Jôba
Toko faha-35
12 Miantso vonjy ny olona ampahorina fa tsy mamaly azy Andriamanitra satria mpirehareha sy ratsy toetra ireo.13 Eny, ilay Andriamanitra Tsitoha dia tsy mihaino ny fitarainam-poana sady tsy mba miraharaha izany.
14 Ary dia sahinao lazaina aza, ry Joba, fa tsy mahita an'Andriamanitra ianao sady mbola miandry Azy hatrany, kanefa ny raharahanao efa mby eo anoloany;
15 ankehitriny, heverinao fa tsy mihatra ny fahatezeran'Andriamanitra; ary tsy fantany akory ny fikomian'ny olona.
16 Koa miloa-bava milaza hevi-poana ianao ary mandahatra teny maro tsy misy dikany.
Toko faha-36
1 Nanohy indray ny teniny i Eliho ka nanao hoe:2 Mahareta kely amiko, ry Joba, fa hampianariko ianao; satria mbola misy teny hiandaniako an'Andriamanitra.
3 Ny fahalalako avy amin'ny sehatra midadasika no entiko hanomezan-drariny an'Andriamanitra Mpanao ahy.
4 Fa tsy misy lainga tsy akory izay lazaiko; satria lehilahy azo antoka amin'ny fahalalana izaho izay eto aminao izao.
5 Jereo fa mahery Andriamanitra kanefa tsy mba manambany olona; eny, mahery tokoa Izy ka hentitra amin'ny fanapahan-keviny.
6 Tsy mamela ny olon-dratsy ho elavelona Izy fa manome rariny kosa ny mahantra.
7 Miahy ny olo-marina mandrakariva Izy ka manandratra voninahitra azy sy mampaharitra azy eo amin'ny fitondrana toy ny mpanjaka eo amin'ny seza fiandrianany.
8 Fa raha olo-marina no voagadra rojo vy sady voagejam-pahoriana,
9 dia ny asany no ambaran'Andriamanitra azy: manota ireo, satria niavonavona.
10 Dia manokatra sofina azy Andriamanitra mba hihaino ny fananarany ka mandidy azy hiala amin'ny ratsy.
11 Raha mety mihaino an'Andriamanitra izy, dia amin'ny fahasambarana sy ny hamamiana no handaniany ny androny sy ny taonany.
12 Fa raha tsy mety mihaino kosa izy, dia ho faty hiharan-tsabatra noho izy tsy manam-pahalalana akory.
13 Fa ny ratsy fanahy dia tezitra aminy ka tsy mahataraina na dia gadrainy aza.
14 Koa dia maty tanora sy ratsy fiafara ireo toy ny olona iharan'ny fahafaham-baraka.
15 Fa ny fahorian'ny ory kosa no entin'Andriamanitra mamonjy azy, ary ny loza mianjady aminy no entiny mampianatra azy.
16 Fahiny dia nalany tamin'ny fahaterena ianao ka napetrany tamin'ny toera-malalaka, ary dia ny hanim-py no naroso teo ambonin'ny latabatrao.
17 Fa voaheloka toa olon-dratsy ianao izao, ary didim-pitsarana tsy azo ivalozana izany.
18 Aoka tsy hampisendaotra anao ny famaizana, ary tsy hampivily anao ny fanaovan-kolikoly.
19 Hahafa-pahoriana anao ve ny fitarainana sy ny fiezahana mafy rehetra ataonao?
20 Aza manantena koa ny alina hanaisotra firenena amin'ny toerany.
21 Koa mitandrema sao mivily ho amin'ny ratsy fa hisedrana anao izao fampahoriana izao.
22 Jereo fa mahery ny fiandrianan'Andriamanitra; Iza no mahay mampianatra tahaka Azy?
23 Iza no mahabaiko an'Andriamanitra amin'izay tiany hatao? Ary zovy no sahy hiteny aminy hoe: "Tsy mety ny nataonao"?
24 Tsarovy ny mankalaza ny asany izay efa noderain'ny olona an-kira.
25 Fa banjinin'ny olona rehetra izany, ary na avy lavitra aza dia tazany.
26 Eny, lehibe Andriamanitra ka tsy takatry ny saintsika; tsy tambo isaina velively ny taona naha Andriamanitra Azy.
27 Sintoniny tsikelikely ny rano, dia lasa etona ka tonga orana.
28 Ary avelan'ny rahona hilatsaka izany ka mifafy amin'ny besinimaro.
29 Iza koa no mahafantatra ny amin'ny fivelatry ny rahona sy ny fipoakan'ny kotroka eo amin'ny andohalambo izay fonenan'Andriamanitra?
30 Indro Izy fa manapariaka ny tselatra eny ambonin'ny rahona eny ary mandrakotra ny fanambanin-dranomasina.
31 Amin'ireny no anafaizany ny vahoaka na anomezany azy hanina betsaka.
32 Manafina ny tselatra eny an-tanany Izy ka mibaiko azy hahavoa izay kendreny.
33 Manambara ny fiavian'ny orana ny kotroka; ka na ny biby fiompy koa dia mahatsapa izany.
Toko faha-37
1 Mipararetra ny foko eo am-pahitana izany, ka mitepotepo mila hiala amin'ny toerany.2 Henoy, henoy ny fidoboky ny feon'Andriamanitra ary ny firohondrohona avoaky ny vavany.
3 Mamakivaky ny lanitra manontolo ny tselany ka tonga hatrany am-paran'ny tany.
4 Aorian'izany dia reny feon'Andriamanitra mirohondrohona amin-kery lehibe; koa mandritra ny andrenesana izany feony izany, dia avelany hipariaka ny tselatra.
5 Mirohondrohona ny feon'Andriamanitra ka mahatalanjona fatratra, satria tsy takatry ny saintsika ireo zavatra goavana vitany.
6 Fa ny rano mandry baikoiny hoe: "Milatsaha amin'ny tany". Izany koa no ataony amin'ny orana, dia amin'ny oram-be mivatravatra.
7 Aatony ny asan'ny olona tsirairay avy mba hieken'ny olombelona rehetra ny zavatra vitan'Andriamanitra.
8 Ary na ny biby aza dia miditra ao am-ponenany ka mamitsaka ao amin'ny toeram-piereny.
9 Tonga avy any atsimo ny rivo-doza ary avy any avaratra ny hatsiaka.
10 Ny fofonain'Andriamanitra no mampisy ny ranomandry ka mampivaingana ny velaran-drano.
11 Dia vesarany etona mando ny raho-matevina ka aeliny etsy sy eroa omban-tselatra.
12 Andriamanitra no mampihodinkodina azy mba hahatanteraka, araka ny fikasany, izay rehetra nandidiany azy eran'izao tontolo izao.