1 Makabeo
Toko faha-4
44 Nifampidinihana ny amin'izay tokony hanaovana ny alitara fanaovana sorona dorana manontolo, dia ilay alitara nozimbazimbain'ny hafa firenena,45 ka ny hevitra tsara niaraha-nahita dia ny handrava izany, fandrao hahatonga fahafaham-baraka ho an'ny Jiosy satria alitara efa voaloton'ny hafa firenena. Dia noravana tokoa ilay alitara;
46 ka ny vatony dia napetraka tamina toerana sahaza teo amin'ny tendrombohitry ny tempoly, mandra-pahatongan'izay mpaminany hanapaka ny amin'ny hanaovana azy.
47 Araka ny Lalana , dia vato tsy voapaika no nalaina, ka nanangana na alitara anankiray vaovao mitovy amin'ilay taloha.
48 Namboarina ny Toeramasina mbamin'ny atin'ny tempoly ary naverin-kasina ny kianjany.
49 Fanaka masina vaovao koa no natao; dia napetraka tao an-tempoly indray ny fitoeran-jiro sy ny alitara fandoroana vovo-javamanitra ary ny latabatra fametraha-mofo.
50 Nodorana hanetona eo ambony alitara ny vovo-javamanitra; nampirehetina ny lahin-jiro teo amin'ny fitoeran-jiro ary voazava ny tempoly.
51 Napetraka teo ambony latabatra ny mofo fanolotra ho an'Andriamanitra, ary nahantona ny efitra lamba; dia novitaina avokoa ny asa rehetra natao.
52 Ny andro faha-25-n'ilay volana antsoina hoe Kisleo , tamin'ny taona faha-148 , no fitsingerenan'ny andro nanimbazimban'ireo hafa firenena ny alitara fisoronana.
53 Nifoha maraina ny Jiosy tamin'io daty io ary nanolotra sorona, araka ny Lalana, teo amin'ny alitara vaovao izay narafiny hanaovana sorona dorana manontolo.
54 Hiran-tsalamo ary feom-baliha aman-dokanga sy kipantsona no nanokanana indray io alitara io.
55 Indray nihohoka ny vahoaka sady nitsaoka sy nankalaza an'ilay Andriamanitra nanambina azy.
56 Naharitra valo andro no nanaovany ny fanokanana ny alitara; sady an-kafaliana no nanolorany sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ary sorom-pisaorana.
57 Noravahany fehiloha volamena sy ampinga be renty ny anoloan'ny tempoly; namboariny koa ny fidirana amin'ny tempoly sy ny efitrano sady nasiany varavarana.
58 Nisy fifaliana lehibe tokoa teo amin'ny vahoaka, sady afaka ny fahafaham-baraka nafitsoky ny hafa firenena.
59 Nifanara-kevitra i Joda sy ireo rahalahiny mbamin'ny Israelita rehetra tafangona ka nandidy ny hankalazana amim-pifaliana sy firavoravoana ireo andro fitokanana ny alitara ireo, mandritra ny valo andro isan-taona, miantomboka amin'ny faha-25-n'ny volana Kisleo.
60 Tamin'izany fotoana izany ihany no nanorenana manda avo sy tilikambo mafonja teo amin'ny tendrombohitra Tsiona, mba tsy hahazoan'ny hafa firenena manosihosy ireo toerana ireo intsony toy ny efa nataony teo aloha.
61 Nametrahan'i Joda miaramila antokony iray tao mba hiambina sy hiaro ny tempoly; nohamafisiny koa i Bety-Tsoro mba hananan'ny vahoaka tanana mimanda anankiray manoloana an'i Idomea.
Toko faha-5
1 Nisafoaka mafy ireo firenena manodidina, nony nandre fa hoe voavoatra indray ny alitara fisoronan'ny Jiosy ary vita nody amin'ny toetrany taloha indray ny tempoly.2 Koa nanapa-kevitra ireo fa handringana ny taranak'i Jakoba nitoetra teo aminy ary nanomboka namono sy nandripaka maro tamin'ny vahoaka israelita.
3 Namely an'i Israely ny taranak'i Hesao tao Idomea , ka niadian'i Joda tao Akrabatana ; nataony resy dia resy tokoa ireo ka naetriny sy nangalany babo.
4 Tsaroan'i Joda koa ny haratsiam-pon'ireo taranak'i Baiana , izay nitsangan-ko fandrika aman-tsakana ho an'ny vahoaka israelita, ka nanao otrika hahavoa azy teny an-dalana,
5 notemerin'i Joda hihidy ao anaty tilikambo ireo, dia nataony fahirano sy nianianany haringana; ka nodorany ny tilikambony mbamin'izay rehetra tao anatiny.
6 Avy eo i Joda nankany amin'ny Hamonita, ka nisehatra tafika iray lehibe, nisy miaramila maro notarihin'i Timoty ,
7 niadiany imbetsaka ireo, ka montsana teo anatrehany ary resy mihitsy.
8 Nalainy ny tanana Jazera mbamin'ny zana-bohitra miankina aminy; dia niverina nankany Jodea izy.
9 Nitambatra ny hafa firenena tao Gilehada mba hamely sy handringana ny Israelita nonina teo amin'ny faritaniny; fa lasa nialoka tao amin'ny tanana mimanda atao hoe Datema kosa ireo.
10 Dia nampitondra taratasy tany amin'i Joda mbamin'ny rahalahiny izy nanao hoe: -Nitambatra hamely anay sy handringana anay ny hafa firenena manodidina anay.
11 Efa miomana haka ny tanana mimanda ialofanay izy, ary i Timoty no mpitarika ny tafiny.
12 Koa avia hanafaka anay tsy ho azon'ireo, fa efa nahafatesana maro rahateo izahay.
13 Ny Jiosy rehetra havanay, nonina teo amin'ny tanin'i Tobia , dia voavono avokoa; nentin'ny fahavalo ho babo ny vady aman-janany, lasany ny fananany, efa ho arivo lahy no matiny tao.
14 Mbola vakina eo izany taratasy izany no nisy iraka hafa rovi-pitafiana, tonga avy any Galilea, nitondra izao vaovao izao:
15 -Nitambatra hamongotra anay ny olona avy any Ptolemaida sy Tiro ary Tsidona mbamin'i Galilea manontolo onenan'ny hafa firenena.
16 Nony nandre izany toe-javatra izany i Joda sy ny tafiny, dia nampanao fivoriana lehibe, handinihana izay tokony hatao ho an'ireo havana jiosy tra-pahoriana sy asiam-pahavalo.
17 Dia hoy i Joda tamin'i Simona rahalahiny: -Mifidiana miaramila ka mandehana manafaka ny mpiray firenena aminao any Galilea, fa ny tenako sy i Jonatana rahalahiko kosa ho any Gilehada.
18 Dia i Josefa zanakalahin'i Zakaria ary koa i Hazaria mpifehy vahoaka no navelany tao Jodea miaraka amin'ny miaramila sisa mba hiambina,
19 ka nomeny didy hoe: - Entonareo ity vahoaka ity, nefa aza mandrafitra ady amin'ny hafa firenena mandra-piverinay.
20 Vatan-dehilahy andiany telo no voatendry hiaraka amin'i Simona ho any Galilea, ary andiany iray kosa no hiaraka amin'i Joda ho any Gilehada.
21 Nankany Galilea i Simona, ka niady imbetsaka tamin'ny hafa firenena; dia resy ireo ka nitsoaka teo anoloany
22 ary nenjehiny hatrany amin'ny vavahadin'i Ptolemaida. Nahafatesan'ny Israelita sahabo ho andiany telo ny hafa firenena sady nentiny ny babo tamin'ireo.
23 Nangoniny koa ny Jiosy tany Galilea sy Arbata , mbamin'ny vady aman-janany sy izay rehetra nananany, dia nentiny ho any Jodea tamin-kafaliana lehibe.
24 Tamin'izay kosa ry i Joda Makabeo sy i Jonatana mirahalahy dia nita an'i Jordana, ka nandroso lalana telo andro tany an-taniefitra.
25 Ny Nabateanina no tojo azy sy nandray azy tamim-pihavanana, ka nitantarany ny manjo ireo Jiosy any Gilehada hoe:
26 -Maro amin'ireo Jiosy ireo no iharan'ny fahirano ao anatin'ireto tanana lehibe sady mafy ireto, dia i Bosora sy i Bosoro ary i Alema mbamin'i Kasfao sy i Makeda ary i Karnaima ,
27 misy koa voafahirano amin'ny tanana hafa any Gilehada. Efa tapa-kevitra ny fahavalony fa hananika ireo tanana mimanda ialofan'ny Jiosy ireo rahampitso, ka hahazo azy ary handringana amin'ny indray andro monja ny Jiosy rehetra ao.
28 Dia niova lalana tampoka i Joda sy ny tafiny, ka nizotra tany an-taniefitra hankany Bosora; nalainy ny tanana, novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra avokoa ny lahy rehetra tamin'ny mponina, nentiny avokoa ny babo tao, ary nodorany ny tanana.
29 Alina no nialan'i Joda sy ny tafiny teo ka nandrosoany hatrany Datema , izay tanana mimanda nialofan'ny Jiosy.
30 Nony maraina, nanopy maso izy ireo ka nahatazana miaramila tsy tambo isaina nitondra tohatra sy milina fandroba handrindrina ary efa rafitra ady tamin'ny Jiosy.
31 Rehefa hitan'i Joda fa efa rafitra ny ady ary efa nisondrotra nanaka-danitra ny akoran'ny mponina niaraka tamin'ny feon-trompetra mbamin'ny horakoraka be,
32 dia hoy izy tamin'ny miaramilan'ny tafiny: -Miadia anio ho an'ny mpiray firenena aminareo.