Bena-SirĂ ka
Toko faha-12
9 Raha ambinina ny olona, malahelo ny fahavalony; fa raha ory kosa izy, na ny sakaizany aza mihataka.10 Aza matoky ny fahavalonao na oviana na oviana; satria toy ny varahina rakotry ny harafesina, toy izany koa no ho endriky ny hasomparany.
11 Na mody manetry tena sy manjoko famindra aza izy, dia mitandrema sy miarova tena ianao amin'ny fahavalonao; manoloana azy, dia ho tahaka ny mpandambolambo fitaratra anie ianao ka ho fantatrao fa tsy misy harafesina maraorao intsony ao aminy!
12 Aza apetraka eo anilanao ny fahavalonao, fandrao aongany ianao, dia alainy ny toeranao; aza apetrakao ho tanan-kavananao izy, fandrao tsiriritiny ny toerana misy anao; ka amin'ny farany, nony hahalalany hamarinan'ny foto-kevitro ianao, dia hanana alahelo ama-nenina amin'ny fahatsiarovana ny teniko.
13 Iza no hangoraka izay mpisafosia ka voakaikitry ny menarana tezainy na izay rehetra manatona ny bibidia?
14 Toy izany koa, iza no hangoraka ny miray petsapetsa amin'ny mpanota ka voarohirohy amin'ny fahotana ataony?
15 Raha mbola miara-dalana aminao ny olon-dratsy, dia tsy mampiseho ny tena toetrany; fa raha mianjera ianao, dia avelany ho eo. Raha mbola tafajoro tsara ianao, dia mijanona mitampify aminao izy; fa vao mibolisatra ianao, dia iny izy no lasa.
16 Ny fahavalo dia malefaka am-bava, nefa ao am-pony dia satriny tokoa ny hamarina anao any an-davaka. Ny ranomaso mitrahotraho amin'ny mason'ny fahavalo, nefa ny handatsa-dra anao no mahaliana azy raha misy fotoana hahazoany manao izany.
17 Raha tra-doza ianao, dia hahita azy manoloana anao, ary hody hoe hamonjy anao izy, kanjo hamingana anao;
18 avy eo dia handihindihy loha sy hiteha-tanana izy, tsy hitsaha-mitakoritsidritsika ny aminao, ary hiova endrika ho araka ny mahaizy azy.
Toko faha-13
1 Izay mikasika godorao madity dia voaloto; ary izay mifanerasera amin'ny mpiavonavona dia zary hanahatahaka azy.2 Aza mibata enta-mavesatra mihoatra noho ny zakanao; toy izany koa, aoka ianao tsy hifanerasera amin'olona mahery na manankarena noho ianao. Tsy afaka hiaraka mihitsy ny vilany tany sy vilany varahina; raha vao mifandona izy roa tonta, dia ho montsana ny vilany tany.
3 Ny manankarena no manao ny tsy rariny, kanefa izy indray no mandrahondrahona; ny mahantra no iharan'ny tsy rariny sady mbola voatery manao fialan-tsiny.
4 Raha ahitany tombon-tsoa ianao, dia hampiasain'ny mpanankarena; fa raha sahirana ianao, dia hariany.
5 Raha manam-katao ianao, dia hiara-miaina aminao ny mpanankarena; saingy tsy hahoany akory izay hanendaka ny anananao.
6 Raha misy ilan'ny mpanankarena anao,dia hanangolingoly anao izy, sy hody hitsikitsiky aminao ary hanome fanantenana anao; hanao teny mandodoka anao izy ka hanontany hoe: "Inona no zavatra azoko atao ho anao?";
7 kanefa halany baraka amin'ny fanasam-be ianao, mandra-pahalany harena anao hamaly azy indroa na intelo; ary, amin'ny farany, dia hihomehezany ianao. Avy eo, raha mahita anao izy, dia hanary anao sady handihindihy loha noho ny aminao.
8 Tandremo sao mety hangoleny ianao ka hiharan'ny fietrena noho ny hadalanao.
9 Raha asain'ny manampahefana ianao, dia aza dodona loatra ny hankany, fa vao mainka hanasa anao izy.
10 Aza misosososo hankeo aminy, fandrao horoahiny ianao; ary aza mijanona lavitra azy loatra, fandrao hohadinoiny ianao.
11 Aza mihambo ny hiresaka aminy toy ny mitovy saranga ary aza mitokitoky amin'ny resaka be ataony; fa ny teniny mikararana no hisedrany anao ary ny tsikitsiky ataony no hanombantombanany anao.
12 Olona tsy manana antra izy ka tsy mahatana ny teninao; ary tsy hotsitsiny aminao na ny famelezana na ny gadra.
13 Aoka ianao no mailo ary hitandrina fatratra
14 fa lalana mety hianjeranao no andehananao !
15 Ny zava-miaina rehetra dia tia izay mitovy aminy; ary ny olona rehetra dia tia izay olona namany.
16 Mifandray araka ny karazany avy ny biby rehetra, ary mitambatra amin'izay itovizany ny olona.
17 Fiombonana inona no mety hisy amin'ny amboadia sy ny ondrikely ? Toy izany koa ny amin'ny mpanota manoloana ny olona tia vavaka.
18 Fihavanana inona no mety hisy amin'ny amboaha olo sy ny alika? Ary fihavanana inona no mety hisy amin'ny mpanankarena sy ny mahantra?
19 Ny borikidia any an-taniefitra no firembin'ny liona; toy izany koa ny mahantra no fitsentsitry ny mpanankarena.
20 Halan'ny mpiavonavona ny fietrena; toy izany koa halan'ny mpanankarena ny fahantrana.
21 Ny mpanankarena izay mangozohozo dia tohanan'ny sakaizany; fa ny malahelo izay solafaka dia ailikilikin'ny sakaizany.
22 Raha ny mpanankarena no mivaona, dia maro no manampy azy; na manao tenin'adala aza izy, dia omen'ny olona rariny. Fa raha ny malahelo no mivaona, dia anomezan-tsiny azy izany; ary raha milaza zavatra mitombina izy, dia tsy raharahaina akory.
23 Raha ny mpanankarena no miteny, dia mangina ny olona rehetra; sady manakoako hatrany amin'ny rahona no iderana ny lahateniny. Fa raha ny mahantra no miteny, dia atao hoe: "Mba iza koa io?"; ary raha sendra mibolisatra izy, dia atosiky ny olona ho lavo.
24 Tsara ny harena izay tsy laroin'ota; fa ratsy kosa ny fahantrana raha famaizana noho ny ota izany.
25 Ny fon'ny olombelona no mamboatra ny en driny, ka mahatonga azy ho tsara na ho ratsy.
26 Ny endrika mirana no mariky ny fo sambatra; fa fieritreretana milofo no amoronana ohabolana.
Toko faha-14
1 Sambatra ny olona tsy diso tamin'ny teniny, ary tsy ampahorin'ny nenina noho ny fahotany.2 Sambatra izay tsy mba melohin'ny eritreriny, ary tsy mba diso fanantenana na oviana na oviana.
3 Ny harena dia tsy mahasoa ny olona mahidy; ary inona no asan'ny harembe amin'ny mpikafiry?
4 Izay mpanangona mahihitra ho an'ny tenany dia manangom-pananana ho an'ny hafa; ka olon-kafa no ho velom-pinaritra amin'ny hareny.
5 Amin'iza no mba halemy fanahy izay lozabe amin'ny tenany? Tsy mba hiadana amin'ny harembeny izy.
6 Tsy misy ratsy noho izay mampahory tena, ary izany no tamby tandrifin'ny haratsiany.
7 Raha misy soa ataon'ny mahihitra, dia tsy fanahy iniany, ary hihariharian'ny haratsiany aza no iafarany.
8 Ny manam-pijery be kafiry dia ratsy toetraka mihodivitra tarehy sy manesoeso ny olona.
9 Ny fijerin'olona tia harena dia tsy afa-pon'izay anjarany; ary fahidiana mandoza no manamaina ny fanahiny.
10 Mitsitsy hanin-kohanina ny mahihitra ka tsy misy na dia eo amin'ny latabatra fisakafoany aza.
11 Anaka, mba karakarao tsara ny tenanao arakaraka izay fanananao; ary manaova sakafo tsara ianao amin'ny fotoana ahafahanao manao izany.
12 Tsarovy fa tsy ho ela fiavy ny fahafatesana, ary tsy nambara taminao ny tendry izay naraikitry ny toeran'ny maty.
13 Alohan'ny hahafatesanao, dia manaova soa amin'ny sakaizanao; ary atsory ny tananao hanome azy arakaraka izay fanananao.
14 Aza mifady tsy hanao andro firavoravoana, ary aza avela hisy very tantana izay tokony hahazoanao fahafaham-po mitombina.