Mikà
Toko faha-3
1 Dia hoy aho hoe: Ry mpitondra ny taranak'i Jakoba, eny, ry mpitsara ny vahoakan'i Israely, mihainoa re ianareo. Moa tsy anjara raharahanareo ve ny hahafantatra ny rariny?2 Kanefa dia ny tsara no halanareo ary ny ratsy no tianareo, ka endahanareo mbamin'ny hoditry ny olona sy ny nofony mandrakotra ny taolany.
3 Eny, haninareo ny nofon'ny mpiray firenena amiko, endahanareo ny hodiny, vakivakinareo ny taolany, ary tetehanareo izy tahaka ny hena handrahoina am-bilany.
4 Amin'izany, dia hitaraina amin'ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo.
5 Izao no lazain'ny TOMPO ny amin'ireo mpaminany izay mpamitaka ny vahoakako: Raha misy mahafoy hokepohiny, dia iantsoany Fiadanana. Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa dia hananganany ady manokana.
6 Noho izany, foana ny fisehoam-pahitana fa ny alina no ho aminareo mpaminany mpamitaka. Foana koa ny fanambarana ny ho avy fa ny haizina no hanarona anareo. Hilentika aminareo ny masoandro, ka ho maizina aminareo ny andro!
7 Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana, ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy; hisarom-bava avokoa izy rehetra, satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra.
8 Izaho kosa, noho ny Fanahin'ny TOMPO, dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po, mba hanambara amin'ny taranak'i Jakoba ny helony, eny, mba hanambara amin'ny vahoakan'i Israely ny fahotany.
9 Ry mpitondra ny taranak'i Jakoba, eny, ry mpitsara ny vahoakan'i Israely, henoinareo re izao: Halanareo fatratra ny rariny, ary avadikareo ny hitsiny rehetra.
10 Amin'ny fandatsahan-dra no anorenanareo an'i Tsiona; amin'ny famoretana no anorenanareo an'i Jerosalema.
11 Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalana mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin'ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.
12 Koa, noho ny aminareo, i Tsiona dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.