1 Makabeo
Toko faha-2
24 Nony nahita izany i Matatia, dia nirehitra zotompo sady indray niontana ny tenany. Hatezerana araka ny lalana no nisondrotra tao aminy ka nampiantoraka azy namono an-dralehilahy teo amin'ny alitara.25 Niaraka tamin'izay koa no namonoany an'ilay iraky ny mpanjaka, nanery hanao sorona; ary dia nazerany ny alitara.
26 Toy izany no nirehetan'ny zotom-pon'i Matatia hiaro ny lalanan'i Mosesy, tahaka ny nataon'i Pinehasa izay namono an'i Zimry, zanakalahin'i Salo.
27 Avy eo dia nandeha eran'ny tanana i Matatia niantso tamim-peo avo hoe: -Izay rehetra mirehitra zotompo hiaro ny lalanan'i Mosesy sy hitana ny fanekem-pihavanana nataon'Andriamanitra, samia miainga hanaraka ahy avokoa.
28 Taorian'izany i Matatia sy ireo zanany lahy dia nandositra nankany an-tendrombohitra, ary nandao izay rehetra nananany tao an-tanana.
29 Tamin'izay koa dia nisy Jiosy marobe izay nikatsaka ny fahamarinana sy nilofo tamin'ny lalanan'i Mosesy, ka nidinaho any an-taniefitra ,
30 tapa-kevitra honina tany izy ireo mbamin'ny vady aman-janany sy ny biby fiompiny, satria efa nitambesaran'ny lozam-panenjehana nanjo azy.
31 Nilazana ny manamboninahitry ny mpanjaka mbamin'ny miaramila tao Jerosalema, teo amin'ny Tananan'i Davida, fa nisy olona nitsipaka ny didin'ny mpanjaka, ary lasa nidina any amin'ny toeram-pierena any an-taniefitra.
32 Dia nirohotra nanenjika azy ny andia-miaramila; ka rehefa nahatratra azy kosa ireo, dia nitoby tandrify azy sy nivonon-kamely amin'ny andro sabata.
33 Hoy izy tamin'ireo mpandositra: -Ampy izay! Mivoaha tao ianareo; tanteraho ny didin'ny mpanjaka, dia ho velona ianareo.
34 Fa novalian'ny Jiosy hoe: -Tsy hivoaka tato izahay ary tsy hanatanteraka ny didin'ny mpanjaka, mampandika ny fepetran'ny andro sabata.
35 Niaraka tamin'izay ny miaramila dia nandraikitra ady taminy,
36 kanefa tsy namaly azy ny Jiosy na nitora-bato iray akory hanoherana azy na nanampina toeram-pierena.
37 Fa hoy izy hoe: "Aoka izahay rehetra ho faty avokoa amin'ny hitsimponay! Ny lanitra sy ny tany no vavolombelona mahita anay, fa vonoinareo ho faty tsy an-drariny izahay."
38 Dia nasian'ny fahavalo tamin'ny andro sabata izy ireo mbamin'ny vady aman-janany sy ny biby fiompiny. Tokony ho arivo no isan'ny olona maty.
39 Nalahelo mafy i Matatia sy ireo sakaizany nandre izany famonoana ho faty izany,
40 ka nifampilaza hoe: "Raha samy manao toy izany nataon'ny mpiray firenena amintsika izany avokoa isika, ka tsy miady amin'ny hafa firenena mba hiaro ny aintsika sy ny fomba amam-panaontsika, dia ho fongorany vetivety eto ambonin'ny tany isika."
41 Koa tamin'izany andro izany ihany no nanaovany izao fanapahan-kevitra izao: "Na iza na iza tonga hamely antsika amin'ny andro sabata, dia hasiantsika; fa tsy hety hovonoina ho faty fotsiny isika, tahaka ny nahafatesan'ireo mpiray firenena amintsika tao amin'ny toeram-piereny."
42 Tamin'izay ny antokon'ny Hasidianina dia nomba an-dry Matatia koa: lehilahy mahery fo tao Israely ireo sady niraiki-po avokoa tamin'ny lalanan'i Mosesy.
43 Ankoatra izany, nanatevina isa sy nampitombo hery azy koa izay rehetra nitady ho afaka amin'ny lozam-panenjehana.
44 Dia nampijoro tafika iray izy mitambatra, ka namely tamin-katezerana sy tamin-kavinirana ireo mpivadika sy tsy mpivavaka; ny sisa tsy azony kosa dia nandositra any amin'ny hafa firenena mba hanavotra aina.
45 Nanao fitetezana hatraiza hatraiza i Matatia sy ireo sakaizany mba handrava ny alitaran-tsampy.
46 Noforany avokoa ny zazalahy rehetra hitany tsy voafora teo amin'ny tanin'i Israely,
47 ary noroahiny ny mpiavonavona amin'Andriamanitra; ka nahomby ny raharaha izay notarihiny.
48 Ny lalanan'i Mosesy no narovany tamin'ny famelezana nafitsok'ireo hafa firenena sy ireo mpanjaka; ka tsy navelany hahazo vahana ilay mpanjaka mivoana.
49 Nony efa antomotra ny andro hahafatesan'i Matatia, dia hoy izy tamin'ireo zanany: -Ankehitriny, manjaka ny avonavona sy faniratsirana, ka andro fandravana sy fahatezerana mirehitra izao.
50 Anaka, aoka ianareo hanana zotompo hiaro ny lalanan'i Mosesy ary hahafoy aina ho an'ny fanekem-pihavanana notanan'ny razantsika.
51 Tsarovy ny asa nataon'ny razantsika tamin'ny androny, fa hahazo voninahitra sy laza maharitra mandrakizay ianareo manahaka azy.
52 Hita ho nahatoky i Abrahama tamin'ny fizahan-toetra, ka nankatoavana azy ho marina izany.
53 Nitandrina ny didin'Andriamanitra i Josefa tamin'ny androm-pahoriany, ka tonga tompon'i Ejipta izy.
54 Nanana zotompo nirehidrehitra i Pinehasa razantsika , ka nahazo antoka izy fa ho mpisorona hatrany ny taranany.
55 Nanatanteraka ny teny nanirahana azy i Josoa , ka tonga mpitsara nitondra an'i Israely izy.
56 Nijoro ho vavolombelona i Kaleba teo anatrehan'ny Israelita tafangona, ka nahazo zaratany anankiray ho lovany.
57 Niraiki-po tamin'Andriamanitra i Davida , ka nahazo sezafiandrianana mahampanjaka ho azy sy ho an'ny taranany mifandimby.
58 Nanana zotompo nirehidrehitra i Elia , hiarovana ny lalanan'Andriamanitra, ka nopaohina ho any an-danitra izy.
59 Natoky an'Andriamanitra i Hanania sy i Hazaria ary i Misaela , ka novonjena tsy ho azon'ny lelafo.
60 Nahitsy fo i Daniela , ka novonjena tsy ho azon'ny vavan'ny liona.
61 Koa dinidiniho amin'izay fa isaky ny taranaka mifandimby dia tsy mba hiketraka izay rehetra manantena an'Andriamanitra.
62 Aza matahotra ny rahom-bava ataon'io mpanjaka mivaona io, fa ho fahalovana aman-kankana no hiafaran'ny voninahiny.
63 Anio izy manandra-tena fa rahampitso izy tsy ho hita intsony, satria miverina amin'ny vovoka niaviany; ka levona ny tetikadiny.
64 Koa matanjaha sy mahereza fo ianareo, anaka, hiorina amin'ny lalanan'Andriamanitra satria izany no hanananareo voninahitra.
65 Indro i Simehona rahalahinareo! Fantatro fa lehilahy tsara torohevitra izy, ka henoy mandrakariva, fa dia hanjary ray ho anareo izy.
66 Aoka i Joda Makabeo, lehilahy tomady sy mahery fo hatramin'ny fahatanorany, no ho filohan'ny tafikareo sy hitarika ny ady amin'ny hafa firenena!
67 Ianareo kosa, mamoria izay rehetra mitandrina ny lalana mba homba anareo ary mamalia ny ratsy natao tamin'ny mpiray firenena aminareo.
68 Atsingereno amin'ny hafa firenena ny nafitsony taminareo ary tandremo ny didy raketin'ny lalanan'Andriamanitra.
69 Nony avy nitsodrano ireo zanany i Matatia, dia voaangona any amin'ny razany.
70 Tamin'ny taona faha-146 no nahafatesany; ary tao amin'ny fasan-drazany, tao Modina, no nandevenan'ireo zanany azy. Fisaonana lehibe no nataon'i Israely manontolo taminy.
Toko faha-3
1 I Joda, izay atao hoe Makabeo, no nitsangana nandimby an'i Matatia rainy.2 Nanampy azy avokoa ireo rahalahiny mbamin'izay rehetra mpomba an-drainy, ka niady tamin-kafaliana ho an'i Israely.
3 I Joda no nampitombo voninahitra ny fireneny. Rehefa nisalotra ny akanjo vy fiarovan-tena izy, dia miendrika lehilahy goavana. Nirongo ny fitaovam-piadiany izy ary namory ny olona hiady. Ny sabatra fitondran'i Joda no niarovany ny tafika israelita.