Josoa

Toko faha-19

46 ary i Rakona; ao koa ny ranon'i Jarkona sy ny tany manodidina an'i Jafao.

47 Nony tsy voatanan'ny Danita io faritany io, dia nianavaratra ireo ka niady tamin'i Lesema. Nalainy ny tanana ary naringany tamin'ny sabatra ny mponina tao; lasany tanteraka i Lesema ka nipetrahany. Ary i Lesema dia nantsoiny hoe Dana, araka ny anaran'i Dana razambeny.

48 Ireo tanan-dehibe ireo samy miampy ny tanana kely miankina aminy no zaratany nolovan'ny foko danita ho an'ireo tarika ao anatiny.

49 Ary rehefa vitan'ny Israelita ny fizarana ny tany araka ny sisin-taniny avy, dia nomeny zaratany kosa i Josoa, zanakalahin'i Nona.

50 Araka ny baikon'ny TOMPO, dia nomena an'i Josoa ny tanana izay nangatahiny, izany hoe i Timnata-Sera ao amin'ny tendrombohitr'i Efraima. Dia namboarin'i Josoa ilay tanana ka nonenany.

51 I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin'i Nona ary ny filoham-pianakaviana israelita no nizara ireo tany lova ireo. Tao Silao no nizarany azy antsapaka teo anatrehan'ny TOMPO, dia teo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana. Toy izany no nahavitana ny fizarana ny tany.

Toko faha-20

1 Ary ny TOMPO dia nandidy an'i Josoa,

2 mba hilaza amin'ny Israelita hoe: Fidio ny tanana fialokalofana araka izay efa nampilazaiko an'i Mosesy taminareo.

3 Any no handosiran'izay mahafaty olona tsy nahy fa kisendrasendra, ka ho fialofana ho anareo izany mba tsy ho azon'ny mpamaly faty.

4 Ary rehefa mandositra amin'ireo tanana ireo ilay namono olona tsy nahy, dia hijanona eo anoloan'ny vavahadin'ny tanana, ka hanazava amin'ireo loholona ao an-tanana ny zava-niseho. Dia horaisin'ireo ho ao an-tananany izy ka homeny toerana mba hiara-monina aminy.

5 Raha tahiny manenjika azy ilay mpamaly faty, dia tsy hatolotr'ireo ho eo an-tanany ilay nahafaty olona satria kisendasendra no namelezany ilay namany fa tsy fankahalana azy mialoha.

6 Honina ao amin'io tanana io izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana israelita ary ambara-pahafatin'ny mpisorombe niasa tamin'izany andro izany. Dia hody ilay nahafaty olona ka hiverina an-tranony, any amin'ilay tanana izay nialany fony izy nandositra.

7 Dia natokan'ny Israelita ireto tanana ireto: i Kedesa any Galilea any amin'ny faritra havoan'i Naftaly; sy i Sekema, any amin'ny faritra havoan'i Efraima; ary i Kiriata-Arba (antsoina hoe koa Hebrona) any amin'ny faritra havoan'i Joda.

8 Teny ampita atsinanan'i Jordana tandrifin'i Jerikao kosa dia ireto tanana ireto no voafidy: i Betsera, any amin'ny taniefitra lembalemba, avy amin'ny fokon'i Reobena; sy i Ramota any Gilehada, avy amin'ny fokon'i Gada; ary i Golana any Basana, avy amin'ny fokon'i Manase.

9 Ireo tanana ireo no natokana ho fialofana ho an'ny Israelita rehetra sy ny vahiny valovotaka ao aminy; any no handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy hovonoin'ny mpamaly faty izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana israelita.

Toko faha-21

1 Ary ny filoham-pianakaviana tamin'ny fokon'i Levy dia nanatona an'i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin'i Nona ary ny filoham-pianakaviana tamin'ny foko israelita;

2 tao Silao, tao amin'ny tany Kanahana, no nihaonana ka hoy ireo filoham-pianakaviana levita hoe: Ny TOMPO efa nanome baiko tamin'ny alalan'i Mosesy mba homena tanana maromaro honenanay izahay, ary koa homena ny kijana manodidina azy avy ho an'ny biby fiompinay.

3 Dia samy tamin'ny zarataniny avy no nanomezan'ny Israelita ireto tanana ireto mbamin'ny kijana manodidina azy mba ho an'ny Levita, araka ny baikon'ny TOMPO.

4 Ny anjara voatendrin'ny antsapaka voalohany dia ho an'ireo tarika taranak'i Kehata; anisan'ny levita kehatita ny taranak'i Aharona mpisorona ka ny azon'ireo tamin'ny antsapaka dia tanana 13 avy tamin'ny fokon'i Joda sy fokon'i Simehona ary fokon'i Benjamina.

5 Ny azon'ny taranak'i Kehata sisa kosa tamin'ny antsapaka dia tanana folo avy tamin'ny fokon'i Efraima sy fokon'i Dana ary antsasa-pokon'i Manase any andrefana.

6 Ny azon'ny taranak'i Geresona tamin'ny antsapaka dia tanana 13 avy tamin'ny fokon'i Jisakara sy fokon'i Asera ary fokon'i Naftaly sy antsasa-pokon'i Manase any Basana.

7 Ny azon'ny taranak'i Merary kosa dia tanana 12 avy tamin'ny fokon'i Reobena sy fokon'i Gada ary fokon'i Zebolona.

8 Ireo tanana ireo mbamin'ny kijana manodidina azy avy dia tamin'ny antsapaka no nanomezan'ny Israelita azy ny Levita, araka izay efa nandidian'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Mosesy.

9 Ireto no anaran'ireo tanana avy tamin'ny fokon'i Joda sy fokon'i Simehona,

10 tanana izay nomena ny taranak'i Aharona anisan'ny tarika levita kehatita satria ry zareo no nahazo ny antsapaka voalohany.

11 Nomena azy i Kiriata-Arba, na hoe tananan'i Arba araka ny anaran'ilay razamben'ny Hanakita. Io tanana io ankehitriny dia atao hoe Hebrona, any amin'ny faritra havoan'i Joda. Nomena miaraka aminy koa ny kijana manodidina azy.

12 Fa ny saha sy ireo tanana kely miankina amin'i Hebrona kosa dia efa natolotra an'i Kaleba zanakalahin'i Jefone.

13 Miaraka amin'i Hebrona, izay tanana fialofan'ny mpamono olona tsy nahy, dia natolotra ny taranak'i Aharona koa i Libna,

14 i Jatira, i Estemoa,

15 i Holona, i Debira,

16 i Hasana, i Jota, ary i Bety-Semesa: izany hoe, avy amin'ny fokon'i Joda sy fokon'i Simehona, tanana sivy mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

17 Avy tamin'ny fokon'i Benjamina koa ny nomena ny taranak'i Aharona dia i Gibehona, i Geba,

18 i Hanatota, ary i Halemeta: izany hoe tanana efatra mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

19 Ny tanana rehetra nomena ny mpisorona taranak'i Aharona dia tanana 13 mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

20 Ary ireo tarika sisa tamin'ny levita taranak'i Kehata kosa dia ireto tanana ireto no azony tamin'ny antsapaka.

21 Avy tamin'i fokon'i Efraima dia i Sekema, izay tanana fialofana ao anatin'ny faritra havoan'i Efraima, i Gezera,

22 i Kibetsaima, ary i Bety-Horona: izany hoe tanana efatra mbamin'ireo kijana samy manodidina azy.

23 Avy tamin'ny fokon'i Dana dia i Elteke, i Gibetona,

24 i Aialona, ary i Gata-Rimona: izany hoe tanana efatra mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

25 Avy tamin'ny antsasa-pokon'i Manase tany ampita andrefan'i Jordana dia i Tahenaka sy i Jiblehama: izany hoe tanana roa mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

26 Ny tanana rehetra azon'ireo tarika sisa taranak'i Kehata dia tanana folo mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

27 Ireo tarika tamin'ny levita taranak'i Geresona kosa dia ireto tanana ireto no azony. Avy tamin'ny antsasa-pokon'i Manase teny atsinanana dia i Golana any Basana, izay tanana fialofana, sy i Behestera: izany hoe tanana roa mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

28 Avy tamin'ny fokon'i Jisakara dia i Kisiona, i Daberata,

29 i Jarmota, ary i Haina-Genima: izany hoe tanana efatra mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

30 Avy tamin'ny fokon'i Asera dia i Misala, i Habdona,

31 i Helkata, ary i Rehoba: izany hoe tanana efatra mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

32 Avy tamin'ny fokon'i Naftaly dia i Kedesa any Galilea, izay tanana fialofana, i Hamota-Dora ary i Kartana: izany hoe tanana telo mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

33 Ny tanana rehetra azon'ny Geresonita ho an'ireo tarika tao anatiny dia tanana 13 mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

34 Ireo Levita hafa sisa dia ny tarika taranak'i Merary, ka ireto tanana ireto no azony. Avy tamin'ny fokon'i Zebolona dia i Joknehama, i Karta,

35 i Dimna, ary i Nahalala: izany hoe tanana efatra mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9672