Mikà
Toko faha-6
1 Mitsangana Ianao, ry TOMPO! Mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra. Mihainoa ny adin'ny TOMPO, ianareo ry tendrombohitra sy ianareo ry fanorena-matezan'ny tany, fa manana ady amin'ny vahoakany ny TOMPO; ny Israelita no ifandaharany. Henoinareo ary izay lazain'ny TOMPO:3 Ry vahoakako, inona moa no nataoko anareo? ary inona no nanasarako anareo? Valio Aho!
4 Fa nampiakariko avy tany Ejipta ianareo ary nafahako avy tamin'ny fanandevozana, ka nirahiko hitarika anareo i Mosesy sy i Aharona ary i Miriama.
5 Ry vahoakako, mba tsarovy izay nokasain'i Balaka mpanjakan'i Moaba hatao sy ny navalin'i Bilehama zanakalahin'i Behora azy, ary izay niseho hatreo Sitima ka hatrany Gilgala, mba hahafantaranareo asa nanasoavako anareo.
6 Inona ary no hoentiko, rehefa manatona aho hiankohoka eo anatrehan'ny TOMPO, Andriamanitra avo indrindra? Moa zanak'omby iray taona hatao sorona dorana manontolo ve no hoentiko rehefa manatona Azy aho?
7 Ho sitraky ny TOMPO ve ny ondrilahy an'arivony na ny menaka mikoriana toy ny renirano? Hatolotro Azy ve ny zazalahy voalohan-terako ho fanalana ny heloka amam-pahotako?
8 Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao ny fitondrantena tsara sy izay tadiavin'ny TOMPO aminao: dia ny hanao ny rariny sy handala ny fitiavana ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amim-panetrentena.
9 Fahendrena ny manaja ny TOMPO! Miantso ny ao an-drenivohitra Izy manao hoe: Mihainoa, ianareo ry fokon'i Joda sy ry loholona mivory eto an-drenivohitra!
10 Moa hohadinoiko ve ny harena maloto nangonin'ny ratsy fanahy ao an-tranony sy ny famarana tsy ampy? Zavatra mahatsiravina izany!
11 Moa heveriko ho madio izay mampiasa mizana mandainga sy mitondra an-kitapo ny vato tsy marina?
12 Mpanao herisetra ny mpanan-karena amin'ity renivohitra ity; ary mandainga sy mamitaka ny hafa ireo mponina ao aminy.
13 Izaho kosa nanomboka nikapoka anareo, mba handringanana anareo noho ny fahotanareo.
14 Hihinana ianareo nefa tsy ho voky, fa mbola eo aminareo ihany ny mosary, Hampirina ianareo nefa tsy hahatahiry; ary izay voatahirinareo aza dia holevoniko amin'ny ady.
15 Hamafy ianareo, nefa tsy hijinja; hanery oliva, nefa tsy hihosotra menaka; hanosihosy voaloboka, nefa tsy hisotro divay.
16 Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon'i Homry mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin'ny vahoakako.