ary naringako teo anoloanareo izy.
9 Nitsangana koa i Balaka, zanakalahin'i Tsipora sady mpanjakan'i Moaba, ka niady taminareo. Nampiantso an'i Bilehama zanakalahin'i Behora izy hanozona anareo;
10 nefa tsy nanaiky hihaino an'i Bilehama Aho, ka voatery nitsodrano anareo i Bilehama ary nafahako tsy ho azon'ny tanan'i Balaka ianareo.
11 Dia niampita an'i Jordana ianareo ka tonga tao Jerikao; ary niady taminareo ny mponina tao Jerikao, toy izany koa ny Amorita sy Perizita, ny Kanahanita sy Hetita, ny Girgasita sy Hivita ary Jebosita nefa samy natolotro tao an-tananareo ireny.
12 Ary nandefasako takola-panenitra teo alohanareo ka ireny no nampandositra ireo mpanjaka amorita anankiroa teo anoloanareo, fa tsy ny sabatrareo na ny tsipikanareo velively.
13 Nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo, nomeko tanana izay tsy naorinareo nefa onenanareo, nomeko tanim-boaloboka sy tanin'oliva izay tsy nambolenareo nefa ihinananareo ny voany.
14 Dia hoy ihany i Josoa hoe: Koa ankehitriny manaja ny TOMPO ka manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana. Ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany ampitan'i Eofrata sy tany Ejipta, ka manompoa ny TOMPO.
15 Nefa raha tahiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany ampitan'i Eofrata na ny andriamanitry ny Amorita izay mponina teto amin'ny tany onenananareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.
16 Dia namaly ny vahoaka nanao hoe: Sanatria anay ny handao ny TOMPO mba hanompo andriamani-kafa!
17 Satria ny TOMPO Andriamanitsika ihany no nampakatra ny razantsika niala tamin'ny toerana fanandevozana tany Ejipta; Izy no nanao ireny famantarana lehibe fantatsika tsara ireny; Izy no niaro ny razantsika teny amin'ny lalana rehetra nalehany sy teny amin'ny firenena rehetra noteteziny.
18 IZY no nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, indrindra ny Amorita izay nonina teto amin'ity tany ity. Koa hanompo ny TOMPO ihany koa izahay fa Izy no Andriamanitray.
19 Dia hoy i Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy hainareo ny hanompo ny TOMPO; fa Andriamanitra masina Izy, ka tsy hahazaka ny fahadisoanareo aman'otanareo.
20 Raha mandao ny TOMPO ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hisapotina hampahory anareo Izy Tompo ka hahafongana anareo rehefa avy nasiany soa.
21 Fa hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia, fa ny TOMPO ihany no hotompoinay.
22 Dia hoy indray i Josoa tamin'ny vahoaka: Ny tenanareo ihany no vavolombelona fa efa nifidy ny hanompo ny TOMPO ianareo. Ka novalian'ny vahoaka hoe: Eny, vavolombelon'izany izahay!
23 Dia nofaranan'i Josoa hoe: Ankehitriny ary, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin'ny TOMPO Andriamanitr'Israely ny fonareo.
24 Ka niteny tamin'i Josoa ny vahoaka hoe: Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.
25 Tamin'izany andro izany dia nanao fanekempihavanana tamin'ny vahoaka tao Sekema i Josoa, ka nanome azy fepetra amam-pitsipika.
26 Dia nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalanan'Andriamanitra ireo teny ireo; ary naka vato lehibe iray izy ka nanangana azy teo am-pototry ny hazo oaka, izay toera-masin'ny TOMPO.
27 Avy eo dia hoy i Josoa tamin'ny vahoaka rehetra: Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain'ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin'Andriamanitrareo!
28 Dia noravan'i Josoa ny vahoaka, ka samy niverina tany amin'ny zarataniny avy.
29 Taorian'izany zavatra izany, dia maty teo amin'ny faha-110 taonany i Josoa zanakalahin'i Nona sady mpanompon'ny TOMPO.
30 Koa nalevina teo amin'ny faritry ny zarataniny izy, dia tao Timnata-Sera, any amin'ny tendrombohitr'i Efraima, eo avaratry ny tendrombohitra Gahasa.
31 Nandritra ny andro rehetra niainan'i Josoa, dia nanompo ny TOMPO ireo Israelita; ary taorian'ny nahafatesan'i Josoa, dia nitohy izany nandritra ny andro rehetra niainan'ireo loholona izay nahita maso ny asa rehetra nataon'ny TOMPO ho an'i Israely.
32 Ny taolambalon'i Josefa, izay nampiakarin'ny Israelita avy tany Ejipta, dia naleviny tao Sekema, tao amin'ny sombin-tany izay novidin'i Jakoba volafotsy zato tamin'ny taranak'i Hamora, ilay mpanorina an'i Sekema; ka nanjary nolovan'ny taranak'i Josefa izany.
33 Maty koa i Elehazara zanakalahin'i Aharona ka nalevina tao amin'ny havoana izay nomena an'i Pinehasa zanany lahy, tany amin'ny tendrombohitr'i Efraima.
Mpitsara
Toko voalohany
1 Taorian'ny nahafatesan'i Josoa dia nanontany ny TOMPO ny Israelita hoe: Iza amin'ny fokonay no tokony handeha voalohany hanafika ny Kanahanita?2 Dia namaly azy ny TOMPO hoe: Ny vatan-dehilahy amin'ny fokon'i Joda, fa hatolotro azy ny tany.
3 Dia hoy ny vatan-dehilahin'i Joda tamin'ny taranak'i Simehona rahalahin'i Joda hoe: Andeha hiaraka aminay haka ny faritany natokana ho anay, ka hiarahantsika manafika ny Kanahanita; avy eo dia haka ny faritaninareo miaraka aminareo koa izahay. Dia nikambana tamin'ny vatan-dehilahin'i Joda ny olona tao amin'ny fokon'i Simehona,
4 ka niara-nanafika izy roa tonta. Dia natolotry ny TOMPO azy ny Kanahanita sy ny Perizita, ka nahafatesany vatan-dehilahy andiany folo tao Bezeka.
5 Hitany tao Bezeka ny mpanjaka Adony-Bezeka ka notafihiny, ary resiny ny Kanahanita sy ny Perizita.
6 Vaky nandositra i Adony-Bezeka saingy nenjehin'ireo ka tratrany, dia notapahiny ny ankiben-tanany sy ny ankiben-tongony.
7 Ary hoy i Adony-Bezeka hoe: Mpanjaka fitopolo, tapaka ankiben-tanana sy ankiben-tongotra, no nitsimpona hanina teo ambany latabatro; koa izay nataoko ihany no navalin'Andriamanitra ahy! Dia nentina ho any Jerosalema i Adony-Bezeka ary maty tany.
8 Dia nanafika an'i Jerosalema ny vatan-dehilahin'i Joda ka nahazo azy; ary novonoiny tamin'ny sabatra ny mponina sady nodorany ny tanana.
9 Taorian'izany, dia nidina ireo hiady tamin'ny Kanahanita izay nonina teny an-kavoana sy tany amin'ny faritra atsimo ary tany amin'ny lemak'i Sefela.