Josoa
Toko faha-15
14 Dia noroahin'i Kaleba hiala tao ireo tarika hanakita telo tonta, izany hoe ny tarik'i Sesay sy ny tarik'i Ahimana ary ny tarik'i Talmay, izay samy taranak'i Hanaka.15 Avy tao Hebrona i Kaleba no niainga hamely ny mponina tao Debira izay nantsoina taloha hoe Kiriata-Sefera.
16 Ary hoy i Kaleba hoe: Izay olona mamely ka mahafaka an'i Kiriata-Sefera dia homeko azy i Haksa zanako vavy ho vadiny.
17 I Hotniela, ilay zanakalahin'i Kenaza rahalahin'i Kaleba, no nahafaka ny tanana; koa nomen'i Kaleba azy i Haksa zanany vavy ho vadiny.
18 Ary nony tonga teo amin'i Hotniela razazavavy, dia nampirisika azy mba hangataka saha amin'i Kaleba rainy; avy eo i Haksa dia nidina niala tamin'ny borikiny. Nanontanian'i Kaleba an-drazazavavy kosa ny zavatra ilainy,
19 ka novaliany hoe: Mba anaovy fanomezana aho! Ary satria ngazana ny tany nomenao ahy, dia mba omeo vovon-drano aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano teny ambony sy loharano teny ambany.
20 Izany no zaratany nolovan'ny foko taranak'i Joda ho an'ireo tarika ao anatiny.
21 Teo amin'ny foko taranak'i Joda dia ireto avy ireo tanana tamin'ny ilany atsimo nanakaiky ny sisin-tanin'i Edoma: i Kabitseela, i Hedera, i Jagora,
22 i Kina, i Dimona, i Hadihada,
23 i Kedesa, i Hatsora, i Jitnana,
24 i Zifa, i Telema, i Behalota,
25 i Hatsora-Hadata, i Keriota, i Hetsirona izay nantsoina koa hoe Hatsora,
26 i Amama, i Sema, i Molada,
27 i Hatsora-Gada, i Hesmona, i Bety-Peleta,
28 i Hatsara-Sohala, i Beera-Seba sy ireo tanana kely mifanila aminy,
29 i Bahala, i Hijima, i Hatsema,
30 i Eltolada, i Kenila, i Horma,
31 i Tsiklaga, i Madmana, i Sanesana,
32 i Lebaota, i Silehima, i Haina, ary i Rimona; izany hoe tanana 29 samy miampy ny tanana kely miankina aminy.
33 Ireto avy kosa ireo tanana teo amin'ny lemak'i Sefela: i Estaola, i Tsoreha, i Adena,
34 i Zanoa, i Haina-Ganima, i Tapoa, i Henama,
35 i Jarmota, i Hadolama, i Sokao, i Hazeka,
36 i Saharaima, i Haditaima, i Gedera, ary i Gederotaima; izany hoe tanana 11 samy miampy ny tanana kely miankina aminy.
37 Ao koa i Tsenana, i Hadasa, i Migdala-Gada,
38 i Dilehana, i Mitsepa, i Jokteela,
39 i Lakisy, i Botsekata, i Heglona,
40 i Kabona, i Lahemasa, i Kitlisa,
41 i Gederota, i Bety-Dagona, i Nahama, ary i Makeda; izany hoe tanana 16 samy miampy ny tanana kely miankina aminy.
42 Ankoatra ireo i Libna, i Hetera, i Hasana,
43 i Jifta, i Asena, i Netsiba,
44 i Kehila, i Akziba, ary i Maresa; izany hoe tanana sivy samy miampy ireo tanana kely miankina aminy.
45 Ao koa i Hekrona miampy ny tanana kely sy zana-bohitra miankina aminy;
46 ireo tanana kely sy zana-bohitra rehetra mifanila amin'i Asdola ka eo anelanelan'i Hekrona sy ny Ranomasina Mediteranea;
47 i Asdoda sy i Gaza samy miampy ireo tanana kely sy zana-bohitra miankina aminy, hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Ejipta sy hatrany amoron'ny Ranomasina Mediteranea.
48 Ireo tanana teny amin'ny faritra havoana kosa dia i Samira, i Jatira, i Sokao,
49 i Dana, i Kiriata-Sana izay nantsoina koa hoe Debira,
50 i Hanaba, i Estemao, i Hanima,
51 i Gosena, i Holona, ary i Gilao; izany hoe tanana 11 miampy ireo tanana kely miankina aminy.
52 Ankoatra ireo i Araba, i Doma, i Esihana,
53 i Janoma, i Bety-Tapoa, i Afeka,
54 i Hometa, i Kiriata-Arba izay nantsoina koa hoe Hebrona, ary i Tsihora; izany hoe tanana sivy miampy ireo tanana kely miankina aminy. 55 Dia ao koa i Mahona, i Karmela, i Zifa, i Jota,
56 i Jizrehela, i Jokdehama, i Zanoa,
57 i Kaina, i Gibeha, ary i Timna; izany hoe tanana folo miampy ireo tanana kely miankina aminy.
58 Farany ao koa i Halihola, i Bety-Tsora, i Gedora,
59 i Maharata, i Bety-Hanota, ary i Eltekona; izany hoe tanana enina miampy ireo tanana kely miankina aminy.
60 Tao koa i Kiriata-Bahala izay nantsoina hoe Kiriata-Jeharima, ary i Raba; izany hoe tanana roa miampy ireo tanana kely miankina aminy.
61 Ireo tanana tany an-taniefitra kosa dia i Bety-Haraba, i Midina, i Sokota,
62 i Nibsana, ilay tanana mpamokatra sira, ary i Haina-Gedy; izany hoe tanana enina miampy ireo tanana kely miankina aminy.
63 Ireo Jebosita izay mponina tao Jerosalema kosa dia tsy voaroakan'ny taranak'i Joda, ka mbola miara-monina aminy ao Jerosalema mandraka androany.
Toko faha-16
1 Izao no zaratany navoakan'ny antsapaka ho an'ny taranak'i Josefa. Ny sisiny atsimo dia manomboka hatreo Jordana akaikin'i Jerikao, eo atsinanan'ny loharanon'ny tanana. Avy eo Jerikao dia mihazo ilay taniefitra miakatra ho any amin'ny tendrombohitr'i Betela.