Mikà
Toko faha-5
1 Dia hoy ny Tompo hoe: Ianao, ry Betlehema Efrata, isan'ireo tanana kely indrindra ao Joda ianao! Kanefa avy aminao no hamoahako ilay ho Mpanjaka an'i Israely. Efa hatramin'ny fahagola no niandohany, dia hatramin'ny andro taloha elabe.2 Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin'ny fahavalo mandra-piavin'ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin'ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin'ireo Israelita namany.
3 Ary hitsangana hitondra ny vahoaka izany mpanapaka nampanantenaina izany, homban'ny hery sy heniky ny famirapiratana avy amin'ny TOMPO Andriamaniny. Dia handry feizay ny vahoakany, satria ho lehibe hatrany am-paran'ny tany izany mpanapaka izany:
4 izy no hitondra fiadanana! Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina ka hitsofoka hatraty an-dapantsika, dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.
5 Ary handresy amin'ny sabatra sy lefom-pohy ireo mpitari-tafika ireo ka hifehy an'i Asiria, tanin'i Nimroda. Izany mpanapaka izany mihitsy no hanafaka antsika amin'ny Asirianina izay hihoatra sisitany ka ho tonga hanafika ny tanintsika.
6 Amin'izay ny sisa velona amin'ny taranak'i Jakoba, eo anivon'ny vahoaka marobe, dia ho tahaka ny ando avy amin'ny TOMPO sy ho tahaka ny ranonorana latsaka amin'ny ahitra; ka tsy olombelona fa Andriamanitra no antenainy sy iankinany.
7 Amin'izay, ny sisa velona amin'ny taranak'i Jakoba, eo anivon'ny vahoaka marobe any amin'ny firenen-kafa, dia ho tahaka ny liona mihaza amin'ny biby anaty ala sy ho tahaka ny liona tanora mihaza amin'ny andian'ondry; rehefa mandalo ny liona, dia manosihosy sy mamiravira, ka tsy misy afaka mamonjy.
8 Dia toy izany koa, aoka ny tananareo hiainga hamely izay manohitra anareo ary aoka ho ringana avokoa ny fahavalonareo!
9 Ary hoy ny TOMPO hoe: Izao no ho tonga amin'izany andro izany. Haringako tsy ho eo afovoanareo ny soavalinareo, ary holevoniko ny kalesinareo.
10 Horavako ny tanana eo amin'ny taninareo, ary harodako avokoa ny mandanareo.
11 Hofoanako tsy ho eo an-tanananareo ny fanaovana ody ratsy ary tsy hisy eo aminareo intsony ny mpanandro.
12 Hofoanako tsy ho eo afovoanareo intsony ny sampinareo sy ny tsangambaton-tsampinareo, ka tsy hiankohoka amin'ny zavatra izay nataon'ny tananareo intsony ianareo.
13 Hongotako tsy ho eo afovoanareo ny tsatokazo ho an'i Asera ary hofongorako ireo sampinareo.
14 Fahatezerana mirehitra mafy no hanatanterahako valifaty amin'ny firenena izay tsy nihaino Ahy.