Mikà
Toko 1 Teny nampitain'ny TOMPO tamin'i Mika izay avy any Moreseta, fony mpanjaka tao Joda ry i Jotama sy i Ahaza ary i Hezekia. Fahitana no nampahafantaran'ny Tompo azy ny teniny momba ny tanana Samaria sy Jerosalema.
Toko 2 Lozan'izay manoman-keloka, sy mikasa hanao ratsy eo am-pandriany amin'ny alina; ka nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy satria misy hery eo am-pelatanany.
Toko 3 Dia hoy aho hoe: Ry mpitondra ny taranak'i Jakoba, eny, ry mpitsara ny vahoakan'i Israely, mihainoa re ianareo. Moa tsy anjara raharahanareo ve ny hahafantatra ny rariny?
Toko 4 Izao no ho tonga any aoriana any: Ny tendrombohitra misy ilay tempolin'ny TOMPO dia haorina mafy ho faratampon'ny tendrombohitra, sy hanerinerina ambonin'ny havoana; ka vahoaka no hitanjozotra ho any.
Toko 5 Dia hoy ny Tompo hoe: Ianao, ry Betlehema Efrata, isan'ireo tanana kely indrindra ao Joda ianao! Kanefa avy aminao no hamoahako ilay ho Mpanjaka an'i Israely. Efa hatramin'ny fahagola no niandohany, dia hatramin'ny andro taloha elabe.
Toko 6 Mitsangana Ianao, ry TOMPO! Mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra. Mihainoa ny adin'ny TOMPO, ianareo ry tendrombohitra sy ianareo ry fanorena-matezan'ny tany, fa manana ady amin'ny vahoakany ny TOMPO; ny Israelita no ifandaharany. Henoinareo ary izay lazain'ny TOMPO:
Toko 7 Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy aorian'ny fiotazam-boankazo aho ka tsy mahita aviavy masaka ifotony izay ankafiziko tokoa; ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho aorian'ny fiotazam-boaloboka aho, ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!