JeremiĆ 

Toko faha-30

10 "Koa aza matahotra ianareo, ry taranak'i Jakoba mpanompoko , hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin'ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin'ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak'i Jakoba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.

11 Fa miaraka aminareo Aho, mba hamonjy anareo; teny hentitry avy amiko TOMPO izany. Hofongorako ny firenen-kafa rehetra izay nanelezako anareo; ianareo kosa tsy mba hofongorako, na dia tsy maintsy faiziko araka ny hitsiny ihany aza fa tsy havelako ho afa-maina."

12 Izao no lazain'ny TOMPO :"Tsy azom-panafana ny fahavoazanao, tsy azo sitranina ny ratranao.

13 Tsy misy olona mihevitra ny ferinao ho mbola mety hotsaboina; fa tsy misy fanafodiny intsony.

14 Manadino anao avokoa ireo sakaizanao ary tsy misy miahy anao mihitsy; satria Izaho no nikapoka anao toy ny fahavalo namely anao, ka nofaiziko mafy ianao.

15 Nahoana no itarainanao ny fahavoazanao sy ny fanaintainanao tsy azo tonena? Ny halehiben'ny helokao sy ny hamaroan'ny otanao no nampiharako izany taminao.

16 Nefa izay rehetra mandripaka anao dia mba haripaka ihany koa; izay rehetra mankahala anao dia mba hatao sesitany ihany koa; izay mamabo anao dia mba hobaboina ihany koa; ary izay rehetra mandroba ny fanananao dia mba hatolotro horobaina ihany koa.

17 Satria ireo efa niantso anao hoe: "Ry ilay tsy misy ilana azy," "ry Tsiona tsy misy miahy akory" , koa hositraniko ny ratranao ary hohamainiko ny ferinao; teny hentitra avy amiko TOMPO izany."

18 Izao no lazain'ny TOMPO: "Indro hovako ny anjaranareo, ry fianakavian'i Israely ka hiantrako ny tokantranonareo. Haorina indray eo amin'ny havoany. ireo tanan-dehibe tsirairay avy ary eo amin'ny toerany taloha ireo trano tsara tarehy.

19 Re avy ao ny hira fiderana sy ny horakora-pifaliana.Tsy hihavitsy intsony ianareo, ry taranak'i Jakoba, fa hohamaroiko; tsy hatao tsinontsinona intsony ianareo, fa horakofako voninahitra.

20 Hanjary toy ny fahiny ianareo, ry taranak'i Jakoba: hotohizinareo indray ny fivorianareo eo anatrehako, ary hirotsaka an-tsehatra Aho hamely ireo nampahory anareo.

21 Anankiray avy aminareo ihany no ho lehibenareo ary iray avy eto anivonareo ihany no ho mpitarika anareo. Havelako hanatona Ahy izy, fa tsy misy hamono tena hanatona Ahy raha tsy nasaiko hanao izany, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO.

22 Amin'izay dia ho vahoakako indray ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo."

23 Indro tamy ny rambon-danitra, dia ny fahatezeran'ny TOMPO. Toy ny rivo-doza mitambolimbolina no fiantontany eo an-dohan'ny olon-dratsy.

24 Tsy hitsahatra mirehitra ny fahatezeran'ny TOMPO, raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka izay fandaharan-javatra notapahiny. Amin'ny andro any aoriana any vao tena ho takatrareo izany.

Toko faha-31

1 Rehefa tonga izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho Andriamanitry ny foko israelita rehetra Aho, ary izy ho vahoakako.

2 Izao no lazain'ny TOMPO: "Tany an-taniefitra no nanehoako hatsaram-po ny vahoaka sisa tsy matin'ny fandringanana. Hizotra milamina amin'izay i Israely.

3 Hoy izy hoe: "Avy lavitra ny TOMPO no tonga niseho tamiko." ka hoy ny navaliko azy: "Fitiavana mandrakizay no itiavako anao ka famindrampo no itaomako anao hanatona Ahy.

4 Haoriko indray ianao, ry Israely mamiko, ka ho voaorina; hiravahanao indray ny ampongatapakao hanentananao ireo mpandihy mitotorebika.

5 Hambolenao voaloboka indray eny amin'ny havoanan'i Samaria ka ireo mpamboly no hioty ny vokatry ny famboleny.

6 Fa ho avy indray ny andro izay hiantsoan'ireo mpiambina eny an-tendrombohitr'i Efraima hoe :Andeha isika hiakatra any Tsiona ho eo anilan'ny TOMPO Andriamanitsika!"

7 Manaova horakora-pifaliana ho an'i Israely; mihobia an'Ilay filohan'ireo firenena, ataovy antso avo ny dera ka lazao hoe: "Ny TOMPO mamonjy ny vahoakany, dia ny sisa velona amin'i Israely! "Satria izao no lazain'ny TOMPO:

8 "Haveriko avy any an-tany avaratra izy ary hangoniko avy any am-bazan-tany. Ao avokoa mbamin'ny jamba sy ny mandringa, ary ny bevohoka sy ny tera-bao. Eny, vahoaka be no hiverina.

9 Tonga am-pitomaniana izy ka narahiko sady nampiononiko. Any amin'ny lemaka misy rano no hitarihako azy ary lala-mahitsy no hizorany ka tsy ho tafintohina izy. Ho Ray Aho amin'i Israely, ary ho lahimatoako i Efraima."

10 Mihainoa ny tenin'ny TOMPO, ianareo firenen-kafa, ambarao any amin'ireo nosy lavitra any izany ka lazao hoe: "Nampiely an'i Israely ny Tompo; fa izao manangona azy Izy ary miambina azy tahaka ny ataon'ny mpiandry amin'ny andian'ondriny."

11 Fa efa nanavotra ny olon'i Israely ny TOMPO ka nanafaka azy tamin'ireo mahery noho izy.

12 Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana ao amin'ny havoanan'i Tsiona; ho miramirana endrika izy amin'ny zava-tsoa homen'ny TOMPO: dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo, mbamin'ny ondry sy osy ary omby. Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy ka tsy mba hihamalazo intsony.

13 Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy; toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra. Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Hovako ho fifaliana ny alahelony , ka hampiononiko sy hampiravoako izy mba ho afaka amin'ny fahoriany.

14 Hovokisako zava-matavy ny mpisorona ary hofenoiko zava-tsoa ny vahoakako.

15 Izao no lazain'ny TOMPO: "Nisy fitarainana heno tao Rama, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I RaHely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany."

16 Kanefa izao no lazain'ny TOMPO azy: "Atsaharo ny fitarainanao ary fafao ny ranomasonao fa hovaliako soa ny fisasaranao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Satria ireny zanakao ireny dia hiverina avy any an-tanin'ny fahavalony.

17 Koa misy fanantenana ho an'ny taranakao, hoy ny teny hentitra ambarako, hiverina ao an-tanindrazany ny zanakao.

18 Reko tsara mihitsy ny olon'i Efraima nitaraina hoe: "TOMPO o, nofaizinao izahay ary dia manaiky ho faizinao tahaka ny ombilahy tanora tsy tena folaka. Nefa ampodio aminao izahay mba hiverenanay tokoa aminao, satria Ianao, TOMPO o, no Andriamanitray.

19 Eny, niodina taminao izahay nefa anenenanay kosa izany. Nampahafantarinao anay ny fahadisoanay, ka mandondon-tratra izahay ankehitriny. Menatra sady mangaihay ny tenanay; manala baraka anay ny fahatanoranay ka hozakainay ny vokany."

20 I Efraima no zanaka lahy mamiko, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO, zanaka malalako indrindra izy. Isaky ny manameloka azy Aho, dia mahatsiaro azy hatrany ka manjary mangoraka azy ary dia mamindrafo aminy tokoa."

21 Manangana mari-dalana ho anao ka asio orim-bato eny amoron-dalana ; hevero ny lalana efa nodiavinao, dia ny lalana efa narahinao, ka miverena, ry Israely malala, miverena amin'ireo tanananao.

22 Mandra-pahoviana ianao no mbola hiriorio etsy sy eroa, ry zanakavavy mpikomy? Fa ny TOMPO efa namorona zava-baovao eto an-tany: ny vehivavy indray no manenji-dehilahy.

23 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Rehefa hanova ny anjaran'ity tanin'i Joda sy ireto tananany Aho, dia hotononina indray ny fiteny hoe: "Hitahy anao anie ny TOMPO ry Tsiona tendrombohitra masina, fonenan'ny famonjena!"

24 "Amin'izay ny olona tambanivohitra sy an-tanan-dehibe ao Joda dia hiara-monina eo amin'ny tany, isan'izany ireo tantsaha sy ireo mpiompy mifindrafindra lasy miaraka amin'ny biby fiompiny.

25 Fa hampahereziko ireo efa reraka, ary homeko izay ilainy ireo rehetra efa trotraka.

26 Izany no hilazana hoe: Nony nifoha aho, dia hitako fa nahasoa ahy ny torimasoko."""

27 "Indro avy ny andro, izay hanapariahako olona sy biby fiompy manerana ny fanjakan'i Israely sy i Joda tahaka ny fanapariahana voa afafy eo an-tanimboly. Teny hentitra avy amiko Tsiona izany.

28 Mandraka ankehitriny dia nilofo namely azy Aho, mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanisy ratsy azy. Fa izao kosa hilofo hanasoa azy Aho mba hanarina sy hampiorina ; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

29 Amin'izay dia tsy hisy hamerina intsony izao ohabolana izao: Ny ray aman-dreny no nihinana voaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify."""

30 Fa raha misy tokoa ny mihinana voaloboka marikivy, dia izy ihany no hadilo nify; samy hofatin'ny fahadisoany avy ny olona tsirairay.

31 "Indro avy ny andro, izay hanaovako fanekem-pihavanana vaovao amin'ny vahoakan'i Israely sy ny vahoakan'i Joda. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

32 Kanefa tsy hitovy amin'ilay fanekem-pihavanana nataoko tamin'ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan'ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

33 Fa izao no fanekem-pihavanana hataoko amin'ny vahoakan'i Israely, aorian'izany andro izany: Hapetrako ao an'eritreriny ny lalanako ary hosoratako ao am-pony, ka ho Andriamaniny Aho ary izy ho vahoakako. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

34 Tsy mila hanatona ny namany na mpiray tampo aminy intsony izy mba hampianatra ireny hahalala Ahy TOMPO; fa hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra dia samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa havelako ny fahadisoany ary tsy hotsarovako intsony ny helony."

35 Iza no mametraka ny masoandro ho fanazavana amin'ny antoandro? Iza no mandidy ny volana aman-kintana ho fanazavana amin'ny alina? Iza no manetsika ny ranomasina mba hampisafoaka ny onjany? Ny TOMPOn'izao rehetra izao no anarany. Fa izao no lazain'io TOMPO io:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.942