1 Mpanjaka

Toko faha-16

15 Tamin'ny taona faha-27 nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely i Zimry ary fito andro ihany no nanjakany tao Tiritsa. Tamin'izay ny tafik'i Israely dia nanao fahirano an'i Gibetona izay voatanan'ny Filistinina.

16 Ren'ny miaramila mpanao fahirano fa nikomy tamin'ny mpanjaka i Zimry sady efa nahafaty azy aza; koa androtriny ihany teo an-tobiny teo ny tafik'i Israely manontolo dia nanangana an'i Homry filohany ho mpanjakan'i Israely.

17 Dia niala tao Gibetona i Homry sy ny tafiny manontolo ka nanao fahirano an'i Tiritsa.

18 Rehefa hitan'i Zimry fa azo ny tanana, dia lasa izy niditra tao amin'ny tilikambo nisy ny efitranon'ny mpanjaka; nodorany io efitrano io, ka dia niara-devona taminy tao izy.

19 Izany no vokatry ny fahotana vitan'i Zimry, fony izy nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO satria nizorany ny fitondrantenan'i Jerobohama sy ny fahotana izay nataony sady nampanaoviny an'i Israely.

20 Ny sisa amin'ny tantaran'i Zimry ary koa ny fikomiana nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.

21 Taorian'ny nahafatesan'i Zimry, dia nizara roa ny vahoakan'i Israely: ny antsasany nomba an'i Tibny zanakalahin'i Ginata ka te hampanjaka azy, ary ny antsasany kosa nanaraka an'i Homry.

22 Farany anefa dia resin'ny mpomba an'i Homry ny mpomba an'i Tibny zanakalahin'i Ginata. Dia maty i Tibny, ary i Homry no tonga mpanjaka.

23 Tamin'ny taona faha-31 nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely i Homry; ary naharitra 12 taona no nanjakany ka ny enina tamin'izany dia tao Tiritsa.

24 Dia novidiny volafotsy fito kilao tamin'i Semera ny havoanan'i Samaria ka nanorenany tanana teo an-tampony; ary nataony koa hoe Samaria ny anaran'izany tanana izany araka ny anaran'i Semera tompon'ilay havoana.

25 Fa nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO i Homry, eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany aza;

26 satria nizorany avokoa ny fitondrantenan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata sy ny fahotana izay nampanaoviny an'i Israely ka nampahatezitra ny TOMPO Andriamanitr'i Israely tamin'ny sampiny.

27 Ny sisa amin'ny tantaran'i Homry ary koa ny zavatra hafa nataony sy ny herimpo nasehony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.

28 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia nalevina tao Samaria; ary i Ahaba zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

29 Tamin'ny faha-38 taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda no tonga mpanjaka tamin'i Israely i Ahaba zanakalahin'i Homry; ary naharitra 22 taona no nanjakany tamin'i Israely tao Samaria.

30 Ary izy io dia nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO mihoatra noho izay rehetra teo alohany.

31 Tsy vitan'ny hoe nizotra tamin'ny fahotan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata izy, fa mbola nanambady an'i Jezebela zanakavavin'i Etbahala mpanjakan'ny Tsidonianina sy nanompo an'i Bahala ary niankohoka teo anatrehany.

32 Tany Samaria aza dia manao tempoly ho an'i Bahala izy ka nanangana alitara

33 sy nametraka tsatokazo fanajana an'i Asera tao; koa nampahatezitra ny TOMPO Andriamanitr'i Israely izy mihoatra noho ny mpanjakan'i Israely rehetra talohany.

34 Tamin'ny andro nanjakan'i Ahaba no nanorenan'i Hiela avy any Betela an'i Jerikao; ka ny ain'i Abirama lahimatoany no sandan'ny nametrahany ny fototra, ary ny ain'i Segoba faralahiny no sandan'ny nametrahany ny vavahady, araka ny teny izay nolazain'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Josoa zanakalahin'i Nona.

Toko faha-17

1 Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elia izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin'ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.

2 Dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elia nanao hoe:

3 Miala eto ianao ka mizora miantsinanana ary miere any akaikin'ny riakan'i Kerita, any atsinanan'i Jordana.

4 Io riaka io no hisotroanao rano any, ary Izaho hanome baiko ny goaika hitondra sakafo ho anao.

5 Dia notanterahin'i Elia izay nolazain'ny TOMPO taminy, ka lasa izy nipetraka tany akaikin'ny riakan'i Kerita.

6 Ary marain-tsy hariva dia nitondra mofo sy hena ho azy ny goaika, fa rano teo amin'ny riaka kosa no nisotroany.

7 Fa nony afaka kelikely dia ritra ilay riaka, satria tsy nisy orana nilatsaka tamin'ny tany.

8 Dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elia nanao hoe:

9 Miainga ka mankanesa any Tsarefata akaikin'i Tsidona ary mitoera any; fa misy vehivavy mpitondratena any, izay efa nomeko baiko mba hamatsy hanina anao.

10 Dia lasa nankany Tsarefata i Elia. Ary rehefa tonga teo am-bavahadin'ny tanana izy, dia nahita vehivavy mpitondratena mifako kitay. Nantsoin'i Elia io ka nataony hoe: Azafady mba itondray rano kely amin'ny zinganao aho hosotroiko.

11 Dia lasa naka ravehivavy, nefa mbola nantsoin'i Elia indray izy nataony hoe: Azafady, mba itondray mofo ihany koa aho.

12 Fa hoy ravehivavy namaly: Velona ny TOMPO Andriamanitrao, koa mianiana aho fa tsy manana mofo mihitsy; ny sisa ananako dia lafarinina eran'ny tanan'ila ao anaty tsatokaty sy menaka kely amin'ny tavoara. Koa rehefa avy maka kitay aho, dia hody hikarakara an'ireo mba ho ahy sy ho an'ny zanako lahy; dia hohaninay izany, ary hiandry ny hahafatesanay izahay.

13 Fa hoy i Elia taminy: Aza matahotra! Modia ary manaova araka izany voalazanao izany; nefa anaovy mofo kely aho aloha ka ento aty amiko, dia izay ianao vao manao ho anao sy ho an'ny zanakao lahy.

14 Fa izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Tsy ho lany ny lafarinina ao amin'ny tsatokaty, ary tsy ho ritra ny menaka ao amin'ny tavoara mandra-pigadon'ny andro handatsahan'ny TOMPO ranonorana amin'ny tany.

15 Dia lasa ravehivavy ka nanao araka izay nolazain'i Elia taminy; ary dia nanan-kohanina nandritra ny fotoana elaela izy telo mianaka, dia ravehivavy sy ny zanany ary ilay mpaminany.

16 Tsy lany anefa ny lafarinina tao amin'ny tsatokaty ary tsy ritra ihany koa ny menaka tao amin'ny tavoara, araka izay nolazain'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Elia.

17 Fotoana vitsy taorian'izany, dia narary ny zanak'ilay vehivavy mpitondratena nampiantrano ny mpaminany. Mafy loatra anefa ny aretiny ka niafara tamin'ny fahafatesany izany.

18 Dia hoy ravehivavy tamin'i Elia: Ry olon'Andriamanitra, nahoana no nanao izao tamiko ianao? Moa hampahatsiaro ny fahotako sy hahafaty ny zanako lahy ve no nahatongavanao taty amiko?

19 Hoy kosa i Elia namaly azy: Omeo ahy ny zanakao. Dia nalainy teny an-tsandrin-dravehivavy izy ka nentiny tany an'efitra ambony izay nitoerany ary nampandriny teo am-parafarany.

20 Dia nivavaka tamin'ny TOMPO izy ka nanao hoe: Ry TOMPO Andriamanitro o, ity mpitondratena ity mba nampiantrano ahy, koa sitrakao ve ny hampahory azy amin'ny fahafatesan-janany?

21 Dia niampatra intelo teo amin'ny zaza izy sady nitalaho mafy tamin'ny TOMPO hoe: Ry TOMPO Andriamanitro o, mitalaho aminao aho mba hamelomanao indray ity zaza ity.

22 Nohenoin'ny TOMPO ny vavak'i Elia, dia niverina taminy indray ny ain'ny zaza ka velona soa aman-tsara izy.

23 Dia noraisin'i Elia ny zaza ka nentiny nidina ho ao amin'ny efitra ambany ary natolony an-dreniny sady nataony hoe: Indro fa velona ny zanakao!

24 Ary hoy ravehivavy tamin'i Elia: Fantatro izao fa olon'Andriamanitra tokoa ianao ary miteny amin'ny alalanao marina ny TOMPO.

Toko faha-18

1 Fotoana elaela taty aoriana, tamin'ny taona fahatelo nisian'ny hain-tany, dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elia nanao hoe: Mandehana hiseho amin'i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin'ny tany Aho.

2 Dia lasa i Elia niseho tamin'i Ahaba. Namely mafy ny mosary tany Samaria,

3 ka niantso an'i Hobadia filohan'ny lapa i Ahaba. Ary i Hobadia dia fatra-panaja ny TOMPO;

4 fa tamin'ny nandringanan'i Jezebela ny mpaminanin'ny TOMPO, dia mpaminany zato no voavonjin'i Hobadia rehefa nafeniny nitsinjara dimampolo avy tany anaty zohy ka novatsiny mofo sy rano.

5 Ka hoy i Ahaba tamin'i Hobadia: Andeha hotetezintsika ny tany hijerena ny loharano sy riaka rehetra, sao hahita ahitra ihany isika hamelomana ny soavaly sy ny boriky mba tsy hamonoana ny biby fiompintsika.

6 Dia notsinjarainy ny tany hotetezina, ka i Ahaba nandeha tany amin'ny lalany ary i Hobadia kosa tamin'ny azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9325