Bena-SirĂ ka

Toko faha-18

6 Tsy misy hanalana tsy misy hampiana sady tsy azo takarina velively ny zava-mahagaga ataon'ny Tompo.

7 Rehefa tapitra mikaroka ny olombelona, dia vao eo amin'ny manomboka ihany; ary nony mijanona izy, dia mbola sahiran-kevitra ihany.

8 Inona moa ny olombelona? Ary inona no ilana azy? Midika inona moa ny soa vitany na ny ratsy ataony ?

9 Ny isan'ny andro iainan'ny olombelona dia zato taona raha betsaka indrindra.

10 Rano indray mitete avy amin'ny ranomasina na koa fasika madinika anankiray monja: toy izany ireo taona vitsivitsy iainany raha miolotra amin'ny mandrakizay.

11 Izany no andeferan'ny TOMPO amin'ny olombelona sy andefasany famindrampo hitosaka aminy.

12 Hitan'ny TOMPO sady fantany tsara fa mahonena ny fiafaran'ny olombelona; izany no amelany heloka azy amin-kalalaham-po tokoa.

13 Ny olombelona mamindrafo amin'ny namany akaiky, fa ny Tompo kosa mamindrafo amin'ny olona rehetra; manafay Izy sady manabe sy mampianatra, ary manao tahaka ny mpiandry ondry Izy ka mamerina ao am-bala ny andian'ondriny.

14 Amindrany fo izay manaiky ho beaziny sy izay dodona manatanteraka ny didiny.

15 Anaka, ny soa ataonao aoka tsy harahin-datsa; ary ny fanomezanao isan-karazany aoka tsy harahin-dromoromo!

16 Ny teny anankiray tononina dia mety ho tsara kokoa noho ny fanomezana; toy ny ando mamelombelona aorian'ny hafanana manko izany.

17 Eny tokoa fa ny teny anankiray dia mety zava-tsoa kokoa noho ny fanomezana.

18 Ny olona izay be fitiavana dia manambatra azy roroa.

19 Aoka hamotopototra ianao alohan'ny hitenenanao; ary karakarao tsara ny tenanao alohan'ny hahatonga ny aretina.

20 Aoka hanao fandinihan-tena ianao alohan'ny fitsaran'Andriamanitra; ary amin'ny fotoana hanadihadiany anao, dia hahazo famelan-keloka aminy ianao.

21 Aza miandry harary vao manetry tena ianao; asehoy fa miverina amin'Andriamanitra ianao, raha sendra tafalatsaka tamin'ny fahotana.

22 Aza avela hisy zavatra manankantsakana anao tsy hanefa ny voadinao amin'ny fotoanandrony; ary aza miandry antomotra ho faty ianao vao hanefa izany voadinao izany.

23 Alohan'ny hanao voady, dia aoka ho vonona ianao; fa aza manao toy ny olona maka fanahy ny Tompo.

24 Hevero fa amin'ny andro farany ianao dia mety hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra; ary hevero koa ny fotoana hamaizany ka hihodinany tava tsy hijery anao.

25 Amin'ny fotoana ananam-be dia hevero ny fotoana mosarena mety ho tonga; amin'ny fotoana ananan-karena dia hevero ny fahantrana sy fihafiana mety hidona.

26 Hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva dia mety mivadibadika eo ny toetr'andro; mety hiova faingana toy izany koa ny zava-drehetra eo anatrehan'ny Tompo.

27 Mitandrin-tena hatraiza hatraiza ny olon-kendry; ary amin'ny andro itaoman'ny fahotana azy, dia miaro tena tsy hanao tsirambina izy.

28 Ny olona mahira-tsaina rehetra dia mahalala ny fahendrena sady manome haja an'izay nahita azy.

29 Ny olona nisaina tsara ny tenin'ireo dia nanjary mahazo fahendrena koa, ary namafy toy ny ranonorana ireo oha-pitenenana tsara rindra.

30 Aza mety ho entin'ny fitsiriritanao ary asio fifehezana ny fanirianao.

31 Raha ny fitsiriritanao no hanarananao fo, dia hataony fihomehezan'ny fahavalonao ianao.

32 Aza atao foto-pifalianao ny filibana isan-karazany ary aoka ianao tsy hamato-tena hanefa ny saran'izany!

33 Aza mampahantra tena misambo-bola mba hanaovana fihinanam-be, kanefa tsy misy na inona na inona ao anatin'ny kitapom-bolanao.

Toko faha-19

1 Ny mpiasa midoroka tsy mba hanan-karena; izay tsy miraharaha ny fahalalana onony dia hitotongana miandalandalana.

2 Ny fisotro mahamamo sy ny vehivavy no mampivaona ny olona, na ny mahira-tsaina aza; ary izay miraikitra amin'ny vehivavy janga dia lehilahy miditra anaty kizo hatrany ;

3 ho rembin'ny olitra sy ny kankana no anjarany, ka ny toetra midi-kizo no hahafongotra azy.

4 Izay malaky minomino ny lazaina azy dia olona maivan-doha; ary izay manao fahotana toy izany dia mamely ny tenany ihany.

5 Izay finaritra amin'ny haratsiana dia hiharan'ny fanamelohana ;

6 ary izay mankahala ny resadresa-poana dia miaro tena tsy ho voan'ny loza.

7 Aza mitati-bolana na oviana na oviana, dia tsy hisy loza hahavoa anao;

8 Aza miresaka olona na sakaiza na fahavalo; ary aza manambara zavatra momba azy, afa-tsy raha hahadiso anao ny tsy miteny.

9 Raha ren'ilay olona manko ianao, dia hitandrin-tena izy aminao; ary any andro hankahalany anao.

10 Raha sendra nisy resaka renao, dia ataovy zavatra hoentinao maty; aza manana ahiahy ianao, fa tsy hampipoaka anao izany.

11 Ny teny iray tokony ho tanany dia mampijalijaly ny olona adala tahaka ny mampanaintaina mafy ny vehivavy mihetsi-jaza.

12 Mamparary ny zana-tsipika rehefa tafatsatoka amin'ny fe; mamparary toy izany koa ny teny iray tokony ho tanana rehefa latsaka ao am-pon'olona adala.

13 Fotopotory ny sakaizanao ny amin'izay siosion-dresaka momba azy. Angamba tsy nisy zavatra nataony; ary raha nisy nataony ihany, dia aoka izy tsy hamerina intsony!

14 Fotopotory ny namanao ny amin'ny fanaratsiana iampangana azy. Angamba tsy nisy zavatra nolazainy; ary raha nisy nolazainy ihany, dia aoka izy tsy hamerina intsony!

15 Fotopotory ny sakaizanao: Matetika manko ny endrikendrika; koa aoka ianao tsy hinohino foana izao rehetra lazaina aminao izao!

16 Misy olona diso fiteny, na dia tsy fanahy iniany aza; ary iza moa no tsy nanota tamin'ny teny nataony ?

17 Fotopotory ny namanao, alohan'ny handrahonanao azy; ary aoka homenao lanja ny lalanan'Ilay Avo Indrindra !

20 Ny vontoatin'ny fahendrena manontolo dia izao; ny manaja ny Tompo sy manatanteraka ny Lalanany.

22 Tsy mba ny fahaizana zava-dratsy no fahendrena; tsy mba ny torohevitry ny mpanota no fahamalinana.

23 Misy hakingana izay maharikoriko tokoa; ary izay tsy ampy fahendrena no adala toetra.

24 Aleo olona kely fahiratan-tsaina kanefa manaja ny Tompo, toy izay olona be hakingan-tsaina kanefa mandika ny Lalanany.

25 Misy toetra kinga sy matsilo tokoa izay enti-mandika ny rariny; ary misy fatra-panodinkodin-javatra mba hampamoaka ny didim-pitsarana iriny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9409