Mikà
Toko faha-2
1 Lozan'izay manoman-keloka, sy mikasa hanao ratsy eo am-pandriany amin'ny alina; ka nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy satria misy hery eo am-pelatanany.2 Mitsiriritra saha izy, dia mangalatra izany; na mitsiriritra trano, dia mahalasa azy; alainy ankeriny na ny loham-pianakaviana sy ny ankohonany na ny olona mbamin'ny fananany.
3 Koa izao no lazain'ny TOMPO: Indro Aho manomana loza hamelezana ny karazan'olona toa anareo; tsy ho azonareo ialana io loza io, ka tsy handeha miandranandrana ianareo satria andron'ny loza izany.
4 Amin'izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo, sy hiventesana hiran-toloko ka hilazana hoe: Levona tanteraka izahay! Lasan'olon-kafa ny anjaran'ny firenenay! Nahoana no nesorin'ny Tompo taminay ny taninay ka zarainy ho an'ny mpanohitra anay?
5 Noho izany, dia tsy hisy amin'ny taranakareo hahazo zara tany rehefa hatao indray ny fizarana eo amin'ny vahoakan'ny TOMPO.
6 Hoy ny rediredin'ny sasany amiko: Aza be rediredy aminay intsony ianao! Aoka izay ny rediredy toy ny hoe: tsy hay sakanana ny fahafaham-baraka.
7 Fa voaozona ve ny taranak'i Jakoba? Malaky tezitra ve ny TOMPO? Izany ve no fomba fanaony? Ny teniko dia feno halemem-panahy amin'ireo miaina araka ny hitsiny;
8 fa hoy kosa ny TOMPO aminareo: Nitsangan-ko fahavalon'ny vahoakako ianareo; ka ny lehilahy miverina avy any an'ady sy mandalo tsy manana ahiahy no endahanareo ny akanjobeny.
9 Ny vehivavy eo amin'ny vahoakako dia roahinareo hiala amin'ny trano tsy foiny; esorinareo hiala mandrakizay amin-janany ny hasambarana nomeko azy.
10 Mitsangana ka miala, fa tsy misy fitsaharana ho anareo intsony eto. Satria ny fahalotoanareo hahatonga fandringanana, dia fandringanana mahatsiravina.
11 Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava sy mpamoron-dainga ka miteny hoe: Lazaiko aminareo fa divay sy toaka no hatobaka ho anareo, dia izy no mpaminany mirediredy mendrika an'ity vahoaka ity!
12 Hoy ny Tompo hoe: Hangoniko tokoa ianareo rehetra, ry taranak'i Jakoba; hovoriko tokoa ianareo sisa velona amin'ny Israely. Hatambatro ho iray tahaka ny ondry ao am-balany ianareo, tahaka ny ondry andiany eny an-tsaha fiandrasana azy no hisian'ny olona maro hifanaretsaka eto.
13 Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana; dia hamaky ny vavahady ianareo ary hivoaka ny tanana. Izy TOMPO, mpanjakanareo, no mandeha mitarika eo alohanareo.