Lioka

Toko faha-6

10 Dia nanopy maso manodidina nijery azy rehetra i Jesoa ka niteny tamin-dralehilahy hoe: Atsory ny tananao. Dia natsotran'ilay marary ny tanany ka sitrana.

11 Fa romotry ny hatezerana kosa ireo mpahay lalana sy Farisianina ka niara-nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesoa.

12 Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka, ary naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina.

13 Nony maraina, nantsoiny ny mpianany ka nifidianany 12 lahy izay nomeny anarana hoe apostoly:

14 dia i Simona, izay nomeny anarana koa hoe Petera, sy i Andrea rahalahiny; i Jakoba sy i Johany, i Filipo, i Bartolomeo,

15 i Matio, i Toma, i Jakoba zanak'i Halfeo, i Simona atao hoe Zelota,

16 i Jodasy zanak'i Jakoba, ary i Jodasy Iskariota ilay tonga mpamadika.

17 Dia niara-nidina tamin'ny 12 lahy i Jesoa ho eny an-tany lemaka. Mpianany maro sy vahoaka betsaka avy any Jodea lafy valo sy Jerosalema ary ny morontsirak'i Tiro sy i Sidona

18 no tonga teo mba hihaino Azy sy hositraniny amin'ny aretiny; ka izay nampahorin'ny fanahy maloto dia sitrana.

19 Ary notadiavin'ny vahoaka rehetra hokasihina i Jesoa satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.

20 Dia nanopy maso ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe: Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny Fanjakan'Andriamanitra!

21 Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisan'Andriamanitra! Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hampifalin'Andriamanitra!

22 Sambatra ianareo raha halan'ny olona sy roahiny ary tevatevainy sy alany baraka noho ianareo miandany amin'ny Zanak'olona.

23 Aoka hifaly ianareo amin'ny andro hisehoan'izany ary aoka hibita-karavoana, satria valisoa lehibe no miandry anareo any an-danitra. Fa toy izany indrindra no nataon'ny razan-dry zareo tamin'ny mpaminanin'Andriamanitra.

24 Mampalahelo kosa ianareo mpanana, fa efa azonareo ny fahafaham-po! Mampalahelo ianareo voky ankehitriny, fa mbola ho noana!

25 Mampalahelo ianareo mihomehy ankehitriny, fa mbola higogogogo hitomany!

26 Mampalahelo ianareo raha ataon'ny olona tsara laza. Fa toy izany indrindra no nataon'ny razan-dry zareo tamin'ny mpaminany sandoka!

27 Izao anefa no lazaiko aminareo mpihaino: Tiavo ny fahavalonareo, manasoava ny mpankahala anareo,

28 miraria soa ho an'izay manozona anareo.

29 Izay mamely anao amin'ny takolaka iray, tolory koa ny ilany; ary izay maka ny lambanao, avelao koa haka ny akanjonao.

30 Omeo izay rehetra mangataka aminao ary aza itakiana izay maka ny anao.

31 Izay tianareo hataon'ny olona aminareo no mba ataovy aminy koa.

32 Raha ny manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba tia izay manam-pitiavana azy!

33 Ary raha ny manasoa anareo ihany no soavinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba manao toy izany.

34 Ary raha ny antenain-kamerina ihany no ampisamborinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba mifampisambotra hahazoana takalony.

35 Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manasoava azy ary mampisambora tsy manantena valiny, dia ho lehibe ny valisoa miandry anareo; ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay mora fo amin'ny tsy mahay mankasitraka sy ny ratsy fanahy.

36 Tsara fo ilay Rainareo: noho izany, aoka ianareo ho tsara fo tahaka Azy koa!

37 Aza mitsara olona, dia tsy hotsarain'Andriamanitra ianareo; aza manameloka olona, dia tsy hohelohin'Andriamanitra ianareo; mamela, dia havelan'Andriamanitra ianareo;

38 manomeza, dia homen'Andriamanitra ianareo; fatra tsara, mihintsana, mifatratra sy avo loha no haidina amin'ny kitaponareo fa izay fomba hamaranareo ho an'ny olona ihany no mba hamaran'Andriamanitra ho anareo koa.

39 Mbola nilazan'i Jesoa fanoharana koa ireo mpihaino nataony hoe: Jamba ve mahatantana jamba? Tsy hifamarina an-kady ve ny jamba mifampitantana?

40 Mpianatra tsy mihoatra mpampianatra, fa izay mpianatra tonga lafatra no toy ny mpampianatra azy.

41 Nahoana moa ianao no mahita tapak'ahitra eo amin'ny mason-kavana, nefa ny vatan-kazo eo amin'ny masonao tsy tandrinao akory?

42 Ahoana no hahafahanao milaza amin-kavana hoe: Etsy, rahavako, hoesoriko ny tapak'ahitra amin'ny masonao, nefa ny vatan-kazo amin'ny masonao tsy hitanao akory? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo amin'ny masonao, izay ianao vao hahiratra tsara ka hanaisotra ny tapak'ahitra amin'ny mason-kavana.

43 -Tsy mba hazo tsara no hamoa voa ratsy, na hazo ratsy indray no hamoa voa tsara.

44 Eny, ny voany no ahafantarana ny hazo isan-karazany; fa foto-tsilo tsy ahazoana voanaviavy, ary foto-droy tsy iotazana voaloboka.

45 Koa ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka zavatra ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony. Fa izay mameno ny fon'ny olona no aloaky ny vavany.

46 - Ahoana no iantsoanareo Ahy hoe: 'Tompo o! Tompo o!' nefa tsy tanterahinareo akory izay lazaiko?

47 Izay rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sady manatanteraka, dia hasehoko anareo ny mety hampitahana azy:

48 tahaka ny olona manorin-trano ka nihady lalina ary nandatsaka ny fototra am-batolampy; nony tondraka ny rano, dia notonafan'ny riaka ilay trano nefa tsy nihontsona noho izy tsara orina.

49 Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manatanteraka, dia tahaka ny olona manorin-trano amin'izao tsy misy fototra; raha vao notonafan'ny riaka ilay trano, dia nirodana avy hatrany ka rava tanteraka.

Toko faha-7

1 Rehefa avy nampandre ny vahoaka izany teniny rehetra izany i Jesoa, dia niverina tany Kafarnahoma.

2 Nisy kosa kapitenin-tafika nanana mpiasa narary efa ho faty, mpiasa sarobidy aminy tokoa.

3 Vao nahaheno ny amin'i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholona jiosy hankany aminy hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay mpiasa.

4 Rehefa tonga teo amin'i Jesoa ireto iraka, dia niangavy Azy mafy hoe: Mendrika hanaovana izany io kapiteny io fa tia ny firenentsika,

5 ary izy mihitsy aza no nanorina ny sinagogantsika.

6 Dia niara-nandeha tamin'ireo loholona i Jesoa. Ary rehefa mby akaikin'ny trano Izy, dia nanirahan'ilay kapiteny olona mahatoky indray hilaza aminy hoe: Aza misahirana toy izao re, Tompoko, fa tsy mendrika handrosoanao an-trano aho;

7 ary izany no anton'ny tsy nisehoako vatana taminao; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana anie ny mpiasako.

8 Izaho manko, na ambany fahefan'olona aza, mba mifehy miaramila ihany: ka raha misy ataoko hoe Mandehana, dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe Avia, dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe Ataovy izao, dia manao izy.

9 Gaga tamin'ilay kapiteny i Jesoa raha nandre izany, ary dia nitodika tamin'ny vahoaka nanaraka Azy ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana toy izany Aho, na dia tamin'i Israely aza!

10 Nony tafaverina tany an-tranon'ilay kapiteny ireto iraka, dia nahita ilay mpiasa salama soa aman-tsara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9655