Mikà

Toko faha-7

1 Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy aorian'ny fiotazam-boankazo aho ka tsy mahita aviavy masaka ifotony izay ankafiziko tokoa; ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho aorian'ny fiotazam-boaloboka aho, ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!

2 Fa foana teo amin'ny tany ny olona tena mpivavaka; ary tsy misy olo-marina intsony eo amin'ny olombelona. Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra; ary samy mihaza mpiray tampo amin'ny fandrika harato ny tsirairay.

3 Vonona hanao ratsy ny tanany; ny mpitondra sy ny mpitsara mitaky tsolotra; ary ny lehibe milaza izay zavatra iriny, ka miara-miteti-dratsy hahatanteraka azy,

4 Ny tsara indrindra aminy dia toy ny roy, ary ny mahitsy indrindra aminy dia ratsy noho ny fefy tsilo. Ho avy ny andro famaizana anareo araka ny nambaran'ireo mpaminany mpitilinareo; ary, ankehitriny aza, dia efa manahy mafy ianareo.

5 Aza matoky namana, ary aza miantehitra amin-tsakaiza. Tandremo tsara ny vavanareo na dia eo anatreham-bady aza.

6 Fa ny zanakalahy maniratsira ny rainy, ny zanakavavy manohitra ny reniny, ny vinantovavy manohitra ny rafozam-baviny, ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.

7 Fa izaho kosa mitodika amin'ny TOMPO ary manantena an'Andriamanitra mpamonjy ahy, fa hihaino ahy ilay Andriamanitro.

8 Aza mihomehy ny aminay ianareo fahavalonay! fa na lavo aza izahay, dia mbola hiarina; ary na mipetraka ao amin'ny maizina aza izahay, dia ny TOMPO no fahazavana ho anay.

9 Satria efa nanota tamin'ny TOMPO izahay, dia hozakainay ny fahatezerany, mandra-piarony ny adinay ka hanomezany rariny anay. Hamoaka anay ho eo amin'ny mazava Izy ka ho finaritra izahay hahita ny soa nataony taminay.

10 Hahita izany ny fahavalonay ka ho rakotry ny henatra, dia ireo niteny taminay hoe: Aiza ihany ny TOMPO Andriamanitrareo? Ho finaritra izahay hahita azy ireo, fa amin'izay dia ho tonga fanosy toy ny fotaka eny an-dalana izy.

11 Ho avy ny andro hananganana indray ny mandan'ny renivohitrao, ry Joda; ka amin'izany andro izany, dia hitarina lavitra kokoa ny faritry ny taninao.

12 Amin'izany andro izany, dia hiverina ho aminao ny mpiray tanindrazana rehetra hatreo Asiria ka hatrany Ejipta, hatreo Tiro ka hatrany Eofrata, hatreo amin'ny ranomasina iray ka hatrany amin'ny ranomasina hafa, hatreo amin'ny tendrombohitra iray ka hatrany amin'ny tendrombohitra hafa.

13 Ary ho tonga lao ny tany sisa noho ny asa ratsy vitan'ireo mponina ao aminy.

14 TOMPO o, ny tehinao no ento miandry ny vahoakanao, dia ny andianondry fanananao, izay mitoka-monina eo amin'ny tany be akata voahodidina saha mahavokatra; aoka izy handrasana any Basana sy Gilehada tahaka ny tamin'ny andro taloha.

15 Toy ny tamin'ny andro nialan'ny vahoakako tany Ejipta, dia hanao zava-mahagaga ho azy Aho.

16 Hahita izany ny firenen-kafa ka ho menatra na dia eo aza ny heriny rehetra. Ho gaga loatra izy ka hitampim-bava sy ho gina sofina.

17 Hilela-bovoka toy ny menarana sy ireo biby mikisaka amin'ny tany izy. Amin-kovitra no hialany avy ao amin'ny tranomimanda fiereny, ka hanatonany Anao TOMPO Andriamanitray. Eny, hangorohoro izy ary hanaja Anao.

18 Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay.

19 Hamindranao fo indray izahay, hohitsakitsahinao ny helokay; ary any ambany ranomasina lalina any no hanarianao ny fahotanay rehetra.

20 Hasehonao aminay taranak'i Abrahama sy i Jakoba ny toetranao mahatoky sy ny fitiavanao, araka izay efa nianiananao tamin'ny razambenay hatramin'ny andro fahagola.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0758