Mikà

Toko voalohany

1 Teny nampitain'ny TOMPO tamin'i Mika izay avy any Moreseta, fony mpanjaka tao Joda ry i Jotama sy i Ahaza ary i Hezekia. Fahitana no nampahafantaran'ny Tompo azy ny teniny momba ny tanana Samaria sy Jerosalema.

2 Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra. Mandrenesa tsara, ry tany sy izay rehetra ao aminy! Ny Tompo ANDRIANANAHARY no ho tonga eo anivonareo mba ho vavolombelona hiampanga, dia ny Tompo avy ao amin'ny tempoliny masina.

3 Fa indro ny TOMPO mivoaka ny toerany, ary midina ka mandeha eny am-paratampon'ny tany;

4 miempo eo ambany tongony ny tendrombohitra tahaka ny savoka taninin'ny afo; ary loadoaka ny lohasaha tahaka ny rehefa misy riaka mivarimbarina eny an-kilahila.

5 Nikomy tamin'Andriamanitra ny taranak'i Jakoba, eny, nanota ny vahoakan'i Israely, ka mahatonga izany rehetra izany. Fa iza no nampikomy ny taranak'i Jakoba? Moa tsy i Samaria renivohiny ve? Ary iza no toeram-panasinana ao Joda? Moa tsy i Jerosalema renivohiny ve?

6 Noho izany, dia hoy ny Tompo hoe: Hataoko antontan-korontam-bato eny an-tsaha i Samaria, hataoko tany fambolena voaloboka; ary havariko any an-dohasaha ny vatony, ka hampihanjahanjaiko ny fototra iorenany.

7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra hodorana amin'ny afo ny tamby rehetra azony ary hopotehiko ny sarin-tsampiny rehetra; satria tambin'ny vehivavy janga no nanangonany azy, dia hanambazana vehivavy janga any an-kafa indray ireny.

8 Hoy kosa i Mika hoe: Noho izany, dia hitomany sy hidradradradra aho, ary handeha tsy mitafy sady tsy mikiraro. Hikonainaina toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny vorombe;

9 satria tsy mety sitrana ny ratran'i Samaria fa mitatra hatrany Joda aza, ka tonga hatreo am-bavahadin'i Jerosalema izay tananan'ny mpiray firenena amiko.

10 Aza ambara any Gata izany fa tazony ny ranomasonareo! Ry mponina ao Bety-Hafra, mihosinkosena amin'ny vovoka ianareo.

11 Ry mponina ao Safira, mandehana hatao sesi-tany omban-kenatra sady tsy mitafy. Tsy mahavoaka ny tanana ireo mponina eo Tsanana. Misaona ny ao Bety-Etsela, ka tsy azo ampiasaina hierena intsony.

12 Mangovitra ny amin'ireo tombon-tsoany ny mponina ao Marota, satria efa nidina ho ao am-bavahadin'i Jerosalema ny loza avy tamin'ny TOMPO.

13 Ry mponina ao Lakisy, rohizo amin'ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy handosiranareo; satria naka tahaka ny fahadisoan'i Israely ianareo, ka nahatonga ny mponina ao Tsiona hanota.

14 Noho izany, ry mponina ao Tsiona, afoizo i Moreseta-Gata; ny tanana Akziba dia toky manodoka ho an'ny mpanjakan'i Israely.

15 Mpanafika handresy anareo no halefan'ny TOMPO aminareo, ry mponina ao Maresa, ka hisitrika hatrany an-johin'i Hadolama ireo filoha tabihan'i Israely.

16 Hetezo ny volonareo ary kakaso ny lohanareo, ry mponina ao Tsiona; halehibiazo ho tahaka ny an'ny fanindry ny sola eo an-dohanareo, noho ny amin'ireo zanaka malalanareo: satria nentina ho babo lavitra anao izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0545